Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Môzià 2:17—“Ny fanompoana an’Andriamanitrareo”.


“Fifehezana Fotopampianarana: Môzià 2:17—‘Ny fanompoana an’ Andriamanitrareo,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana Fotopampianarana: Môzià 2:17,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Môzià 2:17

“Ny fanompoana an’Andriamanitrareo”.

Sary
zatovolahy mamangy lehilahy zokiolona

Ao amin’ny lesona “Môzià 2:1–18,” dia nianatra ianao fa “rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo” (Môzià 2:17). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay hita ao amin’ny Môzià 2:17, sy hanazava ilay fotopampianarana ary hanazatra tena amin’ny fampiharana ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Mampiasa rafi-tantara. Ny fifanakalozan-kevitra amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana na rafi-tantara dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba iharan’ireo fahamarinan’ny filazantsara amin’ny fiainana andavanandro. Amporisiho hieritreritra toe-javatra avy amin’ny fiainan’izy ireo manokana ny mpianatra, ary avy eo dia asao hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy izy ireo mba hahitana izay mety ho vahaolana amin’ny fanontanian’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga ao am-pianarana efa avy nieritreritra fotoana iray niainan’izy ireo traikefam-panompoana sarotra na fahafahana hanompo saingy tsy nanao izany izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao mba hampianarina aorian’ny lesona “Môzià 2:1–18,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Môzià 2:17. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Vakio ny Môzià 2:17 sy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao Matio 22:36–39, hitadiavana izay fitovitoviana.

Mba hisian’ny fiovaovana dia, hevero ny hizara ireo mpianatra ho tsiroaroa ka samy mamaky iray avy amin’ireo andinin-tsoratra masina. Avy eo dia asao izy ireo mba hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy no fitovitoviana hitanao amin’ny Matio 22:36–39 sy ny Môzià 2:17?

  • Ahoana no hanazavanao ny fotopampianaran’ny fanompoana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andininy ireo?

Mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ity andian-teny manan-danja ity dia azonao zaraina roa mitovy ny mpianatra. Ampanaovy ny antsasaky ny kilasy ny ampahany voalohany amin’ilay andianteny hoe: “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo.” Ampanaovy ny ambiny ny ampahany faharoa amin’ilay andian-teny: “Dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.” Tondroy ny vondrona voalohany ary angataho hamerina ny andianteny nampanaovina azy ireo. Avereno miaraka amin’ny vondrona faharoa. Rehefa voaverina ny andianteny roa, dia lazao miaraka amin’ny iray kilasy ny “Môzià 2:17”. Azonao atao ny mamerina ilay sahanasa saingy ataovy mifamadika ireo antsasany roa mamerina ny andianteny averin’izy ireo. Ampahatsiahivo ny mpianatra mba ho feno fanajana rehefa miresaka momba an’ Andriamanitra.

Fizàrana mampihatra

Tsarovy fa ny tanjon’ny famerenana mijery ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy dia ny hanampiana ireo mpianatra hahay tsara azy ireny mba hampiasany izany amin’ny fomba mandeha ho azy eo amin’ny fiainany rehefa miatrika fanontaniana ara-panahy izy ireo. Ampiasao ireo fizarana fampiharana ireo hanombatombanana ny fahalalan’ireo mpianatra ireo fitsipika. Amboary na avereno araka izay ilaina izy ireo.

Zarao ho vondrona tsitelotelo ny mpianatra ary omeo ny mpianatra tsirairay ny iray amin’ireto fitsipika manaraka avy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) ireto: manao asa amim-pinoana, mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ary mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Asao ny mpianatra tsirairay mba hamantatra fehezanteny roa avy amin’ny anjara nampanaovina azy ireo izay heverin’izy ireo fa zava-dehibe ny hahatakarana azy. Angataho izy ireo hizara izany fehezanteny izany amin’ny vondrona misy azy ireo ary hampiditra ny antony nahatonga azy ireo hisafidy izany.

Azon’ny mpianatra atao samirery na tsiroaroa na vitsivitsy mitambatambatra ity sahanasa ity. Raha misafidy ny hanoratra rafi-tantara ny mpianatra, dia tokony hahitana fanamby na ady izay azo jerena amin’ny alalan’ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy ilay rafi-tantara. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hampifanakalo ny rafi-tantara izay noforonin’izy ireo. Avy eo dia asao izy ireo hiasa amin’ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy mba hamaliana ilay rafi-tantara azon’izy ireo. Raha ilaina dia omeo ny mpianatra ireo fanontaniana voatanisa ao amin’ny fizarana tsirairay.

Amin’ny ankapobeny ny fanompoana dia zavatra iainana mahafinaritra ho an’ireo izay mandray anjara sy ireo izay tompoina. Na izany aza, misy ihany koa ireo olana izay mety ho ampahany amin’ny fanompoana. Saintsaino ny làla-misokatra hanompoana vao haingana nanananao. Inona avy no sasantsasany amin’ireo olana niaraka tamin’ilay fanompoana? Inona avy ireo antony sasany mety hahatonga ny olona hisafidy ny tsy hanompo ny hafa?

Soraty ny rafi-tantaranao manokana mamaritra olana iray amin’ny fanompoana. Ity misy ohatra iray: I Sophia dia nangatahin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana misy azy hitondra zavatra manokana ho ana tsingerintaona any amin’ny ankizivavy iray tsy dia mazoto ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy misy azy. Rehefa tonga teo am-baravarana ilay ankizivavy, dia tsy dia nisariaka tamin’i Sophia izy. Nahatsapa ho voaratra i Sophia sady lasa, ary nanenina tamin’ny nanaovany ilay fanompoana.

Manao asa amim-pinoana

  • Ahoana no maha-hetsi-pinoana ny manompo na dia eo aza ireo fanamby?

  • Ahoana no ahafahan’ilay fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Môzià 2:17 manampy ilay olona ao amin’io zava-misy io hanao asa amim-pinoana?

Fakafakao amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ireo foto-kevitra sy fanontaniana.

  • Inona no miova rehefa mahita ilay rafi-tantara amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ianao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Mosiah 2:17 manampy ilay olona hijery ireo zavatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho nataon’ny Mpamonjy tao anatin’io toe-javatra io?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Mba hanampiana ny mpianatra hahita fanambarana iray, dia azonao atao ny mampiseho tenin’olona avy ao amin’ny fizarana “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra” ao amin’ny lesona Môzià 2:1–18.”

Mitadiava soratra masina fanampiny na fanambarana avy amin’ny fihaonambe maneran-tany izay azonao zaraina mba hanampiana olona iray hanompo amina toe-tsaina feno fahavononana. Mba hanaovana izany, dia andramo tadiavina ao ami’ny application Médiathèque de l’Évangile ny hoe “fanompoana”, ary avy eo dia jereo ireo soratra masina na lahateny nandritra ny fihaonambe izay miseho. Azonao atao koa ny mitady hoe; “fanompoana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina.

Asao hizara ny zavatra hitan’izy ireo ny mpianatra. Mety ho azonao atao ny mamarana amin’ny alalan’ny famporisihana ny mpianatra hiezaka mafy handresy ireo sakana izay mihazona azy ireo tsy hanompo. Ampahatsiahivo azy ireo ny drafi-panompoana nataon’izy ireo nadritra ny fandalinan’izy ireo ny Môzià 2:1–18 ary ny làla-misokatra eo amin’izy ireo isan’andro hanompoana ny hafa.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Soraty eny amin’ny tabilao ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja, ary asao ireo mpianatra hamerina izany amin’ny feo mafy miaraka amin’ny iray kilasy. Mamafà teny vitsivitsy ary asao ny mpianatra hamerina feno indray ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny. Tohizo io dingana io mandra-pamafana ny zava-drehetra ka ho afaka mamerina tsianjery ilay andian-teny sy andinin-tsoratra masina manontolo ny mpianatra.

Hamoaka printy