Seminera
Môzià 1–3: topimaso ankapobeny


“Môzià 1–3: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 1–3,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 1–3

Topimaso ankapobeny

I Benjamina Mpanjaka dia mpitarika izay nanompo an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanompoany ny olony sy ny fampianarany azy ireo hifanompo. Nampianatra izy hoe: “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo” (Môzià 2:17). Nanasa ny olony izy hikatsaka fahasambarana amin’ny alalan’ny fiainana sy fanokanan-tena marina ho an’ Andriamanitra. Novangian’ny anjely iray izy, ary nozarainy tamin’ny olony ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ilay anjely momba an’i Jesoa Kristy, ireo zavatra hiainan’ny Mpamonjy, ary ny fahamarinana hoe avy amin’ny anaran’i Kristy ihany no iavian’ny famonjena.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra an’ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Môzià 2:1–8

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanompo kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady fomba madinika hanompoana olon-kafa mialoha ny lesona manaraka.

  • Votoatiny haseho:Ny fanombatombanan-tena eny amin’ny solaitrabe any am-piandohan’ny lesona

  • Sosokevitra ho enti-mampianatra amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ho an’ny fnombatombanan-tena izay hamariparitan’ny mpianatra ny fahatspany mikasika ireo fahafahana manompo dia azonao aseho ireo teboka ary asao ny mpianatra hanome isa ny tenany anaty taratasy kely.

Fifehezana fotopampianarana: Môzià 2:17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny toko sy andinin’ny fifehezana fotopampianarana sy andian-teny fototra ao amin’ny Môzià 2:17, sy hanazava ny fotopampianarana ary hanazatra tena amin’ny fampiharana ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga ao am-pianarana efa avy nieritreritra fotoana iray niainan’izy traikefam-panompoana sarotra na fahafahana hanompo saingy tsy nanao izany izy ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ho an’ny ampahan-desona izay hanoratan’ireo mpianatra ny rafi-tantaran’izy ireo manokana dia hevero ny hanasana azy ireo hizara izany eo amin’ny fifandefasan-kafatra (chat). Raha hahazoan’ny mpianatra tombony ny fiaraha-miasa amina namana iray, dia alamino ao amina efitra fanasarahana izy ireo.

Môzià 4:19–41

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hikatsaka “ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra” (Môzià 2:41).

  • Fanomanana ny mpianatra: Azo asaina hanohy ity fanambarana manaraka ity ny mpianatra sy hiomana hifanakalo hevitra amin’ny valintenin’izy ireo: “Ny fahasambarana marina sy maharitra dia azo amin’ny alalan’ny …”

  • Horonan-tsary:Count Your Blessings (Isao ireo fitahianao)” (4:59)

  • Taratasy zaraina:“Ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didy”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio- conférence: Any am-panombohan’ny lesona dia azon’ireo mpianatra atao ny manoratra ireo fitahiana izay omen’ Andriamanitra ireo eo amin’ny fifampizaran-kafatra (chat). Izany dia afaka manampy ny mpianatra hahafantatra ireo fitahiana izay mety tsy noeritreretin’izy ireo tany am-boalohany.

Fifehezana fotopampianarana: Môzià 2:41

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Môzià 2:41, sy hanazava ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io, ary hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Môzià 3:1–17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny ny zavatra nataon’i Kristy mba hahatonga azy ireo ho voavonjy.

  • Fiomanan’ny Mpianatra: Azonao asaina ireo mpianatra mba hiresaka amin’ny olona anankiray ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana mikasika ireo fitahiana izay mety ho azo noho ny amin’i Jesoa Kristy fotsiny.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa avy nianatra sy nandalina ny Mozià 3:5–10 ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hanoratra eo amin’ny fifandefasan-kafatra (chat) ireo andian-tenin-tsoratara masina izay manaitra azy ireo na fanontaniana izay ananany momba ireo andininy. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ireo resaka ao amin’ny fifandefasan-kafatra (chat) sy hifantina andianteny na fanontaniana hifanakalozan’ny iray kilasy hevitra.

Hamoaka printy