Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 6: Takaro ary hazavao


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 6: Takaro ary hazavao,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana fifehezana fotopampianarana 6

Takaro ary hazavao

Sary
vehivavy mampianatra ao an-dakilasy

Ny iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana dia ny hanampy anao hahatakatra ireo fampianaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary ho afaka hanazava izany amin’ny teninao manokana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny fahamarinana sy hanazava izany avy amina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Maneho fitiavana sy fanantenana lehibe. Rehefa tia marina ny mpianany ny mpampianatra, dia hiraharaha loatra ny fandrosoan’izy ireo sy ny fahombiazan’izy ireo ka tsy ho afa-po amina ezaka kely fotsiny avy any amin’ny mpianatra. Amporisiho amim-pitiavana ny mpianatrao mba hanatratra ny zavatra mety ho vitany amin’ny maha mpianatra sy mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy ao amin’ny tabilao ao amin’ny lesona ny mpianatra ary hisafidy ny iray izay tiany hotakarina kokoa. Asao izy ireo hamaky ilay andininy nosafidin’izy ireo ary hiezaka hanakatra izany kokoa. Izany dia mety hahitana fitadiavana soratra masina manohana hafa, fanoratana ny eritreritr’izy ireo momba izany ao amin’ny diarin’izy ireo, na fanontaniana olona hafa ny zavatra azony avy amin’ilay andinin-tsoratra masina. Asao izy ireo mba ho tonga efa vonona hizara ny zavatra nataon’izy ireo sy ny zavatra nianaran’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mety mila mampianatra andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray ianao ho solon’ity lesona ity. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra misy anao mba hahazoana antoka fa hampianarina ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tsirairay rehefa mandeha ny seminera.

Paikady

Asehoy ireto sary manaraka ireto na sary mitovy amin’izy ireo. Asaivo miara-miasa ny mpianatra na ataovy anatina vondrona kely ary asao mba hifanakalo hevitra momba ny fanatanjahan-tena na lalao tian’izy ireo indrindra sy ny antony ankafizan’izy ireo izany izy ireo. Azon’izy ireo atao avy eo ny mifanakalo hevitra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

Sary
rugby
  • Inona avy no paikady manampy mba handresena ao anatin’ilay fanatanjahan-tena na lalao tianao indrindra? Nahoana?

  • Nahoana no manan-danja ny fananana paikady na drafitra amina lalao iray?

ChurchofJesusChrist.org.

  • Ankoatra ny famakiana ny soratra masina, ahoana no ahafahan’ny fananana paikady hahazoana fahatakarana tsara kokoa ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina manampy anao?

  • Inona avy no paikady nampiasainao ka nanampy anao hahatakatra ny soratra masina?

Misy paikady maro hanampiana anao hahatakatra lalina kokoa ny soratra masina. Ao amin’ity lesona dia hanana fahafahana manandrana paikady iray ianao mba hahatakarana tsara kokoa andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Etsy ambany ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy ao amin’ny antsasany voalohany amin’ny Bokin’i Môrmôna. Mifantena iray na maromaro izay tianao hotakarina lalina kokoa.

Asehoy ity tabilao manaraka ity mba hahafahan’ny mpianatra mijery izany mandritra ny lesona. Manasà mpianatra vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo rehefa nanao ny sahanasa hiomanana amin’ny fotoam-pianarana izy ireo.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha olona araka ny nofo [ … ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka ianareo hatao “batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo.”

Halalino ny fahatakaranao

Vakio ny andininy na ireo andininy nosafidinao.

  • Inona avy amin’ireo andininy ireo no tianao ho takatra tsara kokoa? Inona no paikady azonao ampiasaina mba hanaovana izany?

Ampiasao ity paikady manaraka ity, na anankiray hafa fantatrao, mba hampitomboana ny fahatakaranao ilay andininy na ireo andininy nofantenanao. Hanana fahafahana hanazava ny zavatra nianaranao taty aoriana kokoa tao amin’ny lesona ianao.

Raha efa manana paikady tian’izy ireo hampiasaina amin’io sahanasa io ny mpianatra dia asao hampiasa izany izy ireo. Raha tsy izany, omeo azy ireo ireto toromarika manaraka ireto ho paikady iray azon’izy ireo ampiasaina mba hahatakarana tsara kokoa ireo andininy nosafidin’izy ireo.

Ny gazetiboky Ho zatovo mahery! dia matetika ahitana sahanasa fandalinana soratra masina antsoina hoe “Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra,” izay manazava na mamaritra teny manan-danja na andian-teny avy amina andinin-tsoratra masina. Mba hahitana sahanasa “Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” iray, dia jereo ny “Mandatsaka fanorenana,” Ho zatovo mahery!, jan. 2021, 19.

Foròny ny “Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” anao manokana ho an’ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana voatanisa etsy ambony. Raha mankafy zava-kanto ianao, dia hevero ny hampiditra sary na loko ao amin’ny pejy “Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” izay anao. Ampiasao ireto torolalana manaraka ireto mba hanampy anao hamorona izany:

Ampio sy amporisiho araka izay ilaina na araka izay anosehan’ny Fanahy Masina ny mpianatra. Hevero ny hametraka fanontaniana momba ny asan’ny mpianatra mba hanampy anao hahatakatra tsara kokoa azy ireo.

  1. Soraty eny amin’ny tampon’ilay pejy avokoa ny teny rehetra ao amin’ilay andinin-tsoratra masina nosafidinao.

  2. Misafidiana teny na andian-teny dimy farafahakeliny avy amin’izany andinin-tsoratra masina izany ary tanisao eo amin’ny ilany havia amin’ilay pejy izany. Mamelà toerana ampy hasiana fanamarihana eo akaikin’ny teny na andian-teny tsirairay.

  3. Mitadiava ary manaova lisitrana famaritana, fanazavana, ohatra, andinin-tsoratra masina mifandray, na teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ka afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ireo teny na andian-teny avy amin’ilay andinin-tsoratra masina. Tanisao eo akaikin’ny teny izay mifandray aminy izy ireo. Azonao atao ny mampiasa fitaovana toy ny Torolalana ho an’ny soratra masina, na ireo lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na ireo gazetibokin’ny Fiangonana.

  4. Mampidira, eo amin’ny faritra iray ao amin’ny tahirin-kevitrao, andiam-pehezanteny iray momba ny zavatra nianaranao na tianao hotsaroana avy amin’io andininy io. Ampidiro ny zavatra ampianarin’izany anao momba ny Mpamonjy, na ny Fiangonany, na ny iraka ataony hamonjena antsika.

Raha tianao, dia avereno amina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray hafa avy ao amin’ilay lisitra io sahanasa io.

Hevero ny hametraka ny mpianatra ho ao anatina vondrona misy olona telo na efatra, ka samy manana andinin-tsoratra masina iray avy ny isam-batan’olona mba hahafahan’ny mpianatra rehetra mianatra andininy maro. Asao hizara ny pejy “Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” nataony amin’ny vondrona misy azy ny mpianatra tsirairay ary hanazava ny zavatra nianarany momba ilay andininy. Azonao atao koa ny manasa mpianatra manolo-tena hizara ny pejin’izy ireo amin’ny iray kilasy. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanantona ny pejin’izy ireo eraky ny efitrano, na hanao tahadika na haka sary ny pejin’izy ireo haseho.

Hamoaka printy