Seminera
Enôsa–Tenin’i Môrmôna: Topimaso ankapobeny


“Enôsa–Tenin’i Môrmôna: Topimaso,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2023)

“Enôsa–Tenin’i Môrmôna,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

EnôsaTenin’i Môrmôna

Topimaso ankapobeny

Ireo boky miainga eo amin’ny Enôsa mankany amin’ny tenin’i Môrmôna dia mandrakotra arivo taona ary mampahafantatra antsika karazana mpaminany sy olona nandray fitaomam-panahy. I Enôsa, ilay zanak’i Jakoba sy zafikelin’i Lehia, dia “nahery vavaka” tamin’ Andriamanitra ho an’ny fahotany (Enôsa 1:4). Ireo bokin’i Jarôma sy i Ômnia dia ahitana karazana fampianarana izay afaka mitahy ny fiainantsika. I Môrmôna dia notarihin’ny Fanahin’ny Tompo hampiditra ireo takelaka kely “noho ny fikasana hendry,” araka ny sitrapon’ny Tompo (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:3–7). Ary i Benjamina Mpanjaka dia nampianatra ny zanany ny anjara asa manan-danjan’ny soratra masina eo amin’ny finoan’izy ireo.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra an’ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Enôsa

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampiasa finoana an’i Jesoa Kristy sy hibebaka mba hahazo famelan-keloka.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Enôsa 1:1–8 alohan’ny fotoam-pianarana ny mpianatra, ka hisaintsaina ny zavatra tsapan’i Enôsa sy ny zavatra nianarany momba ny Tompo sy ny namelana ny helony. Hevero ny hangataka ny mpianatra hisaintsaina ny fomba heverin’izy ireo fa mety ho nanovan’io zavatra niainana io ny fiainan’i Enôsa.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Aorian’ny fanasana ny mpianatra hisaintsaina andian-teny manan-danja avy ao amin’ny Enôsa 1:1–8, dia hevero ny hamela azy ireo hizara izany amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fomba fiasa atolotry ny solaitrabe fotsy. Azon’ny mpianatra atao ny misafidy iray amin’ireo andian-teny izay tian’izy ireo ho takatra kokoa sy mampiditra fanamarihana avy amin’ny fandalinan’izy ireo eo akaikin’ilay andian-teny. Avy eo izy ireo dia azo angatahina hanazava ny fanamarihan’izy ireo.

Jarôma–Ômnia

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampihatra ny famantarana sy fampiharana fitsipika avy ao amin’ny soratra masina izay afaka mitahy sy mitarika ny fiainan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra:Rehefa manao ny fandalinan’izy ireo soratra masina isan’andro ny mpianatra, dia asao izy ireo mba hampihatra ny famantarana fitsipika izay afaka manampy azy ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Amporisiho izy ireo mba ho tonga efa vonona hizara farafahakeliny fitsipika iray hitan’izy ireo.

  • Sary: Sarina sambo iray misy familiana, aseho na natao sary teny amin’ny tabilao

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ity fanontaniana ity: “Alaovy sary an-tsaina hoe ny dianao eto amin’ny fiainana dia tahaka ny sambo iray mandeha eny ambonin’ny ranomasimbe. Inona no zavatra sasantsasany azonao ampitahaina amin’ny familiana na familian-tsambo izay mitarika ilay sambo mandritra ny dia?” Asao hamaly ilay fanontaniana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fomba fiasa atolotry ny chat ny mpianatra. Vakio mafy ny sasany amin’ny valintenin’izy ireo mialoha ny hampisehoana ny teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar.

Ny Tenin’i Môrmôna

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ho mahazo toky fa mahafantatra ny zavatra rehetra ny Tompo ary ho tanteraka ny asany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny manontany ny ray na reny iray na mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny fomba nahazoan’izy ireo fitarihana na fitahiana tamin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra teo anatrehan’ny fitaomana ara-panahy na bitsika ara-panahy. 

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Rehefa mamaky ny 1 Nefia 9:5–6 sy ny Tenin’i Môrmôna 1:7–8 ny mpianatra dia hevero ny hizara ny kilasy ao anatina salles de discussion mba hifanakalo hevitra amin’ireo fanontaniana sy hamantatra fitsipika izay hitan’izy ireo. Ny mpianatra iray isaky ny vondrona, izay miankina amin’ny isan’ny olona ao anatin’ny vondrona tsirairay, dia afaka mizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nifanakalozan’ny vondron’izy ireo hevitra mikasika ny 1 Nefia 9:5–6, ary avy eo dia afaka mizara ny zavatra nifanakalozan’ny vondron’izy ireo hevitra mikasika ny Tenin’i Môrmôna 1:7–8 ny mpianatra iray isaky ny vondrona.

Tenin’i Môrmôna 1:12–18; Môzià 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fanirian’izy ireo handalina ny soratra masina.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hanao ny fandalinana soratra masina ataon’izy ireo manokana sy hisaintsaina ny fiantraikan’izany eo amin’izy ireo, indrindra fa ny zavatra tsapan’izy ireo sy ny fitokian’izy ireo amin’i Jesoa Kristy.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Any akaikin’ny fiafaran’ny lesona, rehefa afaka misafidy sahanasa vitsivitsy momba ny fandalinana soratra masina hatao ny mpianatra, dia hevero ny hanao ilay sahanasa miaraka amin’ny iray kilasy. Sintony ny iray amin’ireo horonan-tsary ary asao hijery izany ny mpianatra ka hitady ohatra amin’ny fomba ahafahan’ny soratra masina mitahy ny fiainantsika sy mampitombo ny finoantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Asao hizara ny eritreritr’izy ireo izy ireo mialoha ny hisafidianana ny roa amin’ireo sahanasa tavela.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny fahamarinana sy hanazava izany avy amina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy ao amin’ny tabilao ao amin’ity lesona ity ny mpianatra ary hisafidy anankiray izay tiany hotakarina tsara kokoa. Asao izy ireo hamaky ilay andininy nosafidin’izy ireo ary hiezaka hanakatra izany kokoa. Izany dia mety hahitana fitadiavana soratra masina manohana hafa, fanoratana ny eritreritr’izy ireo momba izany ao amin’ny diarin’izy ireo, na fanontaniana olona hafa ny zavatra azony avy amin’ilay andininy. Asao izy ireo mba ho tonga efa vonona hizara ny zavatra nataon’izy ireo sy ny zavatra nianaran’izy ireo.

  • Sary: Sarina lalao na hetsika ara-panatanjahan-tena isan-karazany

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéoconférence: Hevero ny hametraka ny mpianatra aminasalles de discussion ary hanasa ny vondrona tsirairay hiaraka hiasa hamorona ny sahanasa “Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” azy ireo manokana. Rehefa avy omena fotoana ampy izy ireo, dia asaivo miaraka miverina mba hizara ny sahanasan’izy ireo amin’ny ambiny ao amin’ny kilasy.

Hamoaka printy