Seminera
Jarôma–Ômnia: Atolory an’i Jesoa Kristy ny fanahinao manontolo


“Jarôma–Ômnia: Atolory an’i Jesoa Kristy ny fanahinao manontolo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Jarôma–Ômnia,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Jarôma–Ômnia

Omeo an’i Jesoa Kristy ny fanahinao manontolo

Sary
zatovovavy iray mivavaka

Aiza no itadiavanao tari-dalana rehefa manao safidy manan-danja eo amin’ny fiainana ianao? Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia nanolotra ny soratra masina ho loharano voalohany hitarihana sy hanampiana ny rehetra. Ireo bokin’i Jarôma sy i Ômnia dia ahitana karazana fampianarana izay afaka mitahy ny fiainanao. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampihatra ny famantarana sy fampiharana fitsipika avy ao amin’ny soratra masina izay afaka mitahy sy mitari-dalana ny fiainanao.

Ampio hahita fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ny mpianatra. Ny fotopampianarana dia fahamarinana fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay tsy miova. Ny fitsipika dia fahamarinana maharitra izay mitari-dalana ny isam-batan’olona eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Ny fitsipiky ny filazantsara dia ho an’ny rehetra ary manampy ny olona hampihatra ny fotopampianaran’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hampihatra ny famantarana ireo fitsipika izay hitondra soa eo amin’ny fiainan’izy eo am-pandalinana ny soratra masina isan’andro. Amporisiho izy ireo mba ho tonga efa vonona hizara farafahakeliny fitsipika iray hitan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mamily ny sambo

Sary
familiana ao amin’ny sambo

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana, hevero ny hampiseho sarina sambo iray na hanao sarin’izany anankiray eo amin’ny solaitrabe. Raha tsy izany dia azonao atao ny mangataka mpianatra iray hanao sarina sambo iray eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ny manontany azy ireo hoe ny ampahany inona ao amin’ilay sambo no tena ilaina mba hanampiana ireo tantsambo ho tonga any amin’ny toeran-kalehany.

Alaovy sary an-tsaina hoe ny dianao eo amin’ny fiainana dia mitovy amin’ny sambo mandeha eo ambonin’ny ranomasimbe. Inona no zavatra sasantsasany azonao ampitahaina amin’ny familiana na familian-tsambo izay mitarika ilay sambo mandritra ny dia?

Hevero ny hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra.

Nanome ny mety ho valiny ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ireo fitsipiky ny filazantsara ho ahy sy ho anao dia toy ny familiana ho an’ny sambo iray. Ireo fitsipika marina dia manome fahafahana antsika hahita ny lalantsika sy hijoro ho mafy orina sy tsy ho azo hozongozonina mba tsy hampitongilangilana antsika ka hianjera ao anatin’ny tafiotry ny haizina sy ny fisafotofotoana amin’izao andro farany izao. (David A. Bednar, “Ireo fitsipiky ny filazantsarako,” Liahona, mey 2021, 126)

  • Ahoana ny mety hitovian’ny fitsipiky ny filazantsara amina familiana na familian-tsambo?

  • Raha jerena amin’ny alalan’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10, dia hatraiza ahoana ny fahatokianao tena fa afaka mamantatra fitsipika marina avy ao amin’ny soratra masina sy mampiasa azy ireny hitarika ny fiainanao ianao? Nahoana?

  • Inona no nataonao taloha ka nanampy anao hahita fitsipika tao amin’ny soratra masina?

Henoy tsara ny valintenin’ny mpianatra. Hevero ny hanoratra ny zavatra lazain’izy ireo eny amin’ny solaitrabe mba hanampy ny mpiara-mianatra amin’izy ireo.

Raha tianao ny hamerina mijery ny fomba famantarana fitsipika, dia hevero ny hamerina hijery ireto lesona manaraka ireto: “2 Nefia 1” sy ny “Jakoba 4.”

Makà fotoana hisaintsainana fitsipika vao haingana hitanao nandritra ny seminera na ny fandalinanao manokana ny soratra masina.

  • Inona no fitsipika hitanao? Inona no fitahiana nentin’izany fitsipika izany teo amin’ny fiainanao?

Hevero ny hanasa mpianatra maromaro hizara. Mihainoa tsara mba hanombanana ny fahaizan’izy ireo mamantatra fitsipika sy ny fomba mety hahafahanao manampy azy ireo hampitombo ny fahaizan’izy ireo mandritra ity lesona ity. Mitadiava fomba hiarahabana azy ireo koa noho ny fandalinana ataon’izy ireo ary amporisiho hanohy izy ireo.

Mamantatra ireo fitsipiky ny filazantsara

Ireo bokin’i Jarôma sy i Ômnia dia ahitana ireo zavatra farany nosoratana tao amin’ny takelaka kelin’i Nefia ary ahitana fitsipika maro izay afaka mitahy ny fiainantsika. Nandray ireo takelaka avy tamin’i Enôsa rainy i Jarôma ary nanao rakitsoratra mikasika ireo ady mafy natrehan’ny Nefita sy ireo fitahiana azon’izy ireo tao anatin’ny fotoana 40 taona eo ho eo. Ary taorian’izay dia nomeny an’i Ômnia zanany lahy ireo takelaka. Ny bokin’i Ômnia dia mirakitra ny zavatra nosoratan’ny mpitana rakitsoratra Nefita dimy samy hafa ary mahafaoka eo amin’ny 190 taona eo ho eo.

Farito hoe inona no tsara indrindra mba hahazoan’ny mpianatrao traikefa manan-danja amin’ny famantarana fitsipiky ny filazantsara. Azon’ny mpianatra atao ny miasa tsirairay na zaraina ho vondrona kely izy ireo ary hiaraka hiasa hamantatra fitsipika ao amina toko sy andinin-tsoratra iray na maromaro.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary ampiharo ny famantarana fitsipiky ny filazantsara izay azonao ampiasaina eo amin’ny fiainanao. Mety hisy fitsipika maromaro ao anatin’ny andian’andininy tsirairay. Mitadiava iray farafahakeliny avy ao amin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay.

  1. Jarôma 1:3–4

  2. Jarôma 1:5–9

  3. Jarôma 1:10–12

  4. Ômnia 1:12–16

  5. Ômnia 1:25–26

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fitsipika hitan’izy ireo.

Manolotra ny tenanao ho an’ny Mpamonjy sy ny asany

Aorian’ny fahitana fitsipika iray, dia zava-dehibe ny maka fotoana hisaintsainana ny dikany sy ny fomba hahafahan’izany hihatra eo amin’ny fiainanao. Ohatra, ao amin’ny Ômnia 1:26 dia mety nahita ity fitsipika manaraka ity ianao: Raha manatona an’i Kristy isika ka manolotra Azy ny fanahintsika manontolo, dia hovonjena isika.

  • Inona avy ireo fomba azonao katsahina mba hahatakarana sy hampiharana tsara kokoa io fitsipika io?

Hevitra iray ity manaraka ity:

Mety hanampy raha ampitahaina amin-javatra azonao omena ny hafa eo amin’ny fiainana andavanandro io fitsipika io.

  • Inona no mety ho azonao omena ny olona iray hafa?

  • Misy lafiny ve hoe mety ho ampahany amin’ny zavatra azonao omena ihany no homenao? Nahoana?

  • Rahoviana ianao no mety hanolotra izay rehetra azonao omena? Nahoana?

  • Ahoana no mety hiantefan’izany eo amin’ny fanolorantsika ny fanahintsika manontolo ho an’i Jesoa Kristy?

Rehefa mihaino ny valintenin’ny mpianatrao ianao, dia mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto: Manao ahoana izany hoe manolotra ny fanahinao manontolo ho an’i Jesoa Kristy izany araka ny eritreritrao? Inona no mety mihazona ny olona tsy hanokana tanteraka ny tenan’izy ireo ho an’i Jesoa Kristy?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manolotra ny fanahinao manontolo ho an’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no angatahin’ny Tompo hanome Azy ny fanahintsika manontolo isika?

  • Iza no fantatrao hoe ohatra tsara amin’ny olona izay miezaka manome ny fanahiny manontolo ho an’i Jesoa Kristy? Inona no fitahiana azon’izy ireo noho ny fanaovana izany?

ChurchofJesusChrist.org

Hevero ny hanao sarina faribolana izay maneho ny fiainanao. Ataovy miloko matroka ny ampahan’ilay faribolana izay tsapanao fa maneho indrindra ny habetsahan’ny fanomezanao ny tenanao ho an’ny Tompo amin’izao fotoana izao. Makà fotoana hisaintsainana ny mety hahafahanao manome feno kokoa ny fanahinao manontolo an’i Jesoa Kristy. Manorata fomba iray na roa hikatsahanao ny hanao izany sy ny mety hitondran’izany tombony soa eo amin’ny fiainanao.

Mahatakatra sy mampihatra fitsipika

Tadidio ireo fitsipika hitanao tany aloha avy tao amin’i Jarôma sy i Omnia.

  • Inona amin’ireo fitsipika hitanao no manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

  • Ahoana no ahafahanao mahatakatra sy mampihatra tsara kokoa io fitsipika io?

  • Ahoana no ahafahan’ny fiainana io fitsipika io manampy mba hamiliana tsara kokoa ny fiainanao mankany amin’i Jesoa Kristy?

Hamoaka printy