Seminera
Enôsa: Afaka mitondra famelana ny fahotana ny finoana an’i Jesoa Kristy


“Enôsa: Afaka mitondra famelana ny fahotana ny finoana an’i Jesoa Kristy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Enôsa,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Enôsa

Afaka mitondra famelana ny fahotana ny finoana an’i Jesoa Kristy

Sary
I Enôsa mivavaka

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe ahoana no handraisana famelana ny fahotanao? I Enôsa, ilay zanak’i Jakoba sy zafikelin’i Lehia, dia“nahery nivavaka” tamin’ Andriamanitra (Enôsa 1:4) mba hamelana ny fahotany. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy hibebaka mba handray famelana.

Vavaka. Ao anatin’ny fiomanana hampianatra lesona, hevero ny hivavaka amin’ny Ray any An-danitra ka hangataka Aminy mba hanampy ny mpianatrao. Mety indrindra ny mivavaka mba hahafantaran’izy ireo ny zavatra atao mba hanamafisana orina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy hanampy azy ireo hihaino fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Enôsa 1:1–8 alohan’ny fotoam-pianarana ka hisaintsaina ny fahatsapan’i Enôsa sy ny zavatra nianarany momba ny Tompo sy ny namelana ny helony. Hevero ny hangataka ny mpianatra hisaintsaina ny fomba heverin’izy ireo fa mety ho nanovan’io zavatra niainana io ny fiainan’i Enôsa.

Sahanasa fianarana azo atao

Mieritreritra momba ny dikan’ny famelan-keloka aminao

Hevero ny hanao ity sahanasa manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hiomana hianatra momba an’i Enôsa sy ny famelan-keloka.

Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana iray izay manontany anao momba ny fibebahana sy famelan-keloka ianao. Hevero ny mety hamalianao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahalalanao raha toa ka mila avela heloka amin’ny zavatra iray ianao?

  • Ahoana no ahafahanao mandray famelana ny fahotanao?

  • Ahoana no ahafahan’ny olona iray mahafantatra raha voavela izy aorian’ny fiezahany nibebaka?

Saintsaino ny zavatra mety holazainao amin’ny namanao. Eritrereto ny zavatra fantatrao sy ny zavatra niainanao tamin’ny fitadiavana famelan-keloka ary koa ny zavatra mety ho tianao ho fantatra kokoa.

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra mety holazain’izy ireo.

Rehefa mandalina ny tantaran’i Enôsa ao amin’ity lesona ity ianao, dia tadiavo ny zavatra nataony hahazoana famelana ny fahotany sy ny fomba mety hiharan’izany amin’ny fiainanao.

Ny famelan-keloka dia manomboka amin’ny fifandraisana lalina eo aminao sy Andriamanitra

I Enôsa, ilay zanak’i Jakoba sy zafikelin’i Lehia, dia “nahery nivavaka” tamin’ Andriamanitra mba hamelana ny fahotany.

Jereo ny Enôsa 1:1–8 ary mariho ny teny na andian-teny izay manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fomba ikatsahana sy ahazoana famelan-keloka.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo andian-teny izay nanan-danja tamin’izy ireo.

Mety ho fahaiza-mandalina soratra masina tena ilaina ny maka fotoana hisaintsainana andian-teny manan-danja. Izany dia mamela ny Fanahy Masina hitaona anao ho amina fahatakarana lehibe kokoa. Heontina misaintsaina dia azonao atao ny mieritreritra ny dikan’ny andian-teny iray ary mijery ny teny rehetra tianao ho takatra kokoa ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Azonao atao ny misaintsaina ny antony nampiasan’i Enôsa andian-teny iray sy raha efa niaina zavatra nitovitovy tamin’izany ianao.

Misafidiana vitsivitsy amin’ireto andian-teny manaraka ireto na hafa hitanao ary makà fotoana hisaintsainana ny zavatra azonao ianarana avy amin’izany.

Hevero ny hampiditra izay safidinao amin’ireto andian-teny manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe. Rehefa mizara ireo andian-teny ireo ny mpianatrao dia azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ny hoe “Inona araka ny eritreritrao no mety ho tian’i Enôsa nolazaina amin’ilay andian-teny hoe -mosarena ny fanahiko-?” “Ahoana no hoe mety hahatonga ny fanahin’ny olona iray ho mosarena ny fisaintsainana ireo fampianarana momba ny fiainana mandrakizay sy ny fifalian’ny sy Olomasina?” “Fa nahoana ny fahotana no mahatonga antsika hahatsapa fahabangana ara-panahy?” “Nahoana ny hoe tolona no voambolana tsara hamaritana ny ezaka ataontsika mba hibebahana?”

Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa sy hanasa azy ireo hizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Azon’izy ireo atao ny miara-mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy no teny sy andian-teny nanan-danja taminao? Nahoana?

  • Inona no zavatra nianaranao rehefa nisaintsaina ireo andian-teny ireo ianao?

  • Inona no tsapanao fa ampianarin’ Andriamanitra anao avy amin’ny zavatra niainan’i Enôsa?

Raha tao anatina vondrona kely no namalian’ny mpianatra ireo fanontaniana ireo, dia manasà mpianatra maromaro hizara amin’ny kilasy ny zavatra nianaran’izy ireo na ny zavatra tian’izy ireo tamin’ny zavatra henon’izy ireo tamin’ny naman’izy ireo. Rehefa mizara fitsipika marina izy ireo, dia hevero ny hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe.

Raha sahirana ny mpianatra mizara fahamarinana, dia hevero ny hametraka fanontaniana toy ity manaraka ity: “Inona no antony nomen’i Enôsa fa namafana ny hadisoany?” “Inona no nianaran’i Enôsa avy amin’ny Tompo momba ny antony namelana ny fahotany?”

Fitsipika manan-danja iray ianarantsika amin’i Enôsa ny hoe rehefa mibebaka sy mampiasa ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika, dia afaka ny ho voavela amin’ny fahotantsika sy afaka ny hositranina isika. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io ao amin’ny diary fandalinanao.

Vakio ity fanambarana avy amin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity.

Rehefa avy nibebaka marina isika, dia hanala ny vesatry ny fahamelohana noho ny fahotantsika i Kristy. Ny tenantsika ihany dia afaka mahalala fa voavela heloka sy voadio isika. Hanamarina izany amintsika ny Fanahy Masina; Izy no Mpanamasina. Tsy misy fijoroana ho vavolombelona momba ny famelan-keloka lehibe noho izany. (Dieter F. Uchtdorf, “Point of Safe Return,” Ensign na Liahona, May 2007, 101)

Raha nosoratan’ny mpianatra tao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ilay fitsipika, dia hevero ny hanasa azy ireo hanisy faribolana ny ampahany tian’izy ireo ho takatra kokoa amin’ilay fitsipika. Avy eo dia angataho izy ireo hizara izay zavatra nasian’izy ireo faribolana. Angataho ny mpianatra hizara ny zavatra fantatr’izy ireo ka mety hanampy ny mpiara-mianatra aminy . Azon’izy ireo atao ny mampiasa soratra masina, zavatra niainana, na fanambarana avy amina mpitarika ato amin’ny Fiangonana mba hanampy. Mety hilaina ihany koa ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny eritreritrao no hitranga raha misy olona iray miezaka mikatsaka famelan-keloka nefa tsy mibebaka na mampiasa finoana an’i Jesoa Kristy? Nahoana?

  • Inona avy no fomba sasantsasany niezahan’i Enôsa nibebaka sy nampiasa finoana an’i Jesoa Kristy?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe nositranina?

Mety hilaina ny mahafantatra hoe fanontaniana inona avy ao amin’ilay toe-javatra any am-piandohan’ny lesona no azonao valiana amin’ny alalan’ny fampiasana ny tantaran’i Enôsa.

Afaka manana traikefa tahaka an’i Enôsa isika ankehitriny

Ny ankamaroan’ny olona dia tsy mahazo famelan-keloka eo noho eo na amin’ny fomba miavaka toy ny an’i Enôsa. Na izany aza, rehefa mikatsaka ny hampiasa finoana an’i Jesoa Kristy sy hibebaka toy ny nataon’i Enôsa isika, dia afaka ny hahazo famelan-keloka sy hositranina.

Ampio ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa finoana an’i Jesoa Kristy sy mibebaka. Azonao atao ny mampiseho ireto hevitra ireto na ny hafa tonga ao an-tsainao mba hanampiana ny mpianatra.

  • Saintsaino ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy sy ny faniriany hamela sy hanampy anao. Inona no tsapanao fa tiany hataonao mba hampiharana finoana Azy sy hibebahana?

  • Eritrereto ny fotoana farany nahatsapanao ho nampiasanao finoana an’i Jesoa Kristy sy nibebahanao. Vao haingana ve no nisehoan’izany? Nahoana, na nahoana no tsia?

  • Hevero ny hanomana fotoana iray hivavahana omban’ny finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy. Ahoana no mety handraisanao an-tanana ny vavakao amin’ny fomba hafa noho ny mahazatra anao? Ahoana no ahafahanao maneho fa maniry famelan-keloka avy amin’ny Tompo mitovitovy amin’i Enôsa ianao?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara fahatsapana sy fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’i Enôsa. Hevero ny hizara ihany koa ny eritreritrao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Hamoaka printy