Seminera
Môzià 2:19–41: “Tahiana amin’ny zava-drehetra”


“Môzià 2:19–41: ‘Tahiana amin’ny zava-drehetra,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 2:19–41,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 2:19–41

“Tahiana amin’ny zava-drehetra”

Sary
zatovo mihomehy

Vonona ny hanao inona ianao mba hahazoana fahasambarana tsy manam-pahataperana? Nanasa ny olony ny Mpanjaka Benjamina hikatsaka fahasambarana amin’ny alalan’ny fiainana sy fanokanan-tena marina ho an’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hikatsaka “ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra” (Môzià 2:41).

Mamorona tontolom-pianarana mavitrika. Ny fanampiana ireo mpianatra ho lasa mpandray anjara mavitrika amin’ny fizotry ny fianarana dia afaka manampy azy ireo hianatra handalina bebe kokoa. Hevero ny hampiasana standy samihafa mba hahafahana mizara votoatiny betsaka sy hahahafahan’ny mpianatra handray an-tanana ny fianarany manokana. Rehefa mifidy sy mifindrafindra amin’ireo standy ny mpianatra dia jereo izay mila fanampiana manokana. Makà antoka mba ho ampiasaina amim-pahombiazana ny fotoam-pianarana.

Fanomanana ny mpianatra: Azo asaina hanohy ity fanambarana manaraka ity ny mpianatra sy hiomana hifanakalo hevitra amin’ny valintenin’izy ireo: “Ny fahasambarana marina sy maharitra dia azo amin’ny alalan’ny …”

Sahanasa fianarana azo atao

Isao ireo fitahiana

Hirao na vakio ny tonon’ilay hoe “Isao ireo fitahiana” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, no. 16), na jereo ity horonan-tsary manaraka ity. Eritrereto ny tonony sy ny fifandraisan’izany amin’ny fiainanao.

Azon’ny mpianatra atao ny mamorona lisitr’ireo fitahiana azon’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo samirery na eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny iray kilasy. Asao izy ireo hizara ny zavatra tsikariny na nianarany avy amin’ny fanaovana lisitr’ireo fitahiana.

Rehefa nampianatra mikasika ny asa fanompoana ny Mpanjaka Benjamina dia nanasa ireo Nefita izy hieritreritra ny fomba hikatsahan’izy ireo sy handraisany ireo fitahian’ny Ray any An-danitra. Rehefa mandalina ianao anio, dia saintsaino ny fomba efa nitahian’ny Tompo anao rehefa miezaka mitandrina ny didiny ianao.

Saintsaino ny hizarana ireo mpianatra ho vondrona misy olona telo. Omeo ny vondrona tsirairay ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba ho saintsainina eo am-pamakian’izy ireo ireto andininy manaraka ireto miaraka amin’ny vondrona misy azy? Avy eo dia asao izy ireo hifanakalo hevitra miaraka amin’ny vondrona momba ny zavatra izay hitan’izy ireo.

Vakio ny Môzià 2 :19–25, ka tadiavo ireo valinteny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’Andriamanitra ireo Nefita? Hevero ny hanamarika izay rehetra fitahiana itovianao amin’izy ireo.

  • Inona no ataon’ ny Ray any an-danitra rehefa mankatò ireo didiny isika? Manao ahoana no hafaingainana hanaovany izany?

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao mikasika an’ Andriamanitra?

Rehefa avy nanampy ny Nefita hamantatra ireo fitahiana azon’izy ireo i Benjamina Mpanjaka, dia nanambara fa ny zanany lahy Môzià no ho mpanjaka vaovaon’izy ireo. Nampahatsiahiviny azy ireo ny fomba maro mety hahaverezan’ny olona ny fitahiana azon’izy ireo amin’ny alalan’ny fifandirana, fandikan-dalàna, fikomiana, ary fandikana ny didin’ Andriamanitra. Nampianatra ny vokatra mandrakizain’ireny fihetsika ireny ihany koa izy ary nanome fampanantenana an’ireo izay mitandrina ny didy. (Jereo ny Môzià 2:29–40.)

Voatahy sy sambatra

Vakio ny Môzià 2:41, hitadiavana fampanantenana iray nomen’i Benjamina Mpanjaka.

Ny Môzià2:41 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-javatra iray.

  • Ahoana no mety hahafahanao mamintina ny andininy 41 ho fitsipi-pahamarinana iray?

Iray amin’ireo fampanantenana natao ao amin’ny Môzià 2:41 ny hoe raha mitandrina ny didin’ Andriamanitra isika, dia hitahy antsika ara-nofo sy ara-panahy Andriamanitra. Na izany aza, misy betsaka kokoa azontsika ianarana avy amin’io andininy io amin’ny alalan’ny fandalinana mitsitokantokana ny andianteny tsirairay.

Ny fitahiana ara-nofo dia mety hahitana ireo zavatra toy ny fahasalamana ara-batana, ny firoboroboana, na fitahiana hafa mifandray amin’ny fiainana an-tany. Ny fitahiana ara-panahy dia zavatra izay maharitra mandrakizay. Izy ireny dia ahitana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ny fianakaviantsika, ny famelan-keloka amin’ny ota, ny tari-dalana avy amin’ny Fanahy Masina, sy ny sisa.

Ireto sahanasa manaraka ireto dia azo zaraina ho fiantsonana fianarana. Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ilay taratasy zaraina nomena mba hifandimbiasana amin’ilay sahanasa samirery na anatina vondrona kely. Hevero ny hamita ny sahanasa A miaraka amin’ny iray kilasy mba hanomezana môdely ny zavatra andrasana amin’ny mpianatra.

Ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didy

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—“Môsià 2:19–41: -Tahiana amin’ny zava-drehetra-”

Sahanasa A

“”Saintsaino ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Izy ireo dia tahiana amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy.”;

Jereo ilay lisitr’ireo fitahiana izay noforonianao tany am-piandohan’ity lesona ity. Ampio fitahiana fanampiny izay mety ho tonga ao an-tsainao. Tsipiho eo ambanin’ireo fitahiana izay ara-nofo kokoa ary asio faribolana ireo fitahiana izay ara-panahy kokoa. Mety ho tsapanao fa ny sasany dia mety amin’ireo sokajy roa.

  • Inona no porofo hitanao eo amin’ny fiainanao fa marina io fanambarana avy ao amin’ny Môzià 2:41 io?

  • Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21. Inona no ianaranao momba ny fifandraisana misy eo amin’ny fitandremana ireo didy sy fahazoana ireo fitahian’ Andriamanitra? Azonao atao ny mampifandray na mampifandrohy io andinin-tsoratra masina io amin’ny Môzià 2:41.

  • Nahoana araka ny hevitrao no sady mitahy antsika ara-nofo ny Ray any An-danitra no mitahy antsika ara-panahy? Inona no ampianarin’izany anao momba Azy?


Sahanasa B

“Raha mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany izy ireo dia raisina any an-danitra, fa amin’izany no hahazoany miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.”

Soraty eo afovoan’ny pejy tsy misy n’inona n’inona iray ao amin’ny diary fandalinanao io fanambarana io, ka mamelà toerana manodidina izany hasiana fanamarihana. Asio faribolana ireo teny anadian-teny izay manan-danja aminao ao anatin’ny fanambarana. Mametaha taboikan-teny amin’ny teny na andianteny voaisy faribolana tsirairay, ary manorata famaritana iray, na andalan-tsoratra masina mifandray amin’izany, na hevi-baovao hafa mety hanananao.

Ohatra, raha nasianao faribolana ny andianteny hoe “raisina any an-danitra,” ny taboikan-teny mifandray aminy dia mety hahitana zavatra toy ny hoe “Ny hoe raisina dia milaza hoe misy olona iray miandry na manantena ahy. Nampianatra i Jesoa fa handeha hamboatra fitoerana ho antsika an-danitra Izy ary avy eo dia handray antsika any (jereo ny Jaona 14:2–3). Ireo ray aman-dreniko any an-danitra sy i Jesoa Kristy dia any ary handray ahy raha mitoetra ho mahatoky aho.”

Mamenoa taboikan-teny iray isaky ny teny na andianteny asianao faribolana. Tandremo tsara ireo fanontaniana na fahatsapana tonga ao an-tsainao.

  • Inona avy ireo hevi-baovao azonao nandritra ny fanaovana io sahanasa io?

  • Ahoana no ahafahan’ireo hevitra ireo manampy anao eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao?


Sahanasa D

“Ô tsarovy, tsarovy fa ireo zavatra ireo dia marina; fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany.”

  • Inona avy no zavatra sasantsasany izay mora tadidiana? Inona avy no zavatra sasantsasany izay sarotra tadidiana kokoa?

Tsarovy ny zavatra nianaranao momba an’ Andriamanitra tamin’ny fandalinanao ny Môzià 2. Vakio ny Môzià 2:22, ka mitadiava fahamarinana mandrakizay momba momba an’Andriamanitra.

  • Inona no fantatrao momba an’ Andriamanitra ka afaka manampy anao hatoky ireo fampanantenany sy hitandrina ireo didiny?

  • Inona no azonao atao mba hotsaroanao io momba Azy?

Farano ny lesona amin’ny fanasana ireo mpianatra hifampiresaka ny zavatra tsapan’izy ireo sy nianarany rehefa nandalina. Amporisiho izy ireo hikatsaka ireo fitahian’ny Tompo amin’ny alalan’ny fankatoavana sy fibebahana mahatoky.

Hamoaka printy