Seminera
Môzià 7–8: Ny mpaminanin’ny Tompo amin’ny maha-mpahita azy ireo


“Môzià 7–8: Ny mpaminanin’ny Tompo amin’ny maha-mpahita azy ireo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 7–8,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 7–8

Ny mpaminanin’ny Tompo amin’ny maha-mpahita azy ireo

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Tena mitovy amin’ny Mpamonjy hoe manana anaram-boninahitra izay mampianatra antsika momba Azy, ireo mpanompon’ny Tompo koa dia manana anarana izay manampy antsika hahatakatra ny anjara asan’izy ireo ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Rehefa nangataka fanampiana tamin’ny asa iray izay tsy hainy natao i Limia Mpanjaka, dia natoron’ny lehilahy iray nantsoina hoe Amôna ny mpaminany izy. Nazavain’i Amôna ny mpanjaka ihany koa ireo fahamarinana manan-danja mikasika ny andraikitry ny mpaminany, mpahita sy mpanambara. Afaka manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny mpaminany izay mpahita eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ihany koa ity lesona ity.

Mijoro ho vavolombelona momba ireo mpaminany velona. Mikatsaha lala-misokatra hizarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny tenin’ny mpaminany velona. Ny Loholona Dean M. Davies (1951–2021) izay tao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe: “Ny fihainoana sy fanarahana ireo mpaminany velona dia hitondra fiantraikany lalina eo amin’ny fiainantsika sy hanova ny fiainantsika mihitsy aza. Mahazo tanjaka isika. Manana fahasahiana sy matoky ny Tompo kokoa isika. Madre ny tenin’ny Tompo isika” (“Andao hihaino ny feon’ny mpaminany,” Liahona, nôv. 2018, 36).

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra mikasika ny fomba mety ho avalin’izy ireo raha toa misy olona manontany hoe fa nahoana izy ireo no mino ireo mpaminany.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanontaniana mikasika ny mpaminany

Hevero ny hanasa ny mpianatra hilalao an-tsehatra hamaly ireto fanontaniana telo voalohany manaraka ireto. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mamaly ny fahefatra raha mahatsapa ho mahazo aina manao izany izy ireo.

Alaovy sary an-tsaina hoe misy olona iray fantatrao nahafantatra fa mino ny mpaminany maoderina ianao. Manatona anao izy ireo ary manontany izao manaraka izao:

  • Naheno aho fa manana mpaminany ny fiangonanareo. Inona ny zavatra ataony?”

  • Nahoana isika no mbola mila mpaminany velona ankehitriny?

  • Novakiako tamin’ny internet fa nandika boky taloha be i Joseph Smith. Efa nisy mpaminany taloha na maoderina nanao izany ve?

  • Inona ny zavatra inoanao momba ny mpaminany?

Mety hanampy ny manontany an’ireo mpianatra raha toa ka manana fanontaniana mikasika ny mpaminany izy ireo. Hevero ny hanoratra ny fanontanian’izyireo eny amin’ny solaitrabe.

Ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana fampianarana maro momba ny mpaminany, ao anatin’izany ny fomba ampiasan’ny Ray any An-danitra azy ireo hanampy antsika. Rehefa mandalina ianao dia saintsaino ireo fanontaniana eo ambony ary katsaho ny hanamafy orina ny fijoroanao ho vavolobelona momba ny mpaminany. Tadiavo ihany koa ny valin’ireo fanontaniana hafa izay anananao momba ny mpaminany.

Dia telo

Hevero ny haneho ireto sary ireto st hanazava ity fampahalalana manaraka ity. (Mety ho azonao atao ny mandika ilay sary eny amin’ny solaitrabe ary mamela izany ho eny hojerena mandritra ny fotoam-pianarana vitsivitsy manaraka.) Na, azonao atao ny manome ny mpianatra ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ireto andiam-pehezan-teny roa manaraka ireto sy manasa azy ireo hamaky ireo andininy ka hamintina ny zavatra nianaran’izy ireo.

Sary
Sary fanehoana ny dian’ireo Nefita izay nitaky ny tanin’i Nefia

Tamin’ny fotoana naha-mpanjaka ny rain’i Benjamina Mpanjaka (Môzià), dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Zenifa nandao an’i Zarahemlà niaraka tamina vondron’olona mba hitaky ny tanin’i Nefia (jereo ny Môzià 9:3–4). Tsy nandrenesana na inona na inona nandritra ny taona maro ny vondron’i Zenifa, noho izany ny mpanjaka manaraka, i Môzià (Zanakalahin’i Benjamina Mpanjaka) dia nandefa vondrona notarihin’i Amôna mba hikaroka azy ireo (jereo ny Môzià 7:1–3). Hitan’izy ireo ny vahoakan’i Zenifa izay notarihin’ny zafikelin’i Zenifa, dia i Limia Mpanjaka. Ny vahoakan’i Limia dia nandevozin’ny Lamanita “noho ny helok’[izy ireo]” (Môzià 7:20).

Nilaza tamin’i Amôna i Limia Mpanjaka fa nandefa ekipa mpikaroka hitady an’i Zarahemlà izy, saingy tsy nahomby izy ireo. Vakoka avy any amin’ny tany mankany avaratra no nentin’izy ireo nody, tao anatin’izany ny rakitsoratra iray voasoratra tamina takela-bolamena 24 (jereo ny Môzià 8:7–9). Nantenain’i Limia Mpanjaka fa afaka mandika teny na mahalala olona afaka manao izany i Amôna (jereo ny Môzià 8:6, 11–12).

Vakio ny Môzià 8:13–14, hitadiavana ny olona nolazain’i Amôna fa afaka mandika ilay rakitsoratra sy ny anton’izany.

  • Inona no hitanao?

Mety hanampy ny fahafantarana fa i Môzià sy i Joseph Smith dia samy nanana fitaovana manokana nantsoina hoe Orima sy Tomima nomanin’ Andriamanitra hanampiana azy ireo handika rakitsoratra fahiny. (Jereo ny Môzià 28:13–14; Joseph Smith—Tantara 1:35. Raha te hahalala misimisy kokoa ianao dia jereo ny “Orima sy Tomima” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.)

Ny anjara asan’ny mpahita

Vakio ny Môzià 8:15–18 mba hianarana ny hoe inona izany mpahita izany sy ny antony nanomezan’ny Ray any An-danitra mpahita antsika.

  • Inona no nianaranao?

Mety hanampy ny fanasana ny mpianatra ho eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra fahamarinana betsaka arak’izay hitan’izy ireo. Raha manoratra fanambarana iray izay tsy marina loatra ny mpianatra, dia ampio izy ireo hanitsy ilay fanambarana mba hanaovana izay hahamarina izany. Ny fanaovana izany dia afaka manampy ny mpianatra hamerina hijery ny fandinihan’izy ireo manokana sy hanazava ny zavatra ianaran’izy ireo. Fahamarinana iray asehon’io tantara io ny hoe manome mpaminany sy mpahita ary mpanambara ny Tompo mba hahasoa ny olombelona. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ireo teny na andianteny izay mampianatra io fahamarinana io na hanoratra io fahamarinana io eo akaikin’ireo andininy izay mampianatra izany.

Ny Torolalalana ho an’ny Soratra Masina dia manazava ny anjara asan’ny mpahita ho toy izao manaraka izao:

Olona iray izay omen’ Andriamanitra alalana hahita amina maso ara-panahy ireo zavatra izay nafenin’ Andriamanitra tamin’izao tontolo izao (Mosesy 6:35–38). Mpanambara sy mpaminany izy (Môzià 8:13–16). Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Amôna dia nampianatra fa ny mpahita irery ihany no afaka mampiasa mpandika teny manokana, na ny Orima sy Tomima (Môzià 8:13; 28:16). Mahafantatra ny zavatra lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy ny mpahita. Fahiny, matetika no nantsoina hoe mpahita ny mpaminany (1 Sam. 9:9; 2 Sam. 24:11).

I Joseph Smith dia ilay mpahita lehiben’ny andro farany (F&F 21:1; 135:3). Ho fanampin’izany, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Roambinifololahy dia tohanana ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mpahita,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona no nianaranao momba ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny maha mpahita azy?

  • Inona araka ny eritreritrao no antony hanomezan’ Andriamanitra ireny fahaiza-manao ireny an’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo?

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra anao ny fisian’ny mpaminany, mpahita ary mpanambara?

Ny lanjan’ny mpahita amin’izao androntsika izao

Inona no sahanasa fianarana afaka manampy ny mpianatrao hampitombo ny finoan’izy ireo fa ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mpaminany, mpahita ary mpanambara? Ireto misy hevitra vitsivitsy. Misafidiana iray na maromaro, na koa afaka mizara ohatra izay hitanao ianao. Azon’ny mpianatra atao ny miasa irery na miaraka amina mpiara-mianatra iray.

  • Mieritrereta toe-java-misy telo farafahakeliny izay ahafahana mahafantatra fa ireo mpaminanin’ny Ray any An-danitra manampy anao hitoetra ho mahatoky amin’ny Tompo dia mpahita. Raketo an-tsoratra ireo toe-java-misy ireo.

  • Mandalìna lahateny vao haingana natao tamina fihaonambe maneran-tany avy amina mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Mandraketa ohatra izay maneho fa mpahita izy ireo.

  • Asao hamaky ny “Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” hita eo aloha amin’ny kiboky Ho zatovo mahery! (2022, 2) ny mpianatra. Raketo an-tsoratra ny fomba eritreretinao anehoan’io hafatra io sy ireo fenitra tafiditra ao amin’io bokikely io fa mpahita ny mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

  • Raketo an-tsoratra ireo tombontsoa niainanao na ny fianakavianao avy amin’ny fanarahana ireo mpahita.

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany sy nomaniny.

Mety hanampy ny fahafantarana fa i Môzià Mpanjaka dia tena nandika ireo rakitsoratra (jereo ny Môzià 28:11–19). Ho afaka hamaky ampahany amin’ireo rakitsoratra ireo ianao rehefa mandalina ny bokin’i Etera.

Na dia talohan’ny nandikana ireo rakitsoratra aza, i Limia Mpanjaka dia niharan’ny fahalalana fa afaka mandika teny i Môzià Mpanjaka. Vakio ny Môzià 8:19–20, hitadiavana ny fihetsika nasetrin’i Limia Mpanjaka rehefa nahalala izy fa miantso mpaminany, mpahita, ary mpanambara Andriamanitra.

  • Ahoana no niantraikan’ny fahazoana io fahalalana io tamin’i Limia?

Saintsaino ny fahatsapanao momba ny nanomezan’ny Ray any An-danitra mpaminany, mpahita ary mpanambara mba hitari-dalana antsika ankehitriny. Azonao raketina ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ireo mpaminany sy ny fomba nitahian’izy ireo ny fiainanao.

Hamoaka printy