Seminera
Môzià 5:1–5: Tsy manana faniriana hanao ratsy intsony


“Môzià 5:1–5: Tsy manana faniriana hanao ratsy intsony,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môzià 5:1–5,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môzià 5:1–5

Tsy manana faniriana hanao ratsy intsony

Sary
Miresaka amin’ny vahoakany i Benjamina Mpanjaka

Amin’ny fotoana sasany, mety hahatsapa ho mila manao fanovana na manatsara zavatra iray izay ataontsika isika. Nahatsapa izany ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka rehefa avy nihaino azy niresaka momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra namonjeny antsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampitombo ny fanirianao hiova na hanohy hiova miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

Manao zavatra eo anatrehan’ireo fampianaran’ny Mpamonjy. I Jesoa Kristy dia nampianatra fotopampianarana sy fitsipika marina mba hahafahan’ny fiainantsika miova ho tsara kokoa. Katsaho tsy tapaka ny lala-misokatra hanasana ny mpianatra hanao hetsika marina mahomby mifototra amin’ireo fampianarany. Mety ho samy hafa isaky ny mpianatra ny zavatra atao, saingy ny Fanahy Masina dia afaka manampy azy ireo hamantatra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanarahana ny Mpamonjy.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra ny zavatra mahatonga azy ireo ho te hanatona akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Tonga tahaka an’i Jesoa Kristy

Hevero ny hampiseho ireto sary manaraka ireto na hitondra vitsivitsy amin’ireo zavatra any am-pianarana raha misy. Avy eo dia mampiasà fanontaniana toy ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny fomba ahafahana mampitaha ny fiovan’ireo zavatra amin’ny fiovantsika sy ny fahatongavantsika kokoa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sary
goba kelin-dranomandry, rano, ary etona
Sary
saribao
  • Inona no mahatonga ny fiovan’ireo zavatra ireo?

  • Inona avy no antony iovan’ny olona?

  • Ahoana ny mety hitovitovian’ny fanovan’ny Tompo ny fontsika na ny mahasamihafa izany amin’ny fomba iovan’ireo zavatra ireo?

Hevero ny hampiseho ity teny ambara manaraka ity na hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hieritreritra ny hoe mihatra amin’ny tenany manao ahoana ilay teny ambara.

  • Tiako hanampy ahy hiova ho tsaratsara kokoa ny Tompo.

Asao handinika ny antony ahatsapan’izy ireo toy izany ny mpianatra. Mety hahitana fisaintsainana ireo fomba mety nanampian’ny Tompo azy ireo tany amin’ny lasa izany.

Rehefa mandalina ny Môzià 5 ianao, dia mitadiava antony mety hitadiavanao ny fanampian’ny Tompo mba hiova na hihatsara.

Miaina fiovan’ny fo

Rehefa tapitra ny fitenenan’i Benjamina Mpanjaka tamin’ny olony, dia niriany ho fantatra raha “nino ny teny izay efa nolazainy tamin[’izy ireo]” izy ireo (Môzià 5:1).

Vakio ny Môzià 5:1–5 mba hahitana ny fomba namalian’izy ireo. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny teny hoe fironana dia manondro ny firehan’ny olona iray, ny zavatra ironany. Azonao atao ihany koa ny mijery ilay horonan-tsary hoe “The People of King Benjamin Make a Covenant” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 1:37, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo andininy ireo tsara kokoa, dia azonao atao ny manasa azy ireo handika na hameno ity tabilao manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Na azon’ny mpianatra atao ny mamaky ireo andininy sy manisy marika ny zavatra hitan’izy ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Ohatra, azon’ny mpianatra atao ny manisy faribolana ireo teny na andian-teny izay manondro ny fomba niovan’ny olona ary manisy tsipika eo ambanin’ireo teny na andian-teny izay manondro ny zavatra nahatonga ny olona hiova.

Ny fomba niovan’ny olona

Ny zavatra nahatonga ny olona niova

Ny fomba niovan’ny olona

Ny zavatra nahatonga ny olona niova

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo. Asao hamintina ireo fitsipika nianaran’izy ireo ny mpianatra. Fomba iray ahafahan’izy ireo manao izany ity sahanasa manaraka ity.

Miainga amin’ny Môzià 5:1–5, fenoy ity andian-teny manaraka ity.

Rehefa miova amin’ny alalan’ny Fanahin’ny Tompo ny fontsika, dia …

Afaka mameno ilay fanambarana amina fomba samihafa ny mpianatra. Ny fomba azo anaovana izany dia ahitana ny hoe, Rehefa miova amin’ny alalan’ny Fanahin’ny Tompo ny fontsika, dia …

  • manary ny faniriana hanao ratsy ary mahazo faniriana hanao ny tsara lalandava isika.

  • mahatsapa fifaliana isika.

  • vonona hiditra amin’ny fanekempihavanana mba hankatò ireo didy isika.

Mety hanampy raha asaina hanao lisi-pitsipika eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra ary hirakitra an-tsoratra izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Ampiasao ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra sy hisaintsaina ny maha-zava-dehibe ireo fahamarinana hitan’izy ireo.

Zava-dehibe ny mahatakatra fa na dia tsy nanana “fironana hanao ratsy intsony” aza ny vahoakan’i Benjamina mpanjaka (Môzià 5:2), dia tsy midika izany fa tsy nanota intsony mihitsy izy ireo taty aoriana. Novain’ny Tompo kosa ny fon’izy ireo mba haniry amin-kitsimpo hanao ny tsara sy hisoroka ny fahotana.

  • Tahaka ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka, oviana ianao no nanana faniriana mafy “hanao soa lalandava”? Inona no nanampy anao hahatsapa toy izany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no maro amintsika no tsy mahatsapa toy izany amin’ny fotoana rehetra?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny olona iray mahatsapa toy izany matetika kokoa?

Mahatakatra ny fiovana

Hevero ny hanisy marika ao amin’ny Môzià 5:3 ny andian-teny hoe “amin’ny alalan’ny hatsaram-po tsisy fetra izay an’ Andriamanitra”. Mba hahatakarana marina ny fiovana izay nisy teo amin’ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka, dia mila takatsika ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy antsika hiova.

Nanazava toy izao ny Rahavavy Wendy W. Nelson:

Hevero ny hampiseho ity teny nambara manaraka ity sy hanasa ny mpianatra hitady teny na andian-teny izay manaitra azy ireo.

Sary
Ny Rahavavy Wendy W. Nelson

Ny Mpamonjy no mpitondra fanovana faratampony sy hany marina ary velona. Izy no loharanon’ny fiovana rehetra. … Hamoaka ny tsara indrindra ao aminao Izy rehefa mitodika Aminy ianao. Hamonjy izay rehetra tsara indrindra ao anatinao lalina tokoa Izy. …

… Tia anao Izy. Tiany ny ezaka ataonao mba hiovana.

Ny faniriany dia ny hiovanao, ny hanesorana tanteraka ny maha-olona araka ny nofo rehefa mandeha ny fotoana, ny hiovana fo, fiovana toetra. I Jesoa ilay Kristy dia nanao ny zavatra rehetra izay nataony mba hahafahanao miova! Izy no Mpamonjy anao sy Mpamonjy ahy!

Ary rehefa italahoantsika am-pahavitrihana tsy mitsahatra mba hihatra eo amin’ny fiainantsika ny herin’ny sorompanavotany tsy misy fetra, dia hitondra ilay fanovana katsahintsika fatratra ho eo amin’ny fiainantsika tsirairay ny fanasitranany faratampony. (Wendy W. Nelson, “Change: It’s Always a Possibility!” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 7 aprily, 1998], 10, speeches.byu.edu)

  • Araka ny voalazan’ny Rahavavy Nelson, inona no azon’i Jesoa Kristy atao mba hanampiana antsika hiova?

  • Inona no nianaranao momba ny anjara asanao amin’ny fiovana?

Asao hieritreritra olona iray fantatr’izy ireo fa niova tamin’ny alalan’ny fanampian’i Jesoa Kristy ny mpianatra. ChurchofJesusChrist.org Mety hanampy ihany koa raha mizara momba ny olona iray fantatrao fa niova ianao.

Avy eo dia ametraho fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto ny mpianatra:

  • Ahoana no nanampian’ny Tompo io olona io?

  • Inona no ezaka manokana nataon’io olona io mba hiovana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mitarika mankany amina fifaliana lehibe kokoa ireny fiovana ireny?

Mampaharitra tanteraka ilay fiovana

Ho famaranana ny fandalinanao, eritrereto ny fiainanao sy ny fandrosoanao mankany amin’ny fahatongavana tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’izao fotoana. Saintsaino ny zavatra tsapanao fa nampanaovin’ny Fanahy Masina anao vokatry ny zavatra nianaranao sy tsapanao.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa, amin’ny alalan’ny Fanahiny, ny Tompo dia hanampy ny mpianatra hiova sy ho tonga kokoa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy