Seminera
Môzià 26: “Raha miaiky ny fahotany … izy ary mibebaka”


“Môzià 26: -Raha miaiky ny fahotany … izy ary mibebaka,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 26,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 26

“Raha miaiky ny fahotany … izy ary mibebaka”

Sary
zatovo iray miresaka amin’ny evekany na ny filohan’ny sampana misy azy

Ahoana no ahafahan’ny fibebahana manampy antsika amin’ny fiainantsika isan’andro? Nahoana isika no mila miaiky ny fahotantsika ao anatin’ny fibebahantsika? Amin’ny maha-mpisorona avo azy tao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy, i Almà dia naniry ny hanampy ireo izay nanao fahotana goavana. Nanome azy tari-dalana mazava momba izay tokony hataony ny Tompo. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ny toetra be fitiavana sy mamela heloka ananan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny antony tokony hibebahantsika amin’ny fahotantsika.

Tiavo ireo izay ampianarinao. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, isika dia afaka ny hofenoina ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mivavaha mba ho afaka ny hofenoina io fitiavana io ho an’ny mpianatrao ianao ary mitadiava fahafahana hanehoana ny fitiavanao amin’ny fomba mety rehefa mampianatra ianao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hisaintsaina ireo fanontaniana ananan’izy ireo momba ny fibebahana ny mpianatra. Amporisiho izy ireo hamaky ny Môzià 26 hitadiavana valiny amin’izany fanontaniana izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no zavatra hataonao?

Alaivo sary an-tsaina hoe naheno olona milaza ireto fanontaniana sy ahiahy manaraka ireto momba ny fibebahana ianao:

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireto teny nambara sy fanontaniana manaraka ireto alohan’ny fotoam-pianarana.

  • Tsy azoko antoka hoe tena ilaina ny mibebaka.

  • Nahoana no tsy maintsy mibaboka ny fahotako aho? Fa maninona no tsy maintsy ibabohana amina mpitarika ao amin’ny fisoronana ny fahotana sasany?

  • Nanota be loatra aho ka tsy hamela ahy ny Tompo.

Ampio hisaintsaina ny fahatsapan’izy ireo momba ny fibebahana ny mpianatra. Fomba iray anaovana izany ity sahanasa manaraka ity.

Eritrereto vetivety raha mahalala olona izay mety hampifandray ny tenany amin’ireo ahiahy ireo ianao.

  • Inona avy no fanontaniana na ahiahy hafa mety hananan’ny olona iray momba ny fibebahana?

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe izay fanontaniana na ahiahy rehetra lazain’ny mpianatra.

Saintsaino hoe fanontaniana na ahiahy iray na roa inona amin’ireo no mety hanan-danja indrindra aminao ny hifantoka aminy rehefa mandalina ity lesona ity ianao. Mikatsaha tari-dàlana avy amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahita valiny sy hampitombo ny fahatakaranao ny fibebahana.

Olana ao amin’ny Fiangonana

Taorian’ny nanafahan’ny Tompo an’i Almà sy ny vahoakany tamin’ny fanandevozana, dia nandeha nikambana tamin’ny Nefita sy ny vahoakan’i Limia tany Zarahemlà izy ireo. Tany no nanendren’i Môzià Mpanjaka an’i Almà ho mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Ny olona sasany teo ambany fitarihan’i Almà dia nanao fahotana goavana ary tsy nibebaka (jereo ny Môzià 26:1–6). Nentina teo anatrehan’i Almà izy ireo saingy sahirana tamin’ny famantarana ny zavatra tokony hataony i Almà.

Vakio ny Môzià 26:13–15, 19–24, 28–31 ary tadiavo ny tari-dalana nomen’ny Tompo an’i Almà.

Mamporisiha mpianatra maro hizara ny zavatra nianarany. Raha milaza fitsipika marina izy ireo, dia soraty eny amin’ny solaitrabe izany. Raha ilaina dia hevero ny hametraka ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra nolazain’ny Tompo fa tsy maintsy ataon’ny olona mba horaisiny sy havelany heloka?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 23, dia nahoana ny Mpamonjy no mahafeno fepetra mba hamaritra ny hoe iza no azo avela heloka sy hahazo ny fiainana mandrakizay?

  • Inona ihany koa no nianaranao momba ny Tompo avy amin’ireo andininy ireo?

Raha mibebaka isika

Mety nahita fitsipika toy ireto manaraka ireto ianao: raha miaiky ny fahotantsika isika ka mibebaka amin’ny fahitsian’ny fontsika, dia hamela antsika ny Tompo. Isaky ny mibebaka isika dia hamela ny helotsika ny Tompo.

  • Inona no dikan’ny hoe mibaboka ny fahotantsika?

  • Midika inona araka ny hevitrao ny hoe “[mibebaka] amin’ny fahitsian’ny fo[nao]” (Môzià 26:29)?

  • Ahoana no hanovan’ny fahafantarana ny toetra mamela heloka ananan’ny Tompo ny toe-tsainao manoloana ny fibebahana?

Ireo fitsipika ireo dia afaka manampy amin’ireo fanontaniana sy ahiahy momba ny fibebahana hatrany amin’ny fanombohan’ny lesona.

Diniho raha tsara kokoa ny miresaka ireo ahiahy efatra rehetra na ny mifantoka amin’ny iray na roa izay mety ho tena manan-danja amin’ny mpianatrao. Mety hahomby ihany koa raha zaraina ho vondrona kely ny mpianatra ary omena andraikitra hiomana hamaly ahiahy samy hafa.

Azonao atao ihany koa ny manasa ny evekanao na filohan’ny sampana misy anao amin’izao fotoana izao hitsidika ny kilasy mba hamaly fanontaniana momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka.

Fibebahana

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—“Môzià 26:- Raha miaiky ny fahotany … izy ary mibebaka-”

Olana A

Tsy azoko antoka hoe tena ilaina ny mibebaka.

  • Inona avy no soratra masina na fitsipika avy ao amin’ny Môzià 26, na soratra masina hafa, azonao zaraina ka mety hanampy amin’io ahiahy io?

Raha ilaina dia hevero ny hanasa ny mpianatra hamerina hijery ny Môzià 26:23, 29–30, sy hamaky ihany koa ny sasany amin’ireto andininy manaraka ireto: 2 Nefia 9:23; 3 Nefia 9:22; 3 Nefia 27:19–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–12; 19:15–20; 58:42–43.

Tsarovy fa i Almà tenany dia nanao fahotana goavana tany aloha teo amin’ny fiainany ary nibebaka sy nandray famelan-keloka tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy (jereo ny Môzià 11:5–7; 18:1–3; 26:15, 20).

  • Inona araka ny eritreritrao no azon’i Almà zaraina amin’ny olona iray manana io ahiahy io?

Saintsaino ny zavatra niainanao na ireo olona fantatrao rehefa nitodika tamin’i Jesoa Kristy Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fibebahana ianareo.

Olana B

Nahoana no tsy maintsy mibaboka ny fahotako aho? Fa maninona no tsy maintsy ibabohana amina mpitarika ao amin’ny fisoronana ny fahotana sasany?

Niteny tamin’i Almà ny Tompo fa ireo izay nanota dia mila “miaiky ny fahotany eo anatrehanao [Almà, izay mpitarika azy ireo ao amin’ny fisoronana] sy eo anatrehako [ny Tompo]” (Môzià 26:29).

  • Satria efa fantatry ny Tompo ny fahotantsika, dia nahoana no zava-dehibe ny hiaikena izany eo anatrehany? Ahoana no hitahian’izany ny fiainantsika?

Ny hevitra sasany dia mety ahitana ny hoe manampy antsika ho tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataontsika izany, mampitombo ny fanetren-tenantsika ary manamafy ny fifandraisantsika manokana amin’ny Tompo rehefa mangataka sy mandray famelan-keloka isika.

Vakio ireto teny nambara manaraka ireto izay nalaina avy amin’ny kiboky Ho zatovo mahery! sy ny Loholona C. Scott Grow, Fitopololahy Manampahefana Ambony nisaorana am-boninahitra, ary mitadiava hevi-baovao momba ny fotoana sy ny antony tokony hibabohantsika amina eveka na filohan’ny sampana.

Mihazona fanalahidin’ny fisoronana sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hanampiana anao hibebaka ny evekanao. Afaka mitady ny fanampiany sy ny toroheviny amin’ny fotoana rehetra ianao. Raha nanao fahadisoana goavana ianao, toy ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, dia mandehana mihaona amin’ny evekanao. Tsy hanameloka anao izy. Misolo tena an’i Jesoa Kristy izy ary hanampy anao hahafantatra ny fomba hibebahana tanteraka sy handraisana ny fanasitranana sy ny hery mampatanjaky ny Mpamonjy. Ho Zatovo Mahery!, 8)

[Ny Eveka dia manana zo] hahazo fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny, ao anatin’izany ianao. … Afaka manome fanampiana anao [izy] mandritra ny dingan’ny fibebahana amin’ny fomba tsy azon’ireo ray aman-dreninao na ireo mpitarika hafa omena anao. …

[Raha tsy mibaboka isika] dia manohy mitondra ny enta-mavesatry ny fahotana irery … fa tsy mamela ny Tompo hanaisotra ilay enta-mavesatra. (C. Scott Grow, “Nahoana aho no mila manao fibabohana any amin’ny evekako ary inona avy ny zavatra ilaiko ibabohana? Liahona, ôkt. 2013, 28–29)

  • Ahoana no ahafahan’io teny nambara io manampy ny olona iray amin’ireo ahiahy momba ny fibabohana amin’ny mpitarika azy ao amin’ny fisoronana?

Olana D

Nanota be loatra aho ka tsy hamela ahy ny Tompo.

Ny ohatra sasany dia mety hahitana ilay vehivavy izay nanasa ny tongotry ny Mpamonjy tamin’ny ranomasony (jereo ny Lioka 7:36–50), ny fanoharana momba ilay zanaka adala (jereo ny Lioka 15:11–32), ary ny famelan’ny Tompo ny helok’i Paoly (jereo ny 1 Timoty 1:15–16).

Olana E

Ny safidinao

Mieritrereta ahiahy na fanontaniana hafa maneho zavatra tena misy mety hananan’ny olona iray momba ny fibebahana. Halalino ny hoe “Fibebahana” na “Miaiky” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org), hitadiavana fahamarinana izay mety hanampy. Azonao atao ihany koa ny mamerina mijery ny soratra masina mifandray amin’ny “Mibebaka, Fibebahana” na ny “Miaiky” ao amin’ny Torolalalana ho an’ny Soratra Masina (ChurchofJesusChrist.org). Mety hilaina ihany koa ny handalinana ny hoe “fibebahana” ao amin’ny kiboky Ho zatovo mahery! sy hisaintsainana ny zavatra fantatrao momba ny Tompo ka mety hanampy.

Asao ny mpianatra mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo sy ny fomba mety hahafahan’izany manampy olona iray amin’izany fanontaniana na ahiahy izany. Mitadiava fomba hanasongadinana ny fitiavan’ny Tompo sy ny faniriany hamela ny helotsika rehefa mibebaka isika.

Inona no nitranga?

Vakio ny Môzià 26:34–37 hitadiavana ny zavatra nitranga rehefa nanaraka ny toromariky ny Tompo i Almà.

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra mety ho tianao hotadidina na hatao noho ity lesona ity. Mety ho tafiditra ao anatin’io fisaintsainana io ny fomba tianao hitadidina ny fahavononan’ny Tompo hamela heloka sy ny fomba tianao hanaovana ezaka hibaboka sy hibebaka amin’ny fahotanao.

Hevero ny hijoro ho vavolombelona momba ireo fitsipika nampianarina atoamin’ity lesona ity.

Hamoaka printy