Seminera
Môzià 28: Fiovam-po manokana sy fizarana ny filazantsara


“Môzià 28: Fiovam-po manokana sy fizarana ny filazantsara,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 28,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 28

Fiovam-po manokana sy fizarana ny filazantsara

Sary
Zatovo iray miresaka momba ny filazantsara amin’ny hafa

Inona no avy no traikefanao tamin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Taorian’ny niovan’izy ireo fo, ireo zanakalahin’i Môzià dia nanatona ny mpanjaka mba hahazo lalana hitory ny filazantsara amin’ny Lamanita. Nanontany ny Tompo aloha i Môzià Mpanjaka ary avy eo dia namela ireo zanany handeha mba hahafahan’izy ireo mitondra ny tenin’ Andriamanitra any amin’ny Lamanita (jereo ny Môzià 28:1). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampitombo ny fanirianao hizara ny filazantsara.

Ampio ny mpianatra hahita lanjan’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara . Mety ho sahirana amin’ny fahitana ny fifandraisan’ny filazantsara amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro ny mpianatra sasany. Katsaho ombam-bavaka ny fomba hanampiana azy ireo hahatsapa fa ny zavatra ianaran’izy ireo dia manan-danja sy ilaina amin’ny toe-javatra misy azy ireo manokana sy amin’ireo fanontaniana ananany ary zavatra ilain’izy ireo manokana.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hiresaka amin’olona iray izay inoan’izy ireo fa niova fo lalina ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Inona no nanampy izany olona izany teo amin’ny lalan’ny fiovam-pony? Azonao heverina ihany koa ny hanasa ny mpianatra hanombana ny fanirian’izy ireo hizara ny filazantsara.

Sahanasa fianarana azo atao

Fizaràna sy fiovam-po

Hevero ny hitondra na hampiseho sarin’ny zavatra iray tianao be ka tianao ny mizara azy amin’ny hafa. Zarao amin’ny mpianatra izany zavatra izany alohan’ny hametrahana ny fanontaniana manaraka.

  • Inona avy no zavatra sasantsasany tena tianao ka tianao hozaraina amin’ny hafa?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa zavatra mahazatra antsika ny mizara zavatra izay manan-danja amintsika. Jereo ilay horonan-tsary hoe “Les bonnes choses à faire connaître” (2:21), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ny fanambarana etsy ambany.

Tsy mahagaga mihitsy ny mizara amin’ny hafa ireo zavatra izay manan-danja indrindra amintsika na nanampy antsika.

Ny zavatra toy izany dia miharihary indrindra rehefa mahakasika zavatra manan-danja sy vokatra ara-panahy lehibe. …

Ny fanasana ataonay aminareo mba hianatra sy hitsapa ny hafatra zarainay dia vokatr’ireo zava-tsoa nentin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainanay. Indraindray izahay mety mitavozavoza na mivantambantana na mikiry mafy mihitsy aza amin’ny fanaovana izany. Ny hany fanirianay dia ny hizara aminareo ireo fahamarinana izay sarobidy tokoa aminay. (David A. Bednar, “Avia fa ho hitanareo,” Liahona, nôv. 2014, 109, 110)

Omeo isa ny fahamarinan’ity fanambarana manaraka ity aminao amina ambaratonga 1 hatramin’ny 5 (ka ny 1 dia hoe tsy marina aminao ary ny 5 dia hoe tena marina aminao):

Hevero ny hampiseho ireto fanambarana manaraka ireto ho an’ny mpianatra rehefa misaintsaina sy mandinika ny fiainan’izy ireo izy ireo.

  • Ny fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny filazantsarany dia manan-danja lehibe amiko?

  • Manana faniriana ny hizara ny filazantsarany amin’ny hafa aho.

Rehefa mandalina ny fiainana sy ohatra nasehon’ireo zanakalahin’i Môzià ianao, dia saintsaino ny fanirianao hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Mikatsaha fanambarana mba hahalalana izay dingana manaraka mety ho tian’ny Tompo hataonao mba hahatonga ny filazantsara ho vao mainka lasa manan-danja kokoa aminao ary ny hitomboan’ny fanirianao hizara ny filazantsara.

Ireo zanakalahin’i Môzià

Tadidio fa taorian’ny fiovam-pon’izy ireo, ireo zanakalahin’i Môzià dia nitory ny filazantsara tany amin’ny tanin’izy ireo, nikatsaka ny hanarina ny zavatra tsy nety nataon’izy ireo (jereo ny Môzià 27:32–37).

Vakio ny Môzià 28:1–5 hitadiavana ny zavatra nirin’ireo zanakalahin’i Môzià sy ny anton’izany. (Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny soratra masinao ny zavatra hitanao.)

  • Inona no teny na andian-teny manan-danja aminao ao amin’ireo andininy ireo? Inona no antony nananan’ireo zanakalahin’i Môzià nizarana ny filazantsara tamin’ny Lamanita?

    Hevero ny hanasa mpianatra maro hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Nahoana no ahafahan’izany ho antony mandrisika hizara ny filazantsara?

  • Inona avy no fahamarinana nianaranao avy tamin’ireo andininy ireo?

Mety hizara karazana fitsipika marina ny mpianatra. Raha tsy milaza ilay fitsipika natao sora-matevina eo ambany ny mpianatra, dia hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto: Ahoana no mety hahatonga ny faniriantsika hizara ny filazantsara hifandray amin’ny fiovam-pontsika manokana? Nahoana?

Fahamarinana iray ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa mihalalina ny fiovam-pontsika ho an’ny Tompo, dia mitombo ny faniriantsika hizara ny filazantsara.

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanamafy io fahamarinana io rehefa nampianatra izao manaraka izao:

Mari-tondro lehiben’ny haben’ny fiovam-pon’ny tenantsika manokana ny hamafin’ny faniriantsika hitory ny filazantsara (Dallin H. Oaks, “Sharing the Gospel,” Ensign, Nov. 2001, 7).

  • Inona no zavatra niainan’ireo zanakalahin’i Môzià ka nanampy azy ireo ho tonga niova fo ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany? (Jereo ny Môzià 27:34–36; 28:4).

    Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hosaintsainin’ny mpianatra na hovalian’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo alohan’ny hamalian’izy ireo.

  • Inona no zavatra niainana nanampy anao na ireo olona fantatrao ho tonga niova fo kokoa ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

  • Inona no zavatra tianao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ka tianao hozaraina amin’ny hafa? (Ohatra, mety hoe nanana zavatra niainana manan-danja tamin’ny famelan-keloka avy amin’ny Mpamonjy, ny fitiavan’ Andriamanitra, vavaka, sns, ianao.)

Na rehefa efa niova fo ho an’ny Tompo aza isika dia mety hisy antony mahatonga ny fizarana ny filazantsara ho mbola sarotra.

  • Raha iray tamin’ireo zanakalahin’i Môzia ianao, dia inona no ahiahy mety hanananao momba ny fitoriana ny filazantsara tamin’ny Lamanita?

Amin’ny maha-rain’izy ireo azy sy amin’ny maha-mpanjaka azy, i Môzià dia nanana antony maro hanahiana momba ny fandefasana ireo zanany hitory ny filazantsara amin’ny Lamanita. Tsy ny fiarovana ireo zanany ihany no natahoran’i Môzià Mpanjaka fa teo ihany koa ny hoe raha lasa ny zanany dia tsy hanana mpandova ny fanjakana ho mpanjakan’ny Nefita manaraka izy.

Vakio ny Môzià 28:6–8 hitadiavana ny antony namelan’i Môzià ireo zanany handeha amina iraka mampidi-doza toy izany.

  • Inona avy no fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Môzià?

Ny dingana manaraka hataonao

Makà fotoana hitanisana ireo ahiahy mety hanananao na ny hafa momba ny fizarana ny filazantsara.

Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra. Fantaro raha mety ho tsara kokoa ny misafidy olana iray hiarahan’ny kilasy manontolo mifantoka na manasa ny mpianatra hiasa tsirairay na anatina vondrona kely.

Mifantena iray amin’ireo olana ireo ary mivavaha mba hahazo tari-dalana rehefa mizaha ny soratra masina sy misaintsaina ny fomba handresena io ahiahy io. Ohatra, raha manana iray amin’ireto olana manaraka ireto ianao, dia mety ho afaka misaintsaina ireo fanontaniana sy mandalina ny soratra masina voatanisa aorian’ireo fanambarana.

Hevero ny hampiseho ireto fanambarana manaraka ireto na hanoratra azy ireo eny amin’ny solaitrabe.

Tsy azoko antoka hoe niova fo tsara aho ka hizara ny filazantsara. Ahoana no mety hahafahan’ireo ohatry ny zanakalahin’i Môzià manampy anao? (Jereo ny Môzià 28:1–5.) Rehefa mamaky ny sasany amin’ireto andininy manaraka ireto ianao, dia mitadiava fomba ahafahanao ho tonga miova fo kokoa: Asa 3:19; Jakoba 5:20; Enosa 1:2–5; Môzià 3:19; 5:2; 27:25; Almà 5:12–14; 22:15–18; 53:10; Helamàna 15:7; 3 Nefia 9:20.

Matahotra ny holavina aho. Avereno jerena ao amin’ny Môzià 28:2–4 ireo antony nanirian’ireo zanakalahin’i Môzià hizara ny filazantsara na dia maro aza no nieritreritra fa tsy azo inoana hoe hanaiky izany ny Lamanita. Ahoana no mety hanampian’ireo antony ireo anao? Ahoana no ahafahan’ny fieritreretana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao (sy azony atao ho an’ny hafa) manampy anao handresy ny tahotrao?

Tsy ohatra tsara indrindra tamin’ny fiainana ny filazantsara aho. Talohan’ny fiovam-pon’izy ireo, ny zanakalahin’i Môzià dia nitory nanohitra ny filazantsara (jereo ny Môzià 27:8–10), saingy taorian’ny nibebahan’izy ireo dia lasa anisan’ireo misiônera nahomby indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy ireo (jereo ny Almà 17:4). Manainga anao hanao inona ny ohatra nasehon’izy ireo? Inona no ohatra hafa ao amin’ny soratra masina azonao eritreretina ka mety hanampy?

Manasà mpianatra maro hizara ny zavatra hitan’izy ireo sy ny fomba mety hanampian’izany amin’ny famahana ilay olana.

Hevero ny hampiseho ireto fehezan-teny manaraka ireto amin’ny mpianatra rehefa misaintsaina sy mamaly ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo izy ireo.

  • “Iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra nianarako avy tamin’ireo zanakalahin’i Môzià ny …”

  • “Zavatra iray tsapako fa tian’ny Tompo hataoko mba hanarahana ny ohatra nasehon’ireo zanakalahin’i Môzià ny …”

  • “Mba hanaovana asa mahomby amin’izany, dia azoko atao ny …”

Asao ny mpianatra hizara. Mety hanampy raha faranana amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona, ny fahatsapana anananao na amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra iray na roa hanao izany.

Hamoaka printy