“Amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy”
Rehefa nanohy namintina ny Bokin’i Etera i Môrônia, dia natahotra izy ndrao ny Jentilisa haneso ny asany noho ny fahalemeny amin’ny fanoratana. Namaly ny Tompo fa rehefa manatona Azy amim-panetren-tena sy finoana isika, dia azony avadika ho tanjaka ny zavatra malemy (jereo ny Etera 12:27). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanatona an’i Jesoa Kristy mba handresy fahalemena amin’ny alalan’ny fahasoavany.
Sahanasa fianarana azo atao
Fahalemena sy tanjaka
Miatrika fahalemena isika rehetra eto amin’ny fiainana an-tany. Mety hahakivy izany indraindray. Ao amin’ity lesona ity ianao dia hianatra mombana lamina iray nampianarin’ny Tompo an’i Môrônia izay afaka mamadika ny fahalemena ho tanjaka.
Ny ahiahin’i Môrônia
Nampiandraiketina an’i Môrônia ny asa famintinana ny tantaran’ny Jaredita , ary fantany fa hovakin’olona maro io tantara io amin’ny hoavy . Nony vitany ny asa famintinana nataony dia noraketiny an-tsoratra ny sasany tamin’ny heviny farany ary nataony tao anatin’izany ny ahiahiny sy fanahiany manokana momba ny zavatra nasaina nataony.
Vakio ny Etera 12:23–25, hitadiavana ny ahiahy nananan’i Môrônia.
Inona no nampanahy manokana an’i Môrônia?
Ny valin-tenin’ny Tompo tamin’i Môrônia
Vakio ny Etera 12:26–27, hitadiavana ny fomba namalian’ny Tompo ny ahiahin’i Môrônia.
“Ary raha manatona Ahy ny olona, dia hasehoko azy ny fahalemeny”
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manatona an’i Kristy?
Mariho fa ny Tompo dia milaza fa hasehony antsika ny fahalementsika raha manatona Azy isika.
Nahoana no fitahiana ho antsika izany?
Ny teny hoe fahalemena ao amin’io andian-teny io dia manondro ny toetsika lavo, izay ahitana ny “zavatra malemy” eo amin’ny tsirairay sy ny tsy fahafahantsika ho tonga lafatra.
Inona no ianaranao avy amin’ny Etera 12:27 momba ny antony itiavan’ny Mpamonjy ny hanekenao ny fahalemenao?
“Omeko ho an’ny olona ny fahalemena mba hahazoany mietry”
Mamakia ohatra sasantsasany momba ana olona ao amin’ny soratra masina izay nanaiky ny fahalemen’izy ireo:
Nanampy ireo olona ao amin’ireo tantara ireo hanetry tena tamin’ny fomba ahoana ny faneken’izy ireo ny fahalemen’izy ireo?
Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo hanetry tena isika?
“Ampy ho an’ny olon-drehetra ny fahasoavako mba hanetreny tena eo anoloako”
Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe ampy ho an’ny olon-drehetra izay manetry tena eo anoloan’ny Mpamonjy ny fahasoavany?
Nanazava toy izao ny Loholona Kevin S. Hamilton ao amin’ny Fitopololahy:
Ny fahasoavan’i [Jesoa Kristy] manohana sy mampahery dia manome hery antsika handresena ireo sakana rehetra sy ireo olana rehetra ary ireo fahalemena rehetra rehefa mikatsaka ny hiova isika.
Notanterahan’ny Mpamonjy ny Sorompanavotany tsy manam-petra sy mandrakizay mba hahafahantsika miova marina tokoa sy mibebaka ary mihatsara kokoa. Azo ateraka indray isika raha ny marina. Afaka mahatohitra ireo fahazarana sy fiankinan-doha isika, eny fa na dia ny “fironana hanao ratsy” aza [Môzià 5:2]. (Kevin S. Hamilton, “Hataoko tonga matanjaka ny zavatra malemy,” Liahona, mey 2022, 51–52)
Mariho ny fomba niainan’ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka ny fahasoavan’ny Tompo ao amin’ny Môzià 4:3.
Iza ao amin’ny soratra masina ihany koa no naneho fa ampy hanampiana antsika handresy ireo fahalementsika ny fahasoavan’ny Mpamonjy?
“Raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy”
Nasongadin’ny Loholona Hamilton fa ny “zavatra malemy” ao amin’io andininy io dia mety hanondro ny fitondrantenantsika izay fahalemena.
Na koa hoe, rehefa manova ireo toetra maha lavo antsika aloha isika, izany hoe ny fahalementsika, dia afaka hanova ireo fitondran-tenantsika isika, na ireo fahalementsika. (Kevin S. Hamilton, “Hataoko tonga matanjaka ny zavatra malemy,” Liahona, mey 2022, 51)
Raketo an-tsoratra, ao anatina andiam-pehezanteny iray misy fehezanteny telo farafahakeliny, ny zavatra nianaranao sy tianao hotsarovana avy amin’io lesona io.
Farito, ao anatina andiam-pehezanteny iray misy fehezanteny telo farafahakeliny, ny fomba hampiharanao ny zavatra nianaranao androany.