Seminera
Etera 12:28–41: I Jesoa Kristy: “Ilay loharanon’ny fahamarinana rehetra”


“Etera 12:28–41: I Jesoa Kristy: -Ilay loharanon’ny fahamarinana rehetra,-” Bokin’i Môrmôna; Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Etera 12:28–41,” Bokin’i Môrmôna; Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Etera 12:28–41

I Jesoa Kristy: “Ilay loharanon’ny fahamarinana rehetra”

Sary
Hosodoko maneho an’i Kristy

Miankina amin’izay katsahintsika, no ahafahantsika mahita tsara be dia be na ratsy be dia be eo amin’izao tontolo izao. Rehefa nahafantatra ny faharavan’ny Jaredita sy nanatri-maso ny faharavan’ny Nefita i Môrônia, dia niangavy ny mpamaky ny asa sorany rehetra izy mba hikatsaka an’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana azony omena. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa hikatsaka an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao.

Ampio ny mpianatra hahafantatra ny fitahian’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ankoatra ny fampianarana zavatra momba an’i Jesoa Kristy, dia omeo fotoana ahafahana misaintsaina ny fitiavany sy ny heriny ary ny famindrampony ny mpianatra. Amporisiho izy ireo hahatsiaro ireo zavatra niainana izay nahatsapan’izy ireo ny herin’ny Mpamonjy sy ny famindrampony nomena azy ireo na ireo olona tian’izy ireo. Ny fanaovana izany dia afaka manampy ny mpianatra hanatona feno kokoa an’i Jesoa Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanome ny mpianatra ny tahadikan’ny zavatra niainan’ny Loholona Melvin J. Ballard izay tafiditra ato amin’ity lesona ity. Asao izy ireo ho tonga efa vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo sy tsapan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny famakiana ny zavatra niainan’ny Loholona Ballard.

Sahanasa fianarana azo atao

Loharano

Hevero ny hampiseho ireto famaritana sy sary manaraka ireto.

Ny loharano dia faritana ho “fivoahana na famatsiana ny zavatra iray”—ohatra, “loharano mivoaka avy ao amin’ny tany” (Merriam-Webster.com Dictionary, “fountain”).

Sary
Loharano iray
  • Raha toa ianao ka afaka mahita loharano mahagaga iray izay mampikoriana tsy tapaka izay zavatra rehetra nosafidìnao, dia ho inona no tianao havoakan’izany?

Manaova sary maimaika mampiseho loharano mamoaka ny zavatra nosafidinao, ary hazavao fohifohy ny antony ilanao izany.

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hizara fohifohy ny sary nataon’izy ireo.

Vakio ny Etera 12:28, hitadiavana ny loharano notondroin’ny Tompo taorian’ny nampianarany an’i Môrônia momba ny fahafahany mamadika ny fahalemena ho tanjaka.

  • Inona ilay loharano notondroin’ny Tompo?

  • Inona no ampianarin’io andininy io momba ny fanatonantsika an’i Jesoa Kristy?

Fahamarinana iray ampianarin’io andininy io ny hoe ny finoana, fanantenana ary ny fiantrana dia mitondra antsika ho ao amin’i Jesoa Kristy, ilay Loharanon’ny fahamarinana rehetra.

  • Nahoana no anarana mety amin’i Jesoa Kristy ny hoe “ilay Loharanon’ny fahamarinana rehetra”?

  • Inona no heverinao na tsapanao fa mikoriana avy any Aminy lalandava?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no itondran’ny finoana, fanantenana ary fiantrana antsika hankamin’i Jesoa?

Amin’ity sahanasa aroso manaraka ity, hevero ny hametraka ny mpianatra anatina vondrona misy olona telo. Asao ny olona tsirairay hieritreritra sy hizara ohatra iray amin’ny vondrona misy azy.

Mitanisà ohatra sasantsasany izay maneho ny maha Loharanon’ny fahamarinana rehetra ny Mpamonjy. Mety ho avy amin’ny soratra masina, na avy amin’ny fiainanao, na avy amin’ny fiainan’ny olona fantatrao izany ohatra izany. Raha mila fanampiana amin’ny fieritreretana ohatra iray ianao, dia azonao atao ny mamaky ny tantaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Marka 2:1–12 na mijery ny “Jésus pardonne les péchés d’un paralytique et le guérit” (2:57).

Saintsaino ny fiantraikan’ireo ohatra ireo amin’ny fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy. Eritrereto ny fanirianao amin’izao fotoana izao hanatona an’i Jesoa Kristy sy handray anjara amin’ny fahamarinana izay avy Aminy. Matanjaka tahaka ny anirianao azy ve ny fanirianao? Nahoana, na nahoana no tsia?

Rehefa manohy mandalina ianao, dia mikatsaha fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy izay afaka ny hisy fiantraikany tsara eo amin’ny fanirianao sy ny fahafahanao manatona Azy ary mandray anjara amin’ny fahamarinana atolony.

Fanomezana izay mikoriana avy eo amin’i Kristy

Vakio ny Etera 12:29–37, hitadiavana ireo fitahiana izay atolotr’i Jesoa Kristy ireo izay manatona Azy amim-pinoana, fanantenana ary fiantrana.

  • Inona avy no fitahiana nolazain’i Môrônia fa avy amin’ny fikatsahana an’i Jesoa?

  • Inona amin’ireny fitahiana ireny no niainanao na ny hafa rehefa nikatsaka ny Mpamonjy ianareo?

  • Inona amin’ireny fitahiana ireny no tena tsy andrinao indrindra izay handraisana azy amin’ny hoavy? Nahoana?

Katsaho i Jesoa

Any amin’ny fiafaran’ny Etera 12, i Môrônia dia nizara zava-masina niainany. Vakio ny andininy 39, ary miezaha maka sary an-tsaina ny hoe mety ho toy ny ahoana tokoa izany zavatra niainana izany tamin’i Môrônia.

Vakio ary hevero ny hanisy marika ny fanasan’i Môrônia ao amin’ny andininy 41.

  • Rehefa avy niaina ny zavatra nolazalazainy ao amin’ny andininy 39 izy, dia inona araka ny eritreritrao no antony anolorany antsika io fanasana io?

Tahaka an’i Môrônia, ny Loholona Melvin J. Ballard (1873–1939) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niaina zava-masina niaraka tamin’ny Mpamonjy. Vakio ny fanoritsoritany io zavatra niainana io, ary miezaha indray maka sary an-tsaina ny hoe mety ho nanao ahoana izany.

Sary
Loholona Melvin J. Ballard

Hitako tanaty nofin’ny alina ny tenako indray hariva, tao amin’izany trano masina izany, dia ny tempoly. Taorian’ny fotoana elaela nanaovana vavaka sy nisian’ny fifaliana, dia nampahafantarina aho fa tokony hanana tombontsoa manokana amin’ny fidirana amin’ny iray tamin’ireo efitrano aho mba hihaona amin’ny olona iray be voninahitra, ary rehefa niditra ny varavaravana aho, dia hitako teo amina toerana avoavo ny zava-mananaina be voninahitra indrindra hitan’ny masoko hatramin’izay, izay tsy noeritreretiko mihitsy hoe misy any amin’ny tontolon’ny mandrakizay rehetra.

Rehefa nanatona mba hampahafantarina aho, dia nitsangana Izy ary nanatona ahy niaraka tamin’ny sandriny nitolotra, ary nitsiky Izy rehefa niteny tamin’ny feo malefaka ny anarako. Raha hiaina an-tapitrisan-taona aho, dia tsy ho hadinoko na oviana na oviana izany tsiky izany. Nandray ahy teny an-tsandriny Izy ary nanoroka ahy, namihina mafy ahy teo an-tratrany ary nitahy ahy, mandra-pahatonga ny tsokan-taolako ho toy ireny mitsonika ireny! Rehefa vitany izany, dia niankohoka teo an-tongony aho ary rehefa nosasako tamin’ny ranomasoko sy ny oroka nataoko izany, dia hitako ny dian’ny fantsika teo amin’ny tongotr’ilay Mpanavotra izao tontolo izao. Ny fahatsapana izay niainako teo anatrehan’Ilay , mahefa ny zava-drehetra mba hianoka tamin’ny fitiavany, sy ny fitahiany dia lehibe tokoa ka raha afaka mandray ny zavatra izay nandramako fotsiny aho, dia homeko ny momba ahy rehetra, ny zavatra rehetra antenaiko, mba hahatsapako ny zavatra tsapako tamin’izany!

… Hitako i Jesoa tsy eo ambonin’ny hazofijaliana amin’izao fotoana izao. Tsy mahita ny handriny voatsindrona tsilo na ny tanany rovitry ny fantsika aho, fa mahita Azy mitsiky, miaraka amin’ny sandry mitolotra, miteny amintsika rehetra hoe: “Manatòna ahy!” (Melvin J. Ballard, “I Know That He Lives,” Ensign, Dec. 2014, 80)

  • Inona ny zavatra nanan-danja indrindra taminao tamin’ny zavatra niainan’ny Loholona Ballard? Nahoana?

  • Inona no eritreritra na fahatsapana momba ny Mpamonjy entin’ny zavatra niainan’ny Loholona Ballard sy i Môrônia ao an-tsainao?

Hamaranana ny lesona dia hevero ny hanome ny mpianatra ity fanasana manaraka ity. Mety hanampy ny fizaràna momba ny fanirianao manokana hikatsaka an’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana izay tonga rehefa nikatsaka Azy ianao.

Saintsaino ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany. Inona no tena nanaitra ny fanirianao hikatsaka an’i Jesoa eo amin’ny fiainanao? Manolora tena hanao asa mifanaraka amin’izay bitsika na fahatsapana rehetra azonao.

Hamoaka printy