Seminera
Etera 12–15: Topimaso ankapobeny


“Etera 12–15: Topimaso ankapobeny” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Etera 12–15,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Etera 12–15

Topimaso ankapobeny

Rehefa nanohy namintina ny Bokin’i Etera i Môrônia, dia natahotra izy ndrao ny Jentilisa haneso ny asany noho ny fahalemeny amin’ny fanoratana. Namaly ny Tompo fa rehefa manatona Azy amim-panetren-tena sy finoana isika, dia azony avadika ho tanjaka ny fahalementsika. Rehefa nahafantatra ny faharavan’ny Jaredita sy nanatri-maso ny faharavan’ny Nefita i Môrônia, dia niangavy ny mpamaky ny asa sorany rehetra izy mba hikatsaka an’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana azony omena.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Etera 12:23–27

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy mba handresy fahalemena amin’ny alalan’ny fahasoavany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Etera 12:27 sy hieritreritra fahalemena eo amin’ny fiainan’izy ireo izay tian’izy ireo horesena amin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy.

  • Fitaovana: Ravin-taratasy iray avy ho an’ny mpianatra tsirairay

Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:27

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Etera 12:27 sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ireo toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiezaka hanao tsianjery ny Etera 12:27.

  • Votoatin-javatra haseho: Ny fizaràn’ny lesona eo ambanin’ny lohateny hoe “Mandany fotoana be loatra eo amin’ny findainy ny zatovo

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ visioconférence: Asao ny mpianatra hijery hoe impiry ao anatin’ny 60 segondra izy ireo no afaka manoratra ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny chat. Alaovy antoka hoe fantatr’izy ireo fa mila mamerina manoratra izany izy ireo fa tsy manao copie coller fotsiny. Avy eo dia asao izy ireo hijery raha mahavita manonona mafy izany an-kandrina.

Etera 12:28–41

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hikatsaka an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Etera 13–15

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra handresy ny fakam-panahy hanao zavatra amim-pahatezerana mandritra ny fiainan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina ny dikan’ny hoe i Jesoa Kristy dia “Andrian’ny fiadanana” (Isaia 9:6) sy ny dikan’izany hoe mpanara-dia Azy izany amintsika.

  • Votoatin-javatra haseho: Ny torolalana ho an’ny safidy A, safidy B, na izy roa (raha mamela ny mpianatra hisafidy amin’izy ireo)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ visioconférence: Raha avelanao hisafidy amin’ny safidy A sy safidy B ny mpianatra, dia hevero ny hampiasa zana-bondrona ho an’ireo safidy roa. Manomeza torolalana amin’ny alalan’ny mailaka na ao amin’ny chat alohan’ny hidiran’ny mpianatra ao amin’ny zana-bondrona misy azy ireo.

Tombano ny fianaranao 9

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsiaro sy hanombana ny fomba nanampian’ny zavatra tsapan’izy ireo tamin’ny Môrmôna 7Etera 15 azy ireo hitombo ara-panahy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny alalan’ny famaranana ity fanambarana manaraka ity: “Lesona iray avy ao amin’ny Môrmôna 7Etera 15 izay tiako hozaraina amina namana iray ny hoe …”

  • Sary: Masontonony

  • Fitaovana: Tapa-taratasy misy ny anaran’ny toerana mety hiantsoana ny mpianatra hanao misiônera

  • Lesona maneho ohatra mivaingana: Mofo; vilia baolina fampifangaroana iray sy laro ilaina mba hanaovana mofo

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Ao amin’ny fizaràn’ny lesona eo ambanin’ny lohateny hoe “Misaintsaina drafitra hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy,” dia hevero ny hamela ny mpianatra hijery anao hanakambana laro hanaovana mofo. Ankoatra izany, raha monina eny akaikin’ny misy anao ny mpianatra, dia azonao atao ny manasa azy ireo ho tonga any an-tranonao rehefa harivariva iny mba haka silak’ilay mofo rehefa voahandro ilay izy. Azonao atao ny mangataka azy ireo hiresaka momba ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny lesona rehefa mihinana ny sila-mofony izy ireo.

Hamoaka printy