Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:6—“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo”


“Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:6—-Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:6

Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo

Sary
Zatovovavy roa miresaka

Tamin’ny fandalinanao ny Etera 12:1–22 ianao dia nianatra ny fomba fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany alohan’ny handraisana fanamafisana avy amin’ny Fanahy momba ny fahamarinana (jereo ny Etera 12:6). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Etera 12:6, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Amporisiho hampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra. Rehefa lasa zatra kokoa amin’ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra, dia hampihatra izany mora foana amin’ireo fanontaniana ananan’izy ireo izy ireo. Aza miovaova ary manàna saina mpahary rehefa manasa azy ireo hamerina hijery ireo fitsipika amin’ny fomba samy hafa ianao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hizaha andinin-tsoratra masina izay afaka manampy ny olona iray hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy. Mba hahitana soratra masina dia azon’izy ireo atao ny mizaha ny lohahevitry ny “Finoana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona momba ny “Etera 12:1–22,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitry ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Etera 12:6. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia alaovy antoka fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina mandritra io herinandro io.

Tadidio sy hazavao

Tao amin’ny lesona teo aloha ianao dia nianatra ity fahamarinana manaraka ity avy ao amin’ny Etera 12:6: Raha maniry ny hahazo fanamafisana avy amin’ny Fanahy isika, dia tsy maintsy mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanazatra tena hanazava ireo fampianarana ao amin’ny Etera 12:6. Azonao atao ny mampiseho fanontaniana iray toy ity manaraka ity mba hifanakalozan’ny mpianatra hevitra.

  • Inona no torohevitra omena ao amin’ny Etera 12:6 ho an’ireo izay manana fanontaniana tsy voavaly na tsy mbola “nahita” ny fahamarinana?

Ampio ny mpianatra hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Etera 12:6. Fomba iray anaovana izany ity manaraka ity.

Ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) dia nampianatra fa ny olona tsirairay dia hiatrika fotoana izay hidonany amin’ny rindrin’ny finoany ka tsy maintsy hanapahany hevitra raha hino zavatra iray izy na tsia (jereo ny “The Book of Mormon Is the Word of God [Ny Bokin’i Môrmôna no tenin’ Andriamanitra],” Ensign, mey 1975, 65). Amin’ny teny hafa, ny rehetra dia tsy maintsy manapa-kevitra amim-pinoana hino sy hahalala ny fahamarinana.

Manaova sarina rindrina lehibe misy sary tsotra mampiseho ny tenanao eo anoloan’izany. Ampiasao ilay “rindrin’ny finoana” mba hanampy anao hitadidy ilay toko sy andininy amin’ny Etera 12:6 sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Haingoy amin’ny alalan’ny fanoratana ny “Etera 12:6” eo amin’ny tampony ny rindrinao, avy eo dia soraty imbetsabetsaka eo amin’ilay rindrina ny hoe “tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo”. Rehefa feno ilay andian-teny manan-danja ny toerana eo amin’ny rindrinao, dia miezaha manonona mafy izany imbetsabetsaka tsy ankijery.

Fizàrana mampihatra

Alohan’ny hanombohana ny sahanasa Fizàrana mampihatra dia mieritrereta fomba misy fahaiza-mamorona hanohanana ny mpianatra amin’ny fianarana sy famerenana mijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ny fanaovana tsy tapaka izany dia hanampy azy ireo hahomby kokoa amin’ny fahalalana ny fomba hampiharana ireo fitsipika ireo.

Mety ho fomba iray hanaovana izany ny fanoratana eny amin’ny solaitrabe ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy telo rehetra. Avy eo dia manorata hevitra na fotokevitra avy amin’ny fitsipika tsirairay amina filaharana anjoanjo ary asao ny mpianatra hampifandray ireo hevitra amin’ny fitsipika marina.

Zarao amin’ny mpianatra ity rafi-tantara manaraka ity na mieritrereta rafi-tantara anao manokana izay manantanteraka izay tanjona izay ihany.

Mpinamana be i Christiana sy i Niceta. I Christiana dia mpikambana ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Miezaka mafy ny ho ohatra tsara ho an’i Niceta izay tsy mino fivavahana misy rafitra izy. Matetika i Niceta no mametra-panontaniana amin’ny finoan’i Christiana ary manontany tena momba ny antony andehanany miangona isaky ny alahady, andoavany fahafolonkarena, iainany ny Tenin’ny Fahendrena, ary isafidianany hitafy amim-pahamaotinana.

Manazava amin’i Niceta i Christiana fa tsapany ho marina ary nalefan’ Andriamanitra ny didy sy fenitra iainany. Namaly tamim-pitiavana i Niceta hoe: “Ahoana no ahafahanao milaza fa marina ireo zavatra ireo? Ahoana no ahafahanao mahafantatra fa marina ny zavatra tsy hitanao?”

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely sy hanasa azy ireo hifanakalo hevitra momba ny fomba mety hahafahan’izy ireo mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny Etera 12:6 amin’io toe-java-misy io. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny rafi-tantara fizàrana mampihatra ny fifehezana fotopampianarana dia natao hanomezana azy ireo fahafahana hampihatra ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Tsy mila tsara rafitra na tonga lafatra ny hevitra na valin-tenin’izy ireo.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanomboka ny fifanakalozan-kevitr’izy ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana hoe: “Iza amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy no ampiasainao voalohany mba hanampiana ny namanao? Nahoana?” Mety hanampy ny mpianatra ihany koa ireto fanontaniana manaraka ireo raha jereny mandritra ny fifanakalozan-kevitr’izy ireo.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Fotokevitra na fahamarinana inona no tianao hanampiana an’i Niceta mba ho takany tsara kokoa? Nahoana?

  • Inona no mety hozarainao amin’i Niceta momba ny Tompo sy ny fomba iarahany miasa amintsika?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofinidin’ Andriamanitra

  • Inona avy no fampianarana avy ao amin’ny Etera 12:6 mety hanampy amin’io toe-java-misy io? Nahoana?

    Raha mety hahazo tombony amin’ny fahitana fanambarana mifandray amin’izany avy amina mpitarika ao amin’ny Fiangonana atao ohatra ny mpianatra, dia hevero ny hizara ny fanambaran-dRahavavy Bonnie L. Oscarson avy ao amin’ny fizaràna hoe “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ao amin’ny lesona teo aloha.

  • Inona avy no andinin-tsoratra masina hafa na teny nambarana mpitarika ato amin’ny Fiangonana ka afaka manome fanampiana sy taridalana ho an’i Niceta?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no traikefa azonao na ny hafa tamin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy? Ahoana no mety hahafahan’ny fizaràna izany amin’i Niceta manampy amin’ny fandrisihana azy hanao asa amim-pinoana?

  • Inona no asa mahatoky azonao atoro mba hatombok’i Niceta atao?

Rehefa vita ny fifanakalozan-kevitry ny mpianatra, dia hevero ny hanasa maromaro hizara ny fomba namalian’izy ireo sy ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ilay zavatra niainana.

Hevero ihany koa ny hifanakalo hevitra amin’ny mpianatra momba ny fomba mety hahafahan’io fampiharana io ho tombontsoan’izy ireo amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy. Ohatra, azonao atao ny manasa ny mpianatra hieritreritra toe-java-misy amin’izao na amin’ny hoavy izay mety hahafahan’ireo fampianaran’ny Etera 12:6 sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy azy ireo na ny hafa handia am-pahombiazana ny fizahan-toetra ny finoana sy handray fijoroana ho vavolombelona fanamafisana momba ny fahamarinana amin’ny farany.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Mandritra ny lesona iray manaraka, manaova sarina rindrina misy sary tsotra mampiseho ny tenanao eo anoloan’izany eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra mba hahatsiaro hoe inona no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana inona no mifandray amin’ilay sary (Etera 12:6), ary amporisiho izy ireo hanao fanazaran-tenahanao tsianjery ilay andian-teny manan-danja miaraka amina namana iray. Ny andian-teny manan-danja dia ny hoe: “Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo”.

Hamoaka printy