Seminera
Etera 12:1–22: Mandray fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana


“Etera 12:1–22: Mandray fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Etera 12:1–22,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Etera 12:1–22

Mandray fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana

Sary
Zatovovavy mandalina ny filazantsara

Inona no nanampy anao tamin’ny ezaka nataonao hianatra fahamarinana ara-panahy? Taorian’ny nilazan’i Môrônia tamin’ny antsipiriany ny tantaran’ny Jaredita nandritra ny taona maro dia nanolotra ny asa fanompoana nataon’ny mpaminany Etera izy. Avy eo dia nozarain’i Môrônia ny sasany tamin’ireo fitahiana izay tonga avy tamin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy, ao anatin’izany ny fomba ahafahan’ny fizahan-toetra ny finoantsika manampy antsika handray fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Ity lesona ity dia natao hanampy anao hampihatra finoana handraisana fijoroana ho vavolombelona ara-panahy momba ny fahamarinana.

Omano hampianatra ny tenanao. Noho ny Fanahy mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana sy ny maha loharanon’ny fiovam-po Azy, ny mpampianatra filazantsara mahery vaika dia manomana ny tenan’izy ireo ara-panahy aloha ben’ny hampianaran’izy ireo. Asao ho ao amin’ny fanomananao ny lesona amin’ny alalana vavaka amin-kitsimpo ny Fanahy Masina, ary katsaho ny hanaraka ny tari-dalany rehefa mifantoka amin’ny fampianarana fotopampianarana sy fitsipika ianao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ohatra avy ao amin’ny soratra masina izay nitondran’ny asa tamim-pahatokiana ho amina tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy, fitahiana, na valin-teny avy amin’ Andriamanitra.

Sahanasa fianarana azo atao

“Ahoana no ahafantaranao izany?”

Nizara ity zavatra niainany ity ny Rahavavy Rebecca L. Craven, Mpanolotsaina faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany, teo am-piresahany tamina zatovovavy iray:

Niaina zavatra nahafinaritra aho niaraka tamina zatovovavy malala iray izay nametraka fanontaniana tena tamin-kitsim-po hoe: “Rahavavy Craven, ahoana no ahalalanao fa marina avokoa ny zavatra rehetra momba ny Fiangonana? Izaho mantsy tsy mahatsapa na inona na inona?”

Nialoha ny nanomezako valin-teny azy malaky dia nametrahako fanontaniana aloha izy. “Mba resaho ahy hoe ny momba ny fandalinanao soratra masina.”

Namaly izy hoe: “Tsy mamaky ny soratra masina aho.”

Dia nanontaniako hoe: “Ahoana ny miaraka amin’ny fianakavianao? Miara-mandalina ny Avia, hanaraka Ahy ve ianareo?”

“Tsia,” hoy izy.

Nanontaniako ny amin’ny vavaka ataony izy: “Inona no fahatsapana anananao rehefa mivavaka ianao?”

Ny valin-teniny dia hoe: “Tsy mivavaka aho.” (Rebecca L. Craven, “Ataovy izay manan-danja indrindra,” Liahona, mey 2022, 62)

  • Miainga amin’ny zavatra niainanao, inona no azonao ambara mba hanampiana io zatovovavy io?

Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana teo aloha ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ohatra amina fahamarinana manokana izay mety hilan’ny olona mikatsaka fijoroana ho vavolombelona ara-panahy. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo. (Ny valin-teny dia mety hahitana fijoroana ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna dia marina, fa zava-dehibe ny miaina fiainana madio sy mahitsy, na hoe ny Tenin’ny Fahendrena dia lalàn’ Andriamanitra.)

Mieritrereta fahamarinana ara-panahy izay tianao handraisana fanamafisana avy amin’ny Fanahy na fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa. Hevero ny hanoratra izany ao anatin’ny diary fandalinanao. Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hahazo fanamafisana avy amin’ny Fanahy na hanamafy orina ny fijoroanao ho vavolombelona.

“Ny fizahan-toetra ny finoanareo”

Rehefa nanohy namintina ny rakitsoratry ny Jaredita i Môrônia, dia nampahafantatra ny asa fanompoan’i Etera mpaminany izy. Na dia teraka tao anatin’ny fahababoana sy niaina teo anivon’ny olona izay nandà mpaminany aza i Etera (jereo ny Etera 11:20–23), dia niaina fiainana marina izy ary nantsoin’ Andriamanitra ho mpaminany.

Vakio ny Etera 12:2–5, hitadiavana ny fomba nandraisan’ny Jaredita ny fampianaran’i Etera.

  • Nahoana no nandà tsy hino ny tenin’i Etera ny olona?

Vakio ny Etera 12:6, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Môrônia momba ny fomba ahazoantsika vavolombelona ara-panahin’ny fahamarinana.

Ny Etera 12:6 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amina fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hanazatra tena hampihatra ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara dikany iray momba ilay -andianteny hoe fizahan-toetra ny finoanareo:

Azonao atao ny mianatra mampiasa finoana amin’ny fomba mahomby kokoa amin’ny alalan’ny fampiharana ity fitsipika nampianarin’i Môrônia ity: “Ny finoana dia ny zavatra izay antenaina nefa tsy hita; koa aza mitohika, satria tsy mahita ianareo, fa tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo” [Etera 12:6; nasiana fanasongadinana]. Noho izany, isaky ny mizaha toetra ny finoanareo ianareo, izany hoe, mampihatra amim-pahamendrehana izay fahatsapana anananareo, dia hahazo porofo fanamafisana avy amin’ny Fanahy ianareo. Hampatanjaka ny finoanareo ireny fahatsapana ireny. Rehefa mamerina izany lamina izany ianareo, dia ho tonga matanjaka kokoa ny finoanareo. (Richard G. Scott, “La force de la foi nous soutient dans les moments d’incertitude et de mise à l’épreuve,” Liahona, mai 2003, 76)

  • Inona no nianaranao avy amin’ny Etera 12:6 sy io fanambarana io ka mety ho afaka manampy olona iray izay maniry ny hahazo fanamafisana avy amin’ny Fanahy na fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinana matanjaka kokoa?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny Etera 12:6 ny hoe raha maniry ny hanana fanamafisana avy amin’ny Fanahy isika, dia tsy maintsy mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany aloha.

Rahavavy L. Craven dia nitantara ny fomba namaliany ilay zatovovavy niresahany:

Tsotra ny valin-teniko taminy: “Raha te hahafantatra zavatra ianao, dia mila manao zavatra.”

Tsy marina ve izany amin’izay zavatra tiantsika ianarana na fantarina? Nasaiko ilay namako vaovao mba hanomboka hanao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izany hoe: mivavaka, mandalina, manompo ny hafa, ary matoky ny Tompo. Tsy hitranga ny fiovam-po raha tsy manao na inona na inona. Tonga amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina izany rehefa manao ezaka amim-piniavana isika mba hahafantatra amin’ny alalan’ny fangatahana sy fikatsahana ary fandondonana. Amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra no hahatonga izany. (Rebecca L. Craven, “Ataovy izay manan-danja indrindra,” Liahona, mey 2022, 62)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no lafiny tena ilaina amin’ny fandraisana fanamafisana avy amin’ny Fanahy momba Azy sy ny filazantsarany ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny asa ataontsika?

  • Ahoana no ahafahan’ny fiainana ny filazantsaran’ny Mpamonjy miantraika amin’ny fahatsapanao momba Azy?

Ohatra amin’ny finoana

Mieritrereta zavatra niainana izay nandraisanao na ny hafa fanamafisana avy amin’ny Fanahy vokatry ny fiainana ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy fampiharana finoana Azy.

Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainana noeritreretin’izy ireo. Hazavao fa tsy tokony hizara zavatra mahakasika azy ireo manokana loatra izy ireo. Hevero ny hizara ny zavatra niainanao manokana ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io. Azo ampiasaina ihany koa ity horonan-tsary manaraka ity.

Mba hahitana ohatra iray momba ny olona iray izay nahazo tanjaka vokatry ny fampiharana finoana ny Mpamonjy, jereo ny “Pure and Simple Faith [Finoana madio sy tsotra]” (5:21), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Rehefa nanohy ny lahateniny i Môrônia, dia nizara ohatra maro amin’ny olona izay notahiana rehefa nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy izy.

Amin’ity sahanasa manaraka ity, hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona efatra sy hampiandraikitra ny vondrona tsirairay mba handalina ny iray amin’ireto andian’andininy manaraka ireto: Etera 12:7–10, 11–14, 15–18, 19–22. Asao ny vondrona tsirairay mba hizara amin’ny iray kilasy ireo ohatra amin’ny finoana novakin’izy ireo.

Vakio ny Etera 12:7–22, hitadiavana ny fomba nitahian’ny Tompo ireo olona izay nampihatra finoana Azy ireo. Hevero ny hanisy marika ireo teny na andian-teny manan-danja aminao.

  • Iza amin’ireo ohatra amin’ny finoana ireo no nanaitra anao indrindra? Nahoana?

  • Ahoana no ahafahan’ny iray na maromaro amin’ireo ohatra nohalalininao ireo manampy anao amin’ny toe-javatra misy anao manokana?

Hevero ny fomba ahafahanao mampihatra ny zavatra nianaranao androany amin’ny fiainanao. Manorata asa roa na telo azonao atao mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy handraisana na hanamafisana orina ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy.

Hamoaka printy