Seminera
Etera 7–11: “Azo antoka fa izany zavatra izany dia mitondra any amin’ny fahababoana”


“Etera 7–11: -Azo antoka fa izany zavatra izany dia mitondra any amin’ny fahababoana,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Etera 7–11,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Etera 7–11

“Azo antoka fa izany zavatra izany dia mitondra any amin’ny fahababoana”

Sary
Vehivavy ao anaty efitra figadrana

Satria tia antsika Andriamanitra, dia miantso mpaminany Izy hampitandrina antsika amin’ny ratsy sy hamporisika antsika hitandrina ny didy. Tsy nihaino ny fampitandremana iray avy tamin’ny rahalahin’i Jareda ny Jaredita, ka niteraka vokany sarotra tamina taranaka maro izany. Afaka manampy anao hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fanarahana ireo mpaminanin’ny Tompo ity lesona ity.

Ampianaro amim-paharesen-dahatra sy tanjona ny tenin’ireo mpaminany. Ny sitrapo sy tanjon’ny Tompo dia ampitaina amin’ny alalan’ireo mpaminaniny. Ampio ny mpianatra hanaiky fa afaka miantehitra amin’ny fampianarana avy amin’ny mpaminany izy mba hahazoana tari-dalana sy fiarovana, na voasoratra ao amin’ny soratra masina izany na ambara ankehitriny.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara ny sasany amin’ireo torohevitra na fampitandremana avy amin’ny mpaminany noraisintsika amin’izao androntsika izao. Azon’izy ireo atao ny mitady ohatra ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (bokikely, 2022) na ao amina lahateny natao tamina fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao haingana.

Sahanasa fianarana azo atao

Fahababoana

Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity na hanao sarin’efitra figadrana tsotra eny amin’ny solaitrabe.

Jereo ity sary manaraka ity. Inona no mety hoeritreretin’io olona na ny zavatra tsapany?

Sary
Lehilahy ao anaty efitra figadrana

Hevero hoe inona no safidy tany aloha mety ho nitarika tsikelikely tamin’ireo toe-javatra ireo sy ny antony mety ho nanaovan’io olona io izany safidy izany.

Ny fandraisana anjara amina fitondrantena feno fahotana dia afaka mitarika ny olona ho amina fahababoana ara-panahy sy ara-batana.

Anio ianao dia handalina tantara iray izay hanampy anao hahatakatra fomba manan-danja iray hisorohana fahababoana ara-panahy. Rehefa mandalina ianao, dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy izay afaka manampy anao hahita ny fomba ampiharana ny zavatra nianaranao amin’ny fiainanao manokana.

“Azo antoka fa izany zavatra izany dia mitondra any amin’ny fahababoana”

Rehefa tonga tany amin’ny tany nampanantenaina ny Jaredita, dia nanompo tamim-pahatokiana ny Tompo izy ireo ary nitombo sy nihanatanjaka teo amin’ny tany (jereo ny Etera 6:17–18). Nony antomotra ny fiafaran’ny fiainan’i Jareda sy ny rahalahiny, dia nangonin’izy ireo ny olon’izy ireo, mba hitenenany amin’izy ireo.

Vakio ny Etera 6:19–23, hitadiavana ny zavatra nirìn’ny vahoaka.

  • Inona no fampitandremana nomen’ny rahalahin’i Jareda ny olona ao amin’ny andininy 23?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny fihetsika mety ho nasetrin’izy ireo raha tao amin’izany toe-javatra izany izy ireo. Azonao atao ny manasa azy ireo hieritreritra ny fomba mety ho nahafahan’ny fahalalan’izy ireo an’ Andriamanitra sy ny mpaminaniny niantraika tamin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Ny valin-tenin’izy ireo dia afaka manorina finoana sy fijoroana ho vavolombelona ao amin’ Andriamanitra sy ireo mpaminaniny.

Fampitandremana tanteraka

Na dia teo aza ny fampitandreman’ny rahalahin’i Jareda, dia mbola nisafidy ny hanana mpanjaka ihany ny vahoaka. Taorian’ny fandavan’ny maro tamin’ireo zanakalahin’izy ireo, dia nanaiky ny ho tonga mpanjaka ny zanakalahin’i Jareda nony farany ary nanjaka tamin’ny fahamarinana nandritra ny fiainany (jereo ny Etera 6:24–29; 7:1). Na izany aza, ny faminanian’ny rahalahin’i Jareda hoe hitarika amina fahababoana ny fisian’ny mpanjaka iray dia tanteraka imbetsaka nandritra ny tantaran’ny Jaredita.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, hitadiavana ohatra amin’ny fomba nahatanterahan’ny faminanian’ny rahalahin’i Jareda. Mety ho azonao atao ny manao lisitra ireo andinin-tsoratra masina ireo eo akaikin’ny Etera 6:23.

Asao hifandimby hamaky mafy ny sasany na ny rehetra amin’ireto andininy manaraka ireto ny mpianatra manolo-tena. Raha misafidy ny tsy hamaky ny andininy rehetra ianao, dia ataovy azo antoka fa tsy dinganinao ny Etera 7:1–5, izay milaza manokana fa tanteraka ny faminanian’ny rahalahin’i Jareda (jereo ny Etera 7:5). Mety hanampy ihany koa ny famakiana ny Etera 11:20–23, izay mampahafantatra an’i Etera mpaminany.

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tamin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io tantara io mikasika ny vokatry ny fandavana ireo mpaminanin’ny Tompo?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe ny fandavana ireo mpaminanin’ny Tompo dia mety hitarika amina fahababoana.

  • Inona avy no ohatra sasantsasany amin’ny fomba mety hiainan’ny olona iray fahababoana amin’ny alalan’ny fanaovana tsinontsinona na fandavana ireo mpaminanin’ny Tompo?

    Raha mila fanampiana amin’ny fanontaniana teo aloha ny mpianatra, dia hevero ny hizara ohatra vitsivitsy, toy ny mety hitrangan’ny hoe ny tsy fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena na fijerena pôrnôgrafia dia mety hitarika amin’ny fambaboan’ny fiankinan-doha. Alaovy antoka hoe takatry ny mpianatra fa ny endri-pahotana rehetra dia mampihena ny herin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no misafidy ny tsy hiraharaha ny torohevitra sy fampitandremana omen’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny olona?

Torohevitra mifanentana amin’ny vanim-potoana ankehitriny avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo

Ampio ny mpianatra mba hahita ny fomba mbola iharan’io fahamarinana io ankehitriny. Fomba iray anaovana izany ity sahanasa manaraka ity.

Mitadiava torohevitra na fampitandremana avy amina mpaminany sy apôstôly maoderina. Izany dia mety ho avy ao amin’ny Ho zatovo mahery! (bokikely, 2022), na avy amina lahateny tamina fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Jereo raha hitanao ny teny na andian-teny izay mamaritra ny fomba hitahiana antsika rehefa manaraka io torohevitra io isika, eo ihany koa ireo vokany mety hiainantsika amin’ny tsy firaharahana izany.

Mety hanampy raha atao ao anatina vondrona kely ny mpianatra ary omena lohahevitra samy hafa avy ao amin’ny Ho zatovo mahery! ny vondrona tsirairay mba hohalalinina (bokikely, 2022) rehefa mamita io sahanasa io. Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto. Omeo fotoana ampy ny mpianatra mba hifanakalozan’izy ireo hevitra momba ny valin-tenin’izy ireo amin’ny vondrona misy azy ireo.

  • Inona avy no fampitandremana na torohevitra vitanao ny nahita azy?

  • Inona avy no fomba sasantsasany hitahian’ny Tompo antsika rehefa manaraka ny toroheviny isika?

  • Amin’ny fomba ahoana no hoe mety hitarika ny olona iray ho amin’ny fahababoana ny tsy firaharahana io torohevitra io na ireo fampitandremana ireo?

Rehefa mahavita ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny sasany amin’ireo fahatakarana azon’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Mety hanampy raha asaina mizara ny valiny hitan’izy ireo amin’ireo fanontaniana vita lisitra etsy ambony ny mpianatra. Ohatra, ny mpianatra izay nandalina ny torohevitra avy ao amin’ny fizaràna hoe “Mandehana ao amin’ny fahazavan’ Andriamanitra” ao amin’ny Ho zatovo mahery! dia afaka manasongadina fa ny zavatra jerentsika, vakintsika, henointsika na andraisantsika anjara, dia afaka manasa eritreritra tsara na afaka mampihena ny fahafahantsika mahatsapa ny Fanahy. (jereo ny Ho zatovo mahery! [bokikely, 2022], 18).

Mampihatra izany amin’ny fiainanao

Eritrereto ny fomba amalianao ny torohevitra sy fampitandreman’ireo mpaminanin’ny Tompo, ireo fitahiana noraisinao tamin’ny fanarahana Azy ireo, ary ny torohevitra mety hilainao mba hanarahana amim-pahatokiana kokoa.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ohatra amin’ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo rehefa nanaraka ny toroheviny tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mizara zavatra niainanao manokana.

Ireto manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra izay mety hahatsapa ho kivy noho ny fahababoana iainan’izy ireo vokatry ny tsy firaharahana ny torohevitra avy amin’ireo mpaminanin’ny Tompo. Hevero ny hamaky ny Môzià 7:33 miaraka amin’ny iray kilasy.

Mety hahatsapa ho kivy ny sasany rehefa miaina vokatry ny tsy firaharahana ny torohevitra sy fampitandreman’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny izy ireo. Saingy na amin’ny fotoana nanaovantsika fahadisoana aza, dia afaka manafaka antsika amin’ny fahababoantsika ny Mpamonjy rehefa mitodika Aminy isika. Ohatra, vakio ny Etera 7:25–27, ary mariho ny zavatra nitranga rehefa nibebaka ny vahoaka ka niverina nitodika tamin’ Andriamanitra.

  • Inona no ampianarin’io andinin-tsoratra masina io anao momba ny Tompo? (jereo ihany koa ny Môzià 7:33).

Mba hahitana ohatra iray amin’ny fomba niainan’ny olona iray ny fanafahan’ny Tompo taorian’ny fiainana fahababoana ara-panahy, dia hevero ny hijery “The Immediate Goodness of God [Ny fahatsaran’ Andiamanitra eo no ho eo],” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 3:37 hatramin’ny 6:33.

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahina androany, ary amporisiho ny mpianatra hanao zavatra mifanaraka amin’ny fahatsapana ara-panahin’izy ireo.

Hamoaka printy