Seminera
Etera 6–11: Topimaso ankapobeny


“Etera 6–11: Topimaso ankapobeny” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Etera 6–11,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Etera 6–11

Topimaso ankapobeny

Na dia lavitra sy sarotra aza ny dian’ny Jaredita, dia fantatr’izy ireo fa nanampy azy ireo teny an-dalana ny Tompo. Nony tonga tany amin’ny tany nampanantenaina izy ireo, dia te hifidy mpanjaka ny vahoaka, izay nampitandreman’ny rahalahin’i Jareda fa hitarika amin’ny fahababoana. Tsy nihaino io fampitandremana io ny vahoaka, ary nisy fiantraikany goavana teo amin’ny taranaka maro izany. Nisy tsikombakomba miafina nipoitra teo anivon’izy ireo ary nitarika tamin’ny fandringanana azy ireo nony farany.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Etera 6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra ny soratra masina mba hianarana ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo mandritra ny dian’izy ireo eo amin’ny fiainany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny “Tsikombakomba Miafina” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org

  • Votoatin-javatra haseho: Ny dingana efatra amin’ny fampiharana ny soratra masina

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Rehefa avy nomena fotoana hizatra samirery hampihatra amin’ny tenany ny soratra masina ny mpianatra, dia hevero ny hametraka azy ireo anatina zana-bondrona mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny mpiara-mianatra vitsivitsy.

Etera 7–11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fanarahana ireo mpaminanin’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara ny sasany amin’ireo torohevitra na fampitandremana avy amin’ny mpaminany noraisintsika amin’izao androntsika izao. Azon’izy ireo atao ny mitady ohatra ao amin’ny Ho zatovo mahery! (bokikely, 2022) na avy amina lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao haingana.

  • Sary: Olona iray ao anaty efitra figadrana

  • Fitaovana: Tahadikan’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (bokikely, 2022) sy edisiôna vao haingan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany amin’ny Liahona ho an’ny mpianatra izay tsy afaka miditra amin’izany amin’ny alalana fitaovana nomerika

  • Horonan-tsary:Ny hatsaram-pon’ Andriamanitra mivantana” (11:39; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 3:37 hatramin’ny 6:33)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Rehefa manambatra lisitra fampitandremana avy amin’ny mpaminany maoderina izay afaka manampy antsika hiala amin’ny fahababoana ny mpianatra, dia hevero ny hampiasa ny fiasa solaitrabe fotsy mba hamelana azy ireo hirakitra an-tsoratra ny valin-tenn’izy ireo amin’ireo fanontaniana. Hevero ny hanasa azy ireo hanazava ny antony namalian’izy ireo tamin’ny fomba namalian’izy ireo sy ny fomba anehoan’ireo fampitandremana ireo ny fitiavan’ Andriamanitra antsika sy ny fikasany ho antsika.

Etera 8

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny filana mandà tsikombakomba miafina amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamantatra ny famaritana ny tsikombakomba miafina amin’ny alalan’ny fandalinana ny famintinana eo ambanin’ny lohateny hoe “Etera 8:7–26: Tsy miasa ao amin’ny haizina ny Tompo” ao amin’ny drafi-pandalinana “Etera 6–11: -Mba hanafoanana ny ratsy-” ao amin’ny Avia, hanatona Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024.

Etera 12:1–22

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra finoana handraisana tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy momba ny fahamarinana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ohatra avy ao amin’ny soratra masina izay nitondran’ny asa tamim-pahatokiana ho amina tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy, fitahiana, na valin-teny avy amin’ Andriamanitra.

  • Horonan-tsary:Ataovy izay manan-danja indrindra” (10:45; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 1:56 hatramin’ny 2:34 sy manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 2:34 hatramin’ny 3:10); “La force de la foi nous soutient dans les moments d’incertitude et de mise à l’épreuve” (15:54; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 5:08 hatramin’ny 5:53); “Pure and Simple Faith [Finoana madio sy tsotra]” (5:21)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Alohan’ny fotoam-pianarana, mangataha mpianatra iray na maromaro hiomana ny hizara zavatra niainana nandraisan’izy ireo tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy vokatry ny fiainana ny filazantsaran’ny Mpamonjy.

Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Etera 12:6, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hizaha andinin-tsoratra masina izay afaka manampy ny olona iray hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao ny mizaha ny lohahevitry ny “Finoana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hatadiavana soratra masina.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hametraka ny mpianatra ao anatina vondrona kely ao amin’ny zana-bondrona mba hifanakalo hevitra momba ilay rafi-tantara. Raha misafidy io safidy io ianao, dia alaovy antoka fa asehonao ao amin’ny chat ireo fanontanian’ny fifanakalozan-kevitra mba hahafahan’ny mpianatra mijery izany.

Hamoaka printy