Seminera
Etera 8: “Tsy miasa ao amin’ny tsikombakomba miafina ny Tompo”


“Etera 8: -Tsy miasa ao amin’ny tsikombakomba miafina ny Tompo,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Etera 8,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Etera 8

“Tsy miasa ao amin’ny tsikombakomba miafina ny Tompo”

Sary
Jesoa Kristy

Namely vondron’olona maromaro manerana ny Bokin’i Môrmôna ny tsikombakomba miafina. Io lamina io dia nipoitra teo amin’ny Jaredita ary nitarika ny fahapotehan’izy ireo mihitsy aza. Raha teo am-panoratany momba ny Jaredita i Môrônia mpaminany dia nampiditra fahamarinana manan-danja azontsika ianarana amin’ireo trangan-javatra manimba. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny filana mandà tsikombakomba miafina amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

Ampio ny mpianatra hikatsaka ny maha zava-dehibe izany. Rehefa afaka mampifandray ny zavatra halalinin’izy ireo ao amin’ny soratra masina amin’ny toe-javatra misy azy ireo ny mpianatra, dia mazoto kokoa hianatra sy hampihatra ny fampianaran’ny filazantsara izy ireo amin’ny ankapobeny. Asao ny mpianatra mba hikatsaka ny maha zava-dehibe izany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe “Ahoana no mety hitovitovian’io tranga na fampianarana io amin’ny zavatra niainanao?” na “Ahoana no iharan’io fahamarinana io amin’ny fiainanao?”

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny “Tsikombakomba Miafina” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

Sahanasa fianarana azo atao

Asa an-tsokosoko

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe tsiambaratelo, avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no sasantsasany amin’ireo fomba ampiasan’i Satana ny tsiambaratelo mba hanatanterahany ny tanjony ratsy?

  • Ahoana no hiantraikan’ny tsiambaratelo toy izany amin’ny fifandraisan’ny olona iray amin’i Jesoa Kristy? Nahoana?

  • Inona no tianao ho fantatry ny olona iray izay mahatsapa fa afaka ny ho afa-maina amin’ny fanaovan-dratsy satria hazonin’izy ireo ho tsiambaratelo izany?

Anio ianao dia hianatra mombana vondron’olona iray izay nandray anjara tamina asa miafin’ny faharatsiana fantatra amin’ny hoe tsikombakomba miafina. Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fampianarana izay manampy anao hahatakatra ny loza ateraky ny tsikombakomba miafina.

Faharatsiana teo amin’ny Jaredita

Mety tsaroanao fa taorian’ny nahatongavan’ny Jaredita tany amin’ny tany nampanantenaina, dia nanendry mpanjaka iray izy ireo hanapaka teo amin’izy ireo na dia teo aza ny fampitandreman’ny rahalahin’i Jareda fa hitarika amin’ny fahababoana ny fanaovana izany (jereo ny Etera 6:22–23). Tamin’ireo taranaka nanaraka izany, dia nisy mpanjaka ratsy fanahy nahatonga fizarazarana sy fijaliana teo amin’ny vahoaka.

Azonao atao ny manasa mpianatra manolo-tena vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ireto andininy manaraka ireto amin’ny iray kilasy fa ny ambin’ny mpianatra kosa manaraka ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

Vakio ny Etera 8:1–10, hitadiavana ny zavatra niseho tamin’ny fotoana nahatongavan’ny lehilahy iray nantsoina hoe Ômera ho mpanjaka.

Nanaiky ny teti-dratsin’ny zanany vavy i Jareda. Rehefa nangataka ny zanakavavin’i Jareda ho vadiny i Akisa, dia niditra tamina tsikombakomba miafina hamono an’i Ômera i Akisa, i Jareda, ny zanany vavy, ary ny olona hafa tao amin’ny fianakaviana (jereo ny Etera 8:11–15).

Ireo loza ateraky ny tsikombakomba miafina

Ny tsikombakomba miafina dia “vondron’olona mifamatotra amin’ny fianianana mba hanatanterahana ny tanjona ratsy izay kendreny” (“Tsikombakomba Miafina,” Torolalana ho an’ny Soratra Masina, scriptures.ChurchofJesusChrist.org). I Satana no mpamorona tsikombakomba miafina (jereo ny Helamàna 6:25–30).

Amin’ny maha mpitantara io tantara io azy, i Môrônia mpaminany dia nizara fampianarana manan-danja maromaro sy fampitandremana momba ny tsikombakomba miafina. Vakio ny Etera 8:18–25, hitadiavana ny fahatsapan’ny Tompo momba ireo tsikombakomba miafina.

Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany tamin’ireo andininy ireo. Ankoatra ireto fanontaniana manaraka ireto, dia mety ho azonao heverina ihany koa ny hanontany hoe: “Inona no fampitandremana nomen’i Môrônia ireo izay mandray anjara amina tsikombakomba miafina?”

  • Inona no nianaranao momba ny tsikombakomba miafina avy tamin’ireo andininy ireo?

Fahamarinana iray azontsika ianarana amin’ireo andininy ireo ny hoe maharikoriko eo imason’ Andriamanitra ny tsikombakomba miafina (Etera 8:18).

Mba hanampiana anao hahatakatra kokoa ny antony mampaharikoriko amin’ny Tompo ny tsikombakomba miafina, dia vakio ireto soratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ny zavatra ianaranao momba an’i Jesoa Kristy:

Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany tamin’ireo andininy ireo. Azo ampiasaina ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no nianaranao tamin’ireo andininy ireo ka mety ho afaka nanampy ny olona nohalalininao tao amin’ny Etera 8?

  • Inona no nampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny Tompo?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana ireo manampy ny tanora ankehitriny?

Namarana ny fampianarany momba ny tsikombakomba miafina tamin’ny alalan’ny fanazavana ny antony nampidirany ireo fampitandremana ireo i Môrônia. Vakio ny Etera 8:26, hitadiavana ny zavatra tian’i Môrônia ho fantatsika.

  • Inona no nianaranao momba ny antony nampidiran’i Môrônia ireo fampianarana ireo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona no nianaranao androany ka afaka mandresy lahatra anao hanara-dia an’i Jesoa Kristy feno kokoa?

Hevero ny hizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fomba andrisihan’ireo fahamarinana nampianarina tao amin’io lesona io anao mba hatoky sy hanara-dia an’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy