Seminera
Etera 6: Nandeha nankany amin’ny tany nampanantenaina ireo Jaredita


“Etera 6: Nandeha nankny amin’ny tany nampanantenaina ireo Jaredita,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Etera 6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Etera 6

Nandeha nankany amin’ny tany nampanantenaina ireo Jaredita

Sary
Sambo Jaredita atopatopan’ny onja

Alaovy sary an-tsaina hoe mety ho toy ny fahatsapan’ny Jaredita raha niditra ny sambony izy ireo ka niampita ny rano be nandritra ny dian’izy ireo nankany amin’ny tany nampanantenaina. Na dia lavitra sy sarotra aza ny dian’ny Jaredita, dia fantatr’izy ireo fa nanampy azy ireo teny an-dalana ny Tompo. Afaka manampy antsika mandritra ny diantsika mamakivaky ny fiainana an-tany sy miverina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra ihany koa ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampihatra ny soratra masina mba hianarana fahamarinana izay afaka manampy anao mandritra ny dian’ny fiainanao.

Ampio ny mpianatra tsirairay handray anjara amin’ny traikefa amin’ny fianarana. Ampahafantaro tsy ankifonofono fa ilaina ny mpianatra tsirairay ary manana anjara biriky hoentina. Ny mpianatra sasany dia mety hirona handray anjara kokoa noho ny hafa. Manaova ezaka fanampiny ary manàna saina mpahary mba hamporisihana ny mpianatra tsirairay handray anjara amin’ny fomba manan-danja.

Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny Etera 6:1–12 sy mieritreritra lafiny amin’io tantara io izay mety hihatra an-kolaka amin’ny fiainan’izy ireo. Ny sahanasa fandalinana an’ireo andininy ireo ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2024 dia afaka hanampy amin’izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny dian’ny fiainana

Ity manaraka ity dia natao hanampiana amin’ny fanomanana ny mpianatra hampihatra ny fandalinan’izy ireo ny Etera 6 amin’ny fiainan’izy ireo. Ankoatra ny fanasana ny mpianatra hamita ny sahanasa ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo, dia hevero ny hamita izany eny amin’ny solaitrabe.

Ny fiainantsika etỳ an-tany dia azo ampitahaina amina dia lavitra, ka ny toerana irìna hitodiana dia ny fiainana mandrakizay. Soraty eo amin’ny diary fandalinanao eo amin’ny ilan’ny pejy ny hoe “Izaho” ary ery amin’ny ankilany kosa ny hoe “Fiainana mandrakizay”. Soraty eo amin’ny toerana eo anelanelan’ireo lohateny roa ireo ny sasany amin’ireo sakana izay mety hitranga mandritra ny diantsika ka manasarotra ny fiverenantsika amim-pahamendrehana amin’ny Ray any An-danitra. Avy eo dia eritrereto ny fizotran’ny dianao mankany amin’ny fiainana mandrakizay sy ny hoe inona amin’ireo sakana hita ireo no atrehinao amin’izao fotoana izao.

Anio ianao dia handalina momba ny dia nataon’ny Jaredita nankany amin’ny tany nampanantenaina rehefa vitan’izy ireo ny fanamboarana ny sambon’izy ireo. Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao handresy ireo sakana atrehinao eo amin’ny dianao miverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra.

Mampihatra ny soratra masina amin’ny fiainanao

Ireto dingana manaraka ireto dia afaka manampy anao hampitaha, na hampihatra ny zavatra hovakinao ao amin’ny soratra masina amin’ny toe-javatra iainanao manokana. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny lohateny hoe “Fomba hampiharana ny soratra masina amin’ny fiainako”. Raketo an-tsoratra eo ambanin’ilay lohateny ireto dingana ireto.

Asehoy ireo dingana ireo mba hahafahan’ny mpianatra mandika azy ireo ao amin’ny diarin’izy ireo.

  1. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.

  2. Manaova fampitahana.

  3. Fantaro ireo lesona sarobidy.

  4. Fantaro ny fomba fampiharana azonao manokana atao.

Alohan’ny hanomezana ny mpianatra fahafahana mampihatra samirery ny fampiasana ireo dingana ireo, dia hevero ny hiara-mampihatra amin’ny iray kilasy ity ohatra manaraka ity. Alaovy antoka hoe misy fotoana betsaka hanaovan’ny mpianatra fampiharana samirery rehefa avy eo aorian’ny lesona.

Dingana 1: Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja

Vakio ny Etera 6:1–3, hitadiavana antsipiriany manan-danja. Mety ho isan’ireny antsipiriany ireny ny olona, na toerana, na zavatra, na fihetsika izay nasongadina.

Angataho ny mpianatra hizara antsipiriany manan-danja hitan’izy ireo ao amin’ireo andininy ireo. Azo soratana eny amin’ny solaitrabe izany. Azonao atao ny manondro ireto manaraka ireto ianao:

Antsipiriany manan-danja iray mety tsikaritrareo ny hoe nataon’ny Tompo namirapiratra ireo vato nentin’ny rahalahin’i Jareda teo Aminy teo aloha (jereo ny Etera 3:1–6) mba hananan’ny Jaredita hazavana ao amin’ny sambon’izy ireo.

Dingana 2: Manaova fampitahana

Eritrereto ny fomba ahafahan’ireo antsipiriany hitanareo tao amin’ny dingana teo aloha mitaha amin-javatra ara-panahy na toe-javatra eo amin’ny fiainanareo.

  • Inona avy no fampitahana azonareo atao amin’ireo antsipiriany hitanareo tao amin’ny dingana teo aloha?

Ohatra, mety ho nampitaha ny vato mamirapiratra tamin’ireo loharanon’ny hazavana ara-panahy nitahian’ny Ray any An-danitra antsika ianareo, toy ireo fampianarana sy ohatr’i Jesoa Kristy, ny Fanahy Masina, ny soratra masina ary ireo mpaminany velona. (Jereo ny Salamo 119:105; Jaona 8:12; ary ny 1 Nefia 17:13. Azonareo atao ny mampifandray ireo andininy ireo amin’ny Etera 6:3.)

Dingana 3: Fantaro ireo lesona sarobidy

Eritrereto ny lesona na fahamarinana ianaranareo rehefa mampitaha ireo andininy ireo amin’ny fiainanareo na zavatra ara-panahy ianareo. Hevero ihany koa ny zavatra ianaranareo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Inona avy no lesona na fahamarinana sasantsasany ianaranareo avy amin’ireo andininy ireo? Inona no hitanareo ka afaka manampy anareo amin’ny fiainanareo andavanandro?

Fahamarinana iray ianaranatsika ny hoe Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia manome antsika tari-dàlana sy fahazavana mba hanampiana antsika amin’ny diantsika mandritra ny fiainana an-tany.

Mety ho azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny sasantsasany amin’ireo fomba nanomezan’ Andriamanitra azy ireo tari-dàlana sy fahazavana ara-panahy teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Dingana 4: Farito ny fampiharana ataon’ny tena manokana

Saintsaino ny fomba ahafahanareo mampihatra eo amin’ny fiainanareo ireo lesona hitanareo tao amin’ny dingana teo aloha.

  • Inona no azonareo atao mba hanarahana na handraisana misimisy kokoa amin’ny fahazavan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanareo?

Mety ho nieritreritra asa tahaka ny fanatsarana ny fandalinanareo soratra masina ianareo, na ny fikatsahana am-bavaka ny tari-dalana avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny fanapahan-kevitrareo isan’andro, na ny fiezahana amim-pahazotoana kokoa hihazona ny Fanahy Masina hiaraka aminareo lalandava.

Manaova fanazaran-tena mampihatra andininy hafa avy ao amin’io tantara io

Sary
Sambon’ny Jaredita

Azon’ny mpianatra atao ny mamita samirery, na miaraka amina namana iray, na anatina vondrona kely ity sahanasa manaraka ity.

Halalino amin’ny alalan’ny famakiana ny Etera 6:4–12 ny ambin’ny tantaran’ny dian’ny Jaredita nankany amin’ny tany nampanantenaina. Mitadiava fomba misimisy kokoa ahafahan’ny dian’ny Jaredita mifandray amin’ny dianao mamakivaky ny fiainana. Rehefa mandalina ianao, dia ampiharo ny fampiasana ny dingana arahina misy dingana efatra amin’ny fampiharana ny soratra masina.

Jereo tsara ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Rehefa avy nanana fotoana ampy nandalinana ny mpianatra, dia ifanakalozy hevitra ny zavatra nohalalinin’izy ireo. Raha mila fanampiana misimisy kokoa izy ireo, dia hevero ny hametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona no nampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona avy no sasantsasany amin’ireo “rivo-mahery” (Etera 6:5) avelan’ny Tompo iainantsika eo amin’ny fiainantsika? Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa ireo fitsapana na zava-tsarotra atrehantsika dia hanampy antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra?

  • Inona avy no lafin-javatra sasantsasany izay mety hahatsapanao hoe “milevina” (Etera 6:6) mandritra ny dianao eto amin’ny fiainana an-tany? Inona no hitanao tao amin’ny andininy 7 ka afaka manampy anao mandritra ny fotoana toy izany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao ireo Jaredita no nidera ny Tompo nandritra ny dia sarotra nataon’izy ireo? (jereo ny Etera 6:9). Inona no afaka manampy anao hahatsapa fankasitrahana an’ Andriamanitra, na dia amin’ny fotoana iatrehanao fitsapana aza?

Aorian’ny fifanakalozan-kevitra dia asao ny mpianatra mba hieritreritra ny fomba ahafahan’ny zavatra nohalalinin’izy ireo androany manampy azy ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo, ao anatin’izany ny amin’ireo sakana izay hitan’izy ireo tany aloha. Amporisiho izy ireo hirakitra an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo izay fitaomam-panahy sy ireo hevi-baovao tian’izy ireo hotadidìna.

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana noresahina androany. Amporisiho ny mpianatra hanohy hampihatra ny zavatra novakin’izy ireo tao amin’ny soratra masina amin’ny fiainan’izy ireo.

Hamoaka printy