Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 24: Takaro ary hazavao


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 24: Takaro ary hazavao,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 24,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 24

Takaro ary hazavao

Sary
zatovolahy mandalina ny soratra masina

Ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy anao hahatakatra sy hanazava ny fotopampianaran’ny Mpamonjy amin’ny teninao manokana. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hampitombo ny fahatakaranao sy hanazava ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana samihafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Fantaro bebe kokoa ny momba ireo mpianatrao. Mitadiava fahafahana hamantarana ny mpianatra. Ny fandinihana sy ny fanontaniana amin-kitsimpo dia afaka mitarika anao hahafantatra misimisy kokoa ny zavatra manan-danja amin’ny mpianatra iray. Rehefa mahatakatra misimisy kokoa momba ny mpianatrao ianao, dia afaka manampy anao hampifantoka ny fampianaranao amin’ny zavatra ilain’izy ireo ny Fanahy Masina.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hisafidy am-bavaka andinina fifehezana fotopampianarana iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mba handalinana izay zavatra tian’izy ireo ho takatra tsara kokoa. Angataho izy ireo hifanakalo hevitra momba ilay andininy amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, namana akaiky, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary ho tonga efa vonona hizara ny zavatra ianaran’izy ireo momba ilay andininy avy ao amin’ny fifanakalozan-kevitr’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Mametraka fanontaniana

Hevero ny hanasa ny mpianatra hitady olona iray ao amin’ny kilasy izay mety tsy dia fantatr’izy ireo tsara. Asao izy ireo handany minitra vitsy hametrahana fanontaniana mba hanampy azy ireo hifankafantatra. Raha ilaina, omeo oha-panontaniana mety ho azon’izy ireo apetraka izy ireo, toy ny hoe “Inona no zavatra tianao ny manao azy?” sy ny hoe “Inona avy no taranja sasantsasany tianao indrindra any am-pianarana?”

Mieritrereta olona iray fantatrao tsara.

  • Ahoana no nahafantaranao azy?

  • Inona no anjara asa notanan’ny fametrahana fanontaniana tamin’ny fahafahanao tonga tamin’ny fahalalana azy?

  • Mety hanao ahoana ny fahasamihafan’ny fifandraisanareo raha tsy nametraka fanontaniana mihitsy ianao?

Tahaka ny maha-zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana mba hahalalana ny olona iray mivantana, dia tena ilaina ihany koa ny mametraka fanontaniana rehefa mandalina soratra masina ianao mba hahatongavana amin’ny fahalalana sy fahatakarana tsara kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’izany.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra toy izao: “Ny fahazoana tari-dalana ara-tsoratra masina dia ampian’ny fametrahana fanontaniana mifanaraka amin’izany” (“Living by Scriptural Guidance,” Ensign, nôv. 2000, 18).

Ny fametrahana fanontaniana mikasika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy antsika hahatakatra tsara kokoa izany ary hanasa bebe kokoa ny fitarihan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika.

Hevero ny hampiseho ireo toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna na hampiseho amin’ny mpianatra ny toerana ahafahan’izy ireo mahita izany ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Raha tianao, dia ampiasao ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 24 rehetra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ho an’ity famerenana ity, na mifidiana vitsivitsy fotsiny, arakaraka ny zavatra ilain’ny kilasy.

Hevero ny hanao ity sahanasa manaraka miaraka amin’ny iray kilasy amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Avy eo dia asao hamerina ilay sahanasa amin’ny alalan’ny fampiasana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray hafa safidin’izy ireo ny mpianatra. Azon’ny mpianatra atao ny miasa ao anaty vondrona, tsiroaroa, na tsirairay, arakaraka ny zavatra ilain’izy ireo sy tian’izy ireo kokoa.

Misafidiana iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tianao ho takatra tsara kokoa ary vakio tsara izany. Mitadiava fanontaniana roa farafahakeliny azonao apetraka momba ilay andininy mba hahatakarana tsara kokoa azy ary soraty izany. Ohatra, rehefa mamaky ny 3 Nefia 27:20 ianao, dia mety ho afaka manontany hoe: “Inona no dikan’izany hamasinina izany?” Na rehefa mamaky ny Môrônia 10:3–5 ianao, dia mety ho afaka manontany hoe: “Inona no dikan’izany hoe manontany ‘omban’ny tena finiavana’ izany?”

Mitadiava valin’ireo fanontaniana noeritreretinao; mampiasà fitaovana fandalinana soratra masina toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, , na lahateny tamina fihaonambe maneran-tany mihitsy aza. Azonao atao ny mampiasa tetikady fandalinana soratra masina hafa izay fantatrao, toy ny fandalinana ireo andininy manodidina mba hahatakarana tsara kokoa ny sahan-kevitr’ireo andininy.

Mba hanampiana ny mpianatra hifampiresaka, dia hevero ny hangataka azy ireo hanoratra ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidin’izy ireo sy ny fanontanian’izy ireo amina taratasy iray misy ny anaran’izy ireo. Asao hanakalo ny taratasin’izy ireo amina mpianatra iray hafa ny mpianatra. Raha tsy izany dia asao ny mpianatra hampita ny taratasiny eny aloha mba hahafahan’ireo taratasy ho voasokajy sy ho voazara amin’ny mpianatra hafa amin’ny fomba kisendrasendra. Angataho hirakitra an-tsoratra ny valin’ireo fanontaniana eo amin’ilay taratasy nomena azy ireo ny mpianatra. Aorian’ny fotoana ampy dia asao ny mpianatra hamerina ny taratasy any amin’ny mpianatra voasoratra anarana eo amin’izany.

Omeo fotoana ny mpianatra mba hisaintsaina ny valiny nosoratan’ny mpianatra hafa ary, raha ilaina, dia hitady valiny hafa ao amin’ny soratra masina, amin’ny alalan’ny vavaka, sy ny sisa.

Tsarovy fa mety tsy hahita valiny amin’ny fanontanianao rehetra ianao rehefa mandalina. Saingy rehefa manohy mampihatra finoana ny Tompo ianao, dia hanampy anao hahafantatra ny fahamarinan’ny zavatra katsahinao Izy.

Manasà mpianatra maromaro hizara ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nofidin’izy ireo, ny sasany amin’ireo fanontaniana nosoratan’izy ireo, ary ny valiny hitan’izy ireo na ny mpiara-mianatra amin’izy ireo. Fanampin’izany, hevero ny hanontany ny zavatra nanampian’ilay andininy azy ireo ho takatra momba ny Mpamonjy na ny filazantsarany.

Raha ampy ny fotoana (na amin’ny andro hafa), dia hevero ny hanasa ny mpianatra hamerina ilay sahanasa amin’ny fampiasana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa.

Amporisiho hanohy hametraka fanontaniana momba ny soratra masina sy hikatsaka valiny ny mpianatra.

Hamoaka printy