Seminera
Etera 4–5: “Famelabelarana aminy ny fanambarako rehetra”


“Etera 4–5: ‘Famelabelarana aminy ny fanambarako rehetra,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Etera 4–5,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Etera 4–5

“Famelabelarana aminy ny fanambarako rehetra”

Sary
ireo takela-bolamena

Mahatsapa ho vonona hianatra misimisy kokoa avy amin’ny Tompo ve ianao? Raha tsia, inona no azonao atao? Ny Tompo dia nandidy an’i Môrônia hamehy ilay fahitan’ny rahalahin’i Jareda voarakitra an-tsoratra ary koa nanazava fa ho ambara ireo rakitsoratra ireo rehefa manana finoana tahaka ny nananan’ny rahalahin’i Jareda ny vahoaka. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ny zavatra azonao atao mba hahazoana fanambarana misimisy kokoa.

Ampio hahita heviny ho an’ny tenan’izy ireo manokana ao amin’ny soratra masina ny mpianatra. Amporisiho hampiasa fahaiza-mandalina samihafa ny mpianatra, mba hanatsarana ny fahatakaran’izy ireo ny soratra masina. Azon’ny mpianatra atao ny mitady antsipiriany ao amin’ny fizotran’ny tantara, manao fampitahana sy fampifandraisana ny tantara sy ny fiainan’izy ireo manokana, ary mamaritra ny fomba hampiharan’izy ireo ny zavatra nianaran’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Etera 4 ao anatin’ny fandalinan’izy ireo isan’andro ny soratra masina ny mpianatra, ka hitady fahamarinana izay afaka manampy azy ireo handray fanambarana hafa avy amin’ny Tompo.

Sahanasa fianarana azo atao

Rehefa vonona isika

Mieritrereta zavatra iray izay sarobidy manokana aminao na ny fianakavianao.

Azonao atao ohatra ny mampiseho na milaza zavatra izay sarobidy eo imasonao.

  • Na dia mety ho tianao aza ny mizara io zavatra io amin’ny hafa, nahoana no mety ho tena hitandrina be ianao amin’ny famelana ny ankizy kely iray hitazona azy?

  • Inona no zavatra mila ianaran’ny ankizy iray na ataony izay vao atokisanao amin’izany zavatra izany izy?

Tahaka izany koa, ny Tompo dia tia manambara fahamarinana amintsika, saingy miandry Izy mandra-pahavonona antsika handray izany (jereo ny Almà 12:9–11).

Ilay ampahany nofehezina amin’ny Bokin’i Môrmôna

Ohatra iray amin’ny fiandrasan’ny Tompo mandra-pahavononantsika izay vao manambara fahamarinana ny ampahany nofehezina amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nodidina tsy hanokatra na handika izany ampahany izany i Joseph Smith (jereo ny Etera 5:1). Izy io dia mirakitra ny rakitsoratra momba ny fahitana nomena ny rahalahin’i Jareda.

Mba hanampiana anao hianatra momba ilay ampahany nofehezina amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia ampiasao ireo soratra masina voatanisa anatina fononteny mba hamaliana ireto fanontaniana marina sa diso ireto.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hitady ny valin’ireo fanontaniana marina sa diso ireo anatina vondrona kely. Raha tsy izany dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ireo fanambarana sy hieritreritra ny valiny, avy eo dia mamaky ireo andininy mba hahitana raha marina ny azy ireo.

Marina ny valiny telo voalohany raha toa ka diso kosa ny roa farany.

  1. Naneho ny Tenany tamin’ny rahalahin’i Jareda ny Mpamonjy ary nanompo azy (Etera 3:20).

  2. Ny Tompo dia naneho tamin’ny rahalahin’i Jareda ny mponina rehetra tamin’ny tany, izay efa nisy sy izay hisy, tsy nisy na inona na inona nohazoniny tsy ho hitany (Etera 3:25; 4:4).

  3. Nandidy ny rahalahin’i Jarèda ny Tompo mba hanoratra ireo zavatra izay hitany sy hamehy ny rakitsorany. Izany dia tamina fiteny iray izay nokorokoroin’ny Tompo ary tsy hay vakina raha tsy misy mpandika teny avy amin’ Andriamanitra (Etera 3:21–22, 24, 27; 4:1).

  4. Nomen’ny Tompo vato telo izay azo ampiasaina handikana ilay rakitsoratra ny rahalahin’i Jareda (Etera 3:23–24, 28).

  5. Tsy misy olona efa namaky ny rakitsoratry ny rahalahin’i Jareda (Etera 4:2–5).

Mahazo fanambarana misimisy kokoa

Tamin’ny alalan’i Môrônia, ny Tompo dia nanambara ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hanatonana Azy, handraisana fanambarana, ary hiomanana handray fanambarana misimisy kokoa voarakitra ao amin’ilay ampahany voafehy amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny ftsipika tsy feno voasoratra eo ambany.

Vakio tsara ny Etera 4:5–15, hitadiavana fomba hamenoana ity fahamarinana manaraka ity. Ny andian-teny hoe “ireny zavatra ireny” ao amin’ny andininy 8 sy 11 dia manondro ny Bokin’i Môrmôna. Ny voaly, tahaka ny ohatra nomena ao amin’ny andininy 15, dia lamba izay ampiasaina handrakofana na hanafenana zavatra iray.

  • Hitahy antsika amina fanambarana misimisy kokoa ny Tompo rehefa … isika

Asao ny mpianatra mba hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny andian-teny avy ao amin’ny soratra masina izay afaka mameno marina tsara io fitsipika io. Mety ho azon’izy ireo ampidirina ihany koa ny andininy izay nahitany ireo andian-teny ireo. Ohatra amin’izany ireto manaraka ireto:

  • “mibebaka … ary tonga madio eo anoloan’ny Tompo” (Etera 4:6)

  • “mampihatra finoana” (Etera 4:7)

  • “[mino] ireny zavatra ireny” (manondro ny zavatra efa nambaran’ny Tompo, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna) (Etera 4:8, 11)

  • “tonga ao [amin’ny Mpamonjy]” (Etera 4:13–15)

  • mivavaka “amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina” (Etera 4:15)

Hevero ny hanontany raha manana fanontaniana momba ireo andian-teny ireo ny mpianatra. Raha toa ka izany dia ataovy ity sahanasa manaraka ity:

Raha toa izany ka hanampy anao hahatakatra tsara kokoa ny tsirairay amin’ireo andian-teny ireo, dia jereo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ny Application Médiathèque de l’Évangile ny andian-teny manan-danja. Ohatra, mety hanampy ny fijerena ny hoe “fo torotoro” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ireo asa ireo, dia asao hanao ny iray farafahakeliny amin’ireto manaraka ireto izy ireo:

  1. Mieritrereta ohatra avy ao amin’ny soratra masina na amin’izao androntsika izao amin’ny olona iray manao ny iray na maromaro amin’ireo asa ireo. Soraty ny fomba nitondran’ireo asa ireo tamina fanampiana sy fanambarana avy amin’ny Tompo.

  2. Mieritrereta fotoana iray nitondran’ny fanaovana ny iray na maromaro tamin’ireo asa ireo tamina valiny na fitarihana avy amin’ny Tompo teo amin’ny fiainanao. (Ohatra iray amin’izany ny fisaintsainana ny zavatra nianaranao avy amin’ny fandalinanao hatramin’izao ny Bokin’i Môrmôna sy inoanao amin’ny alalan’izany ary ny fomba nitondran’izany tamina fanambarana teo amin’ny fiainanao.)

Asao hizara ny ohatra sy zavatra niainan’izy ireo ny mpianatra.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no hitahy antsika amina fanambarana misimisy kokoa ny Tompo rehefa miaina amin’ilay fomba faritany ao amin’ny andininy 5–15 isika?

  • Nahoana no mety hahatonga antsika ho tsy voaomana ho amina fanambarana misimisy kokoa ny tsy fahatongavantsika ho ilay karazan’olona nofaritan’ny Tompo?

  • Inona no ampianarin’izany anao momba ny Tompo sy ny karazan’olona tiany hahatongavantsika?

Ny Tompo dia hamoaka ilay ampahany nofehezina amin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny “fotoana mahamety izany” (2 Nefia 27:21) rehefa mampihatra ilay finoana toy ny an’ny rahalahin’i Jareda isika (jereo ny Etera 4:7). Mitovitovy amin’izany, mety misy fanambarana misimisy kokoa izay mbola miandry ny hanomezan’ny Tompo azy anao. Hamaranana ity lesona ity, dia ataovy ity manaraka ity:

  • Avereno jerena ny famaritana ao amin’ireo andininy ireo momba ireo izay mampihatra finoana sy hamasinina, saintsaino ny lafiny itovianao amin’izy ireo ary inona no lafiny mety ilainao hatsaraina.

  • Misaintsaina ary mivavaha mba hahalala ny zavatra hampanaovin’ny Tompo anao mba handraisana fanambarana misimisy kokoa avy Aminy. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao.

Manasà mpianatra maromaro hizara ny eritreritra sy fahatsapan’izy ireo momba ny zavatra nianaran’izy ireo androany, raha tsy mahakasika azy ireo manokana loatra izany. Zarao ihany koa ny eritreritra sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana.

Hamoaka printy