Seminera
Etera 1: “Mitalaho amin’ny Tompo”


“Etera 1: ‘Mitalaho amin’ny Tompo,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Etera 1,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Etera 1

“Mitalaho amin’ny Tompo”

Sary
zatovovavy iray mivavaka

Ahoana no iovan’ny fifandraisanao amin’ny Tompo rehefa miatrika zava-tsarotra ianao? Rehefa nanandrana nanangana tilikambo iray hahatratra ny lanitra ny olona ratsy fanahy, dia nanorokoro ny fitenin’izy ireo ny Tompo mba tsy hifankazahoan’izy ireo (jereo ny Genesisy 11:1–9). Nitalaho tamin’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda, niangavy mba hitsimbinana ny fianakaviany sy ny namany amin’io fanakorokoroana io (jereo ny Etera 1:34–37). Namaly ny vavaka mafy nataony tamim-pangorahana sy famindram-po ny Tompo. Ity lesona ity dia natao hanainga anao hivavaka amin-kitsimpo sy tsy miovaova kokoa.

Mampianatra hevi-dehibe fototra. Mety haheno matetika mombana hevi-dehibe fototra ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (toy ny vavaka) ny mpianatra. Ny fanampiana ny mpianatra hahita ny fomba ahafahan’ireo hevi-dehibe fototra ireo mitahy ny fiainan’izy ireo dia afaka manampy azy ireo hijanona handray anjara ao amin’ny lesona izay ampianarana ireo hevi-dehibe fototra ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Etera 1:34–37 sy hanisy marika ny andian-teny hoe “mitalahoa amin’ny Tompo” ny mpianatra. Angataho izy ireo ho tonga efa vonona hizara ny dikan’io andian-teny io amin’izy ireo sy ny mety hampiavaka izany amin’ny fomba fivavahantsika indraindray.

Sahanasa fianarana azo atao

Hetsika amin-kitsimpo sy tsy miovaova

Hevero ny hampiseho na hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireto fanambarana misy banga fenoina ireto. Asao handeha tsiroaroa na hanao vondrona kely ny mpianatra ary hizara ny fomba mety hahafahan’izy ireo mameno ny banga.

Mieritrereta asa iray tsara hatao, toy ny fandalinana, fanaovana fanazaran-tena, na fanompoana ny hafa. Ampiasao ao amin’ireto fanambarana manaraka ireto izany asa izany, ary fenoy amin’ny fomba mifanaraka amin’izany ireo andian-teny.

  • Raha (asa) tsindraindray ny olona iray, dia .

  • Raha (asa) amin-kitsimpo sy tsy miovaova mandritra ny fotoana ela ny olona iray, dia .

  • Ahoana no mety ahafahanao mameno ireo fanambarana ireo amin’ny alalan’ny fampiasana asa arahim-bavaka?

    Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra amin’ity fanontaniana manaraka ity.

  • Inona avy no antony sasantsasany mety mahatonga antsika tsy mahitsy na tsy miovaova mandrakariva araka izay irintsika ao anatin’ny vavaka ataontsika?

Asao hisaintsaina ny valintenin’izy ireo amin’ny fanontaniana ao amin’ity andiam-pehezanteny manaraka ity ny mpianatra. Aza manasa azy ireo hizara ny valintenin’izy ireo.

Makà fotoana hisaintsainana ny vavakao manokana. Inona no manampy anao ho mahitsy sy tsy miovaova? Inona no mety hanakana anao tsy ho mahitsy sy tsy miovaova? Nahoana no mety te hihatsara ianao?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia mitadiava fahamarinana izay mety hanampy anao amin’ny vavaka ataonao.

Ny bokin’i Etera

Teo amin’io fotoana io ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no nampidirin’i Môrônia ny bokin’i Etera. Izy io dia ahitana ny tantaran’ny Jaredita. Nadika avy amin’ireo takela-bolamena 24 hitan’ireo olona nalefan’i Limia izy io (jereo ny Môzià 8:7–11; Etera 1:1–2). Io boky io dia manomboka amin’ny tantaran’ny rahalahin’i Jareda sy ny vavaka nataony tamin’ny Tompo. Jereo ity tetiandro manaraka ity (notombanana ny daty) mba hahitana ny fotoana niainany ampitahaina amin’ny olona hafa nohalalininao tao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity:

Hevero ny hampiseho ity tetiandro manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fotoana niainan’ny Jaredita. Ny fahatakarana io sahan-kevitra ao amin’ny soratra masina io dia afaka manampy ny mpianatra hahazo hevi-baovao misimisy kokoa rehefa mandalina izy ireo.

Sary
tetiandron’ny Bokin’i Môrmôna manomboka amin’ny 3000 talohan’i Kristy hatramin’ny 400 taorian’i Kristy

Vakio ny Etera 1:33 mba hahitana ny zavatra nitranga teo am-panombohan’ny tantaran’ny Jaredita.

  • Inona no fantatrao momba ilay “tilikambo lehibe” sy ny “nanakorokoroan’ny Tompo ny fitenin’ny olona” (Etera 1:33)?

Henoy ny valintenin’ny mpianatra ary fintino ity tantara manaraka ity na jereo ity horonan-tsary manaraka ity raha ilaina.

Raha tsy mahazatra anao io tantara io, dia hevero ny hijery ilay horonan-tsary hoe “Ny tilikambon’i Babela” (0:58), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ny Genesisy 11:1–9 (jereo ihany koa ny andiam-pehezanteny faharoa amin’ny pejin-dohateny amin’ny Bokin’i Môrmôna).

  • Mety ho nanao ahoana no fahatsapana izany hoe niaina nandritra izany fotoana izany?

Mitalaho amin’ Andriamanitra amim-pinoana

Indraindray, ny soratra masina dia ahitana andian-teny miverimberina mba hanisiana fanasongadinana na lanja misimisy kokoa ireny andian-teny ireny. Ny fitadiavana ireo andian-teny miverimberina ireo dia afaka manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny zavatra noezahin’ilay mpanoratra nentanim-panahy hampianarina.

Vakio ny Etera 1:34–37 mba hahitana ny fomba nentin’i Jareda sy ny rahalahiny nikatsaka ny hamaha ny olan’izy ireo. Hevero ny hanisy marika ireo andian-teny miverimberinna izay maneho ny fomba nivavahan’ny rahalahin’i Jareda sy ny fomba namalian’ny Tompo.

  • Inona no nianaranao tamin’ireo andian-teny nasianao marika?

Henoy tsara rehefa mamaly ny mpianatra. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fitsipika marina rehetra zarain’izy ireo.

Fitsipika iray ianarantsika amin’io tantara io ny hoe rehefa mitalaho amin’ Andriamanitra amim-pinoana isika dia hanana fangorahana antsika Izy.

Asao hitadidy ny fiomanan’izy ireo ho amin’ny fotoam-pianarana ny mpianatra. Rehefa avy manoratra ny eritreritr’izy ireo momba ireto toromarika manaraka ireto ny mpianatra, dia hevero ny hametraka azy ireo ho tsiroaroa sy hanasa azy ireo hizara ny valintenin’izy ireo.

Soraty ny fomba hanazavanao io fitsipika io amin’ny olona iray. Ampidiro ao amin’ny fanazavanao ireto manaraka ireto:

  • Ny zavatra heverinao ho dikan’ny hoe mitalaho amin’ny Tompo amim-pinoana sy ny mety tsy hitovian’izany amin’ny fomba fivavahantsika indraindray

  • Ny zavatra ampianarin’ny zavatra navalin’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda anao momba Azy

  • Fomba sasantsasany mety hamalian’ny Tompo amim-pangorahana ny vavaka ataontsika

Mba hahitana ohatra maoderina amin’ny famalian’ny Tompo amim-pangorahana ny vavaka amin-kitsimpo sy tsy miovaova, dia jereo ny “Valim-bavaka” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 2:17 hatramin’ny 4:32, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Zava-dehibe ny mahatsapa fa tsy fantatsika ny faharetan’ny fotoana nahazoan’ny rahalahin’i Jareda valiny. Nizara izao manaraka izao ny Loholona Brook P. Hales ao amin’ny Fitopololahy:

Mahafantatra antsika ny Ray, mahafantatra ny zavatra ilaintsika, ary hanampy tsara antsika tokoa. Indraindray izany fanampiana izany dia omena eo no ho eo na farafahakeliny vetivety aorian’ny hangatahantsika ny fanampian’ Andriamanitra. Indraindray ireo faniriantsika tena avy amin’ny fo sy mendrika indrindra dia tsy valiana araka izay hanantenantsika izany, kanefa hitantsika fa mitahiry fitahiana lehibe kokoa homena antsika amin’ny ho avy Andriamanitra. Ary indraindray dia tsy omena eto amin’ity fiainana ity ireo faniriana tsara ananantsika. (Brook P. Hales, “Ireo valim-bavaka,” Liahona, mey 2019, 12)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe amintsika ny mahatsiaro ireo fampianarana ireo?

    Raha mahasoa ny mpianatra ny fandalinana misimisy kokoa momba ny fomba amalian’ Andriamanitra vavaka, dia hevero ny hanao ilay sahanasa fanampiny mitondra ny lohateny hoe “Valim-bavaka” eo amin’io teboka ao amin’ny lesona io.

Raha tsy an’ny tenan’izy ireo manokana loatra ny valintenin’izy ireo, dia hevero ny hizara fomba sasantsasany nanehoan’ny Tompo fangorahana azy ireo rehefa nivavaka Taminy izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mampiditra ny zavatra niainanao manokana.

Tsy fiovaovana amin’ny vavaka

Vakio ny Etera 1:38–43; 2:5, 13–15, hitadiavana hevi-baovao hafa momba ny vavaka sy ny valiny ataon’ny Tompo.

Asao hizara ny zavatra nianaran’izy ireo ny mpianatra. Raha ilaina dia apetraho ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Andian-teny inona ao amin’ny Etera 1:43 sy ny 2:14 no maneho ny fomba fahatsapan’ny Tompo momba ny tsy fiovaovantsika amin’ny vavaka? Nahoana araka ny eritreritrao no tiany hivavaka Aminy tsy miovaova isika?

  • Ny rahalahin’i Jareda dia nisy fotoana nampilatsaka kokoa ny tsy fiovaovany tamin’ny vavaka nataony (jereo ny Etera 2:14). Inona avy no antony sasantsasany mety maha latsaka kokoa ny tsy fiovaovantsika amin’ny vavaka ataontsika ankehitriny?

Manatsara ny vavaka

Alaovy sary an-tsaina hoe ao anatina fifanakalozan-kevitry ataon’ny filan-kevitry ny zatovo momba ny fomba anampiana ny zatovo hanatsara ny vavak’izy ireo ianao.

Hevero ny hanasa mpianatra maromaro ho eny anoloan’ny efitrano hanao fifanakalozan-kevitry ny filan-kevitra. Azon’ny mpianatra atao ny mamorona ny fanontanian’izy ireo manokana ho an’ilay filan-kevitra na mampiasa ireo fanontaniana eo ambany.

  • Inona no zavatra iray nataonao na azonao natao mba hahatonga ny vavakao hanan-danja na amin-kitsimpo kokoa?

  • Inona no nataonao ka manampy anao hivavaka tsy miovaova? Inona avy no zavatra hafa azonao atao?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fieritreretana momba ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra miantraika amin’ny tsy fiovaovana sy fahitsian’ny vavakao? (Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Vavaka”.)

Katsaho ny aigam-panahy omen’ny Fanahy Masina ary saintsaino ny fiovana rehetra tsapanao fa mila ataonao amin’ny vavakao. Manaova tanjona manokana ary manokàna tena hanaraka ny fahatsapana rehetra azonao.

Hamoaka printy