Seminera
Etera 1–5: Topimaso ankapobeny


“Etera 1–5: Topimaso ankapobeny” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Etera 1–5,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Etera 1–5

Topimaso ankapobeny

Rehefa nanandrana nanangana tilikambo iray hahatratra ny lanitra ny olona ratsy fanahy, dia nanorokoro ny fitenin’izy ireo ny Tompo (jereo ny Genesisy 11:1–9). Nitalaho tamin’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda, niangavy mba hitsimbinana ny fianakaviany sy ny namany amin’io fanakorokoroana io (jereo ny Etera 1:34–37), dia namaly tamim-pangorahana ny Tompo. Rehefa nanamboatra sambo hiampitana ny ranomasimbe ny rahalahin’i Jareda sy ny olony, dia tojo olana lehibe maromaro izy ireo. Nanatona ny Tompo niaraka tamina drafitra hamahana ny olany ny rahalahin’i Jareda ary nivavaka tamim-panetrentena niaraka tamina “finoana nihoa-pampana tokoa” (Etera 3:9) ka nahita sy niresaka tamin’ny Tompo. Nodidian’ny Tompo hanisy kase ilay fahitan’ny rahalahin’i Jareda voarakitra an-tsoratra i Môrônia ary koa nanazava fa ho ambara ireo rakitsoratra ireo rehefa manana finoana tahaka ny nananan’ny rahalahin’i Jareda ny vahoaka.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Etera 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanainga ny mpianatra hivavaka amin-kitsimpo sy tsy miovaova kokoa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Etera 1:34–37 sy hanisy marika ny andian-teny hoe “mitalahoa amin’ny Tompo” ny mpianatra. Angataho izy ireo ho tonga efa vonona hizara ny dikan’io andian-teny io amin’izy ireo sy ny mety hampiavaka izany amin’ny fomba fivavahantsika indraindray.

  • Horonan-tsary:The Tower of Babel (Ny tilikambon’i Babela)” (0:58); “Valim-bavaka” (12:39; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 2:16 hatramin’ny 4:31)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Rehefa miseho ho nangatahina ho ao anatin’ny filan-kevitra iray momba ny fanatsarana ny vavak’izy ireo ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hisaintsaina ny fanontaniana mandritra ny iray na roa minitra alohan’ny hizarana. Mba hanampiana amin’ny fanaovana izay hahatsapana io sahanasa io ho toy ny filan-kevitra kokoa, dia hevero ny hanasa ray aman-dreny na zatovo hafa mba hanatrika io ampahany farany amin’ny fotoam-pianarana io.

Etera 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahafantatra ny fomba fikatsahana ny fanampian’ny Tompo amin’ny famahana ny olan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara zavatra niainana nandraisan’izy ireo na ny hafa fantatr’izy ireo ny fanampian’ny Tompo hamahana olana.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny handefa mailaka any amin’ny mpianatra ilay tabilao handalinana ny Etera 2. Alohan’ny hametrahana ny mpianatra ho ao amina efitra fanasarahana, dia hevero ny hanendry ankizy iray ao amin’ny vondrona tsirairay ho mpanora-dalàna sy hizara ny efijerin’izy ireo mba hahafahan’ny vondrona misy azy ireo miara-mameno ilay tabilao. Rehefa vitan’ireo vondrona izany, dia manasà vondrona iray na roa hizara ny efijerin’izy ireo amin’ny iray kilasy ary hampiseho ny tabilao fenon’izy ireo.

Etera 3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampihatra amim-panetren-tena finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hieritreritra olona telo derain’izy ireo avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana na ny soratra masina ny mpianatra, ary ny fomba nanehoan’izany olona izany finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Taratasy zaraina:The Faith of the Brother of Jared (Ny finoan’ny rahalahin’i Jareda)

  • Horonan-tsary:Faith and the Goal (Finoana sy ny tanjona)” (4:40); “Rebuilding My Faith When I Felt Lost (Nanorina indray ny finoako rehefa nahatsapa ho very aho)” (6:26)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hizara ny mpianatra ho amina efitrano fampisarahana tsiefatrefatra mba hanao ny sahanasa A, B, D, ary E. Mangataha olona iray isaky ny vondrona mba ho mpitarika sy hanapa-kevitra amin’ny hoe iza no hanao ny asa ampanaovina iray ary ahoana ny filaharana tokony hizaràn’izy ireo. Raha tsy ampy hahazoana vondron’olona efatra marina tsara ny mpianatra, dia hevero ny hanisy vondron’olona telo vitsivitsy. Tsy ilaina ny hanasana ny vondrona tsirairay hamita ny sahanasa efatra rehetra.

Etera 4–5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hahazoana fanambarana misimisy kokoa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Etera 4 ao anatin’ny fandalinan’izy ireo isan’andro ny soratra masina ny mpianatra, ka hitady fahamarinana izay afaka manampy azy ireo handray fanambarana hafa avy amin’ny Tompo.

  • Zavatra: Zavatra iray izay sarobidy aminao na ny fianakavianao

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny handefa hafatra alohan’ny fotoam-pianarana, angatahana mpianatra vitsivitsy hampiseho zavatra iray izay sarobidy amin’izy ireo na ny fianakavian’izy ireo mandritra ny lesona.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 24

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome ny mpianatra fahafahana mampitombo ny fahatakaran’izy ireo fahamarinana sy manazava fahamarinana hita amina andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana samihafa avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hisafidy am-bavaka andininy iray fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay tian’izy ireo ho takatra tsara kokoa. Angataho izy ireo hifanakalo hevitra momba ilay andininy amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, namana akaiky, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary ho tonga efa vonona hizara ny zavatra ianaran’izy ireo momba ilay andininy avy ao amin’ny fifanakalozan-kevitr’izy ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hanendry ny mpianatra tsirairay handefa fanontaniana mombana andininy fifehezana fotopampianarana iray any amin’ny mpianatra iray hafa. Azonao atao ny manao izany amin’ny alalan’ny fanendrena ny mpianatra rehetra amina laharana iray ary mangataka azy ireo handefa ny fanontanian’izy ireo any amin’ny olona manana izany laharana izany miampy iray (ny mpianatra manana ny laharana ambony indrindra dia handefa fanontaniana any amin’ny laharana voalohany). Avy eo dia hiezaka hamaly ireo fanontaniana ny mpianatra ary handefa izany miverina alohan’ny fiafaran’ny lesona.

Hamoaka printy