Seminera
Etera 3: “Finoana nihoa-pampana tokoa”


“Etera 3: ‘Finoana nihoa-pampana tokoa,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Etera 3,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Etera 3

“Finoana nihoa-pampana tokoa”

Sary
ny rahalahin’i Jareda nahita ny rantsantanan’ny Tompo

Efa tena noheverinao marina ve ny fahasamihafana azon’ny finoana an’i Jesoa Kristy entina eo amin’ny fiainantsika? Ohatra iray lehibe ny rahalahin’i Jareda izay nanatona ny Tompo niaraka tamina drafitra hamahana ny olany sy nivavaka tamim-panetren-tena niaraka tamin’ny “finoana nihoa-pampana tokoa” (Etera 3:9) ka “ny voaly dia nesorina hiala tamin’ny maso[ny]” (Etera 3:6) ary nahita sy niresaka tamin’ny Tompo izy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy amim-panetren-tena.

Mifantoha amin’i Jesoa Kristy rehefa mampianatra ny soratra masina ianao. Makà fotoana hanampiana ny mpianatra hahafantatra fahamarinana momba ny Mpamonjy sy ny hery manavotra ananany. Manasongadìna andalan-tsoratra masina izay mety hampitombo ny finoan’izy ireo Azy. Hevero ny hametraka fanontaniana izay hanasa ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy mitahy sy manatanjaka ary mitarika azy Ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hieritreritra olona telo derain’izy ireo avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana na soratra masina ny mpianatra, ary ny fomba nanehoan’izany olona izany finoana an’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ahoana no anehoanao finoana?

Ity manaraka ity dia hanampy amin’ny fanomanana ny mpianatra hianatra misimisy kokoa momba ny finoana an’i Jesoa Kristy. Mba tsy hampitanisana ohatra ny mpianatra, dia azonao atao ny mivadika any amin’ny fiafaran’ny lesona mba hampisehoana ny iray amin’ireo horonan-tsary na hilazana ny tantaran’i Jan Roothoff.

Manaova lisitr’olona telo derainao avy ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana na soratra masina.

  • Inona avy no fomba sasantsasany nanehoan’ireo olona ireo finoana an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ahafahanao milaza fa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao ianao?

  • Nahoana no te hampihatra finoana ianao?

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra amin’ny fanontaniana faharoa. Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ireo valinteny ireo sy hanombana ny finoan’izy ireo manokana. Raha manampy dia ampidiro ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanambarana anombanan-tena manaraka ireto ary asao hameno azy ireo ny mpianatra.

Mba hanampiana anao hisaintsaina ny finoanao an’i Jesoa Kristy, dia soraty ny fahamarinan’ireto fanambarana manaraka ireto, amina ambaratonga 1–5 (1 = tsy … mihitsy; 2 = indraindray; 3 = matetika; 4 = saika mandrakariva; 5 = mandrakariva):

  • Mino an’i Kristy aho ary manaiky Azy ho Mpamonjy ahy.

  • Amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsimpo amin’ny Ray any An-danitra, izaho dia mikatsaka fanampiana avy amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy amin’ny olako ary matoky ny fitarihana sy fanampian’Izy Ireo.

  • Manao asa aho ary matoky ny Tompo hanampy ahy.

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia mikatsaha ny hianatra misimisy kokoa momba ny fomba ahafahanao mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy amim-panetren-tena sy ny antony mety hanaovanao izany.

Mampihatra finoana

Tao amin’ny lesona teo aloha dia nianatra ianao fa nandidy ny rahalahin’i Jareda hanamboatra sambo sy hita ny ranomasimbe ho any amin’ilay tany nampanantenaina ny Tompo; saingy, tsy nisy hazavana ilay sambo. Nangataka ny rahalahin’i Jareda handroso vahaolana ny Tompo (jereo ny Etera 2:23). Rehefa nanao asa tamim-pinoana an’i Jesoa Kristy ny rahalahin’i Jareda, dia nanampy tamin’ny famahana ny olany sy nitahy azy tamin’ny fomba nihoatra izay nangatahiny ny Tompo.

Omeo ity taratasy zaraina manaraka ity, ary asao hameno azy ity samirery na anatina vondrona kely ny mpianatra.

Ny finoan’ny rahalahin’i Jareda

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)—“Etera 3: ‘Finoana nihoa-pampana tokoa’”

Vakio ireo andininy eo ambanin’ny tsirairay amin’ireo sary manaraka ireo ary soraty ny zavatra nataon’ny rahalahin’i Jareda na nolazainy mba hanehoana finoana. (Mba hahatakarana ny Etera 3:2–3, dia zava-dehibe ny hahatakarana fa noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia miaina amina tontolo isarahantsika ara-batana amin’ Andriamanitra isika, ary isika rehetra dia manota sy mampisaraka ara-panahy ny tenantsika amin’ Andriamanitra.)

Etera 3:1

Sary
ny rahalahin’i Jareda mianika tendrombohitra

Etera 3:2–5

Sary
ny rahalahin’i Jareda mivavaka eo amin’ny tendrombohitra iray

Etera 3:6–10

Sary
ny rahalahin’i Jareda nahita ny rantsantanan’ny Tompo

Etera 3:11–16, 19–20

Sary
ny rahalahin’i Jareda miresaka amin’ny Tompo
  • Inona no nianaranao tamin’ny zavatra niainan’ny rahalahin’i Jareda?

Manasà mpianatra maromaro hizara ny valintenin’izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fitsipika marina nolazain’izy ireo.

Fitsipika iray azontsika ianarana ny hoe rehefa mampihatra finoana ny Tompo amim-panetren-tena isika, dia hanakaiky kokoa Azy.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny finoan’ny rahalahin’i Jareda, dia hevero ny hizara ny kilasy ho vondrona kely mba hanao ireto sahanasa efatra manaraka ireto. Raha tsy izany dia asao hiasa anatina vondrona misy olona efatra ny mpianatra, ka ny mpianatra tsirairay dia manao anankiray amin’ireo sahanasa. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mizara ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny vondrona nisy azy ireo ary, raha ilaina, dia mizara ny zavatra nisongadina amin’ny iray kilasy.

  1. Ny rahalahin’i Jareda dia “nandrendrika vato kely enina ambin’ny folo avy tamin’ny vatolampy iray,” nitondra ireny teo “an-tampon-tendrombohitra ary nihiaka ny Tompo” (Etera 3:1). Soraty ny antony ahatsapanao fa ampahany manan-danja amin’ny finoantsika ny Tompo ny fahavononana hanao asa sy hanao izay azontsika atao hamahana ny olana.

  2. Rehefa nivavaka ny rahalahin’i Jareda, dia niresaka momba “ny fahalemeny eo anoloan’ [Andriamanitra]” (Etera 3:2) ary nangataka fanampiana tamim-panetren-tena. Soraty ny fomba ahafahan’ny fahatakarana ny fahalementsika sy ny fiankinantsika tanteraka amin’ny Tompo miantraika amin’ny vavaka ataontsika sy ny finoantsika Azy.

  3. Rehefa nangataka ny Tompo hikasika ireo vato mba hampamirapiratra izany ny rahalahin’i Jareda, dia nijoro ho vavolombelona toy izao: “fantatro, Tompo ô, fa manana ny hery rehetra Ianao, ary afaka manao izay rehetra sitrakao ho tombon-tsoan’ny olona” (Etera 3:4). Soraty ny fomba nahatongavanao tamin’ny fahalalana na nahafahanao ho tonga amin’ny fahalalana fa manana ny hery hanampiana antsika amin’ny olantsika ny Tompo. Mety ho azonao ampidirina ny fomba ahafahan’izany fahalalana izany miantraika amin’ny finoantsika Azy.

  4. Ny rahalahin’i Jareda dia nampanantena fa hino ireo teny holazain’ny Tompo any amin’ny hoavy (jereo ny Etera 3:11–12). Soraty hoe nahoana, araka ny eritreritrao, no natoky be ny Tompo ny rahalahin’i Jareda ka nanaiky izany.

Manakaiky kokoa ny Tompo

  • Inona avy no fomba samy hafa nitahian’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda noho ny finoany?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanatonan’ny rahalahin’i Jareda akaiky kokoa ny Tompo tamin’ny alalan’io zavatra niainana io?

Mety hanampy raha asiana marika ny tenin’ny Tompo tamin’ny rahalahin’i Jareda: “avotana amin’ny fahalavoana ianao; noho izany ianao dia entina miverina eo anatrehako” (Etera 3:13). Rehefa mampihatra finoana ny Tompo amin’ny olantsika manokana isika, dia afaka mandray ihany koa ny fanampiany amin’ny tanjontsika mandrakizay handresy ny fisarahantsika Aminy ary hiverina hiaina miaraka Aminy.

Jereo na vakio ny iray amin’ireto ohatra manaraka mombana zatovo mampihatra ny finoan’izy ireo ireto.

  • Jereo ny “Faith and the Goal (Finoana sy ny tanjona)” (4:40). Milaza ny fomba ampiharany finoana ny Tompo ny tanora mpilalao baolina kitra matihanina iray.

  • Jereo ny “Rebuilding My Faith When I Felt Lost (Nanorina inray ny finoako rehefa nahatsiaro ho very aho)” (6:25). Rehefa niverina aloha avy any amin’ny asa fitoriana ny zatovolahy iray, dia nanorina indray ny finoany an’i Jesoa Kristy.

  • Vakio ny tantaran’i Jan Roothoff, zazalahy kely tany Pays-Bas izay nikatsaka ny mpaminany Joseph F. Smith hanasitrana ny masony narary (Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, bok. 3, Boldly, Nobly, and Independent, 1893–1955 [2022], 123–25).

Asao hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ilay horonan-tsary na tantara ny mpianatra.

  • Inona no zavatra niainanao na niainan’ny olona fantatrao ka nanamafy ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

Farano amin’ny alalan’ny fanoratana fomba iray tianao hampiharana finoana misimisy kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny anton’izany ny lesona. Ireto manaraka ireto dia hevitra ankapobeny hanampiana anao hamita io sahanasa io. Mila mampiditra antsipiriany izay mihatra aminao ianao.

  • Manaova asa manokana hamahana olana iray sy hikatsahana ny fanampian’ny Tompo.

  • Manaova tanjona hivavaka am-panetren-tena kokoa sy hatoky ny Tompo.

  • Manaova zavatra iray amim-pahavitrihana mba hampanakaiky anao amin’ny Tompo.

Mitadiava fomba ahatsapanao ho akaiky kokoa ny Tompo rehefa manao asa amim-pinoana ianao.

Ao amin’ny lesona fanombanana manaraka, ny mpianatra dia hanana fahafahana hizara ny fomba nampiharan’izy ireo finoana sy ny vokatra avy amin’izany (“Tombano ny fianaranao 9”).

Farano amin’ny alalan’ny fanaovana fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fampiharana finoana Azy ny lesona.

Hamoaka printy