Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 23: Ianaro tsianjery


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 23: Ianaro tsianjery,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 23,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 23

Ianaro tsianjery

Sary
zatovovavy mandalina ny soratra masina

Ny fitadidiana toko sy andinin-tsoratra masina sy ny zavatra ampianarin’izy ireny dia afaka manampy anao amin’ny fomba maro. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tsianjery toko sy andininy ary andian-teny manan-danja maro, na andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray manontolo, avy ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Amporisiho ny fanaovana tsianjery. Mitandrema mba tsy hanakivy ny mpianatra izay mety ho sahirana amin’ny fitadidiana. Ampio ny mpianatra izay mety manana fahasahiranana ara-pianarana hahita fomba fitadidiana izay mety hifanaraka kokoa amin’ny filan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hisafidy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray sy toko sy andininy hotadidina ny mpianatra ary ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Ny maha zava-dehibe ny famerenana

Ampio hahita ny lanjan’ny famerenana ny mpianatra, saingy aza mandany fotoana be loatra eto. Ataovy azo antoka fa hanana fotoana ampy hanaovana tsianjery andian-teny na andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny mpianatra rehefa avy eo ao amin’ny lesona.

Misy tombontsoa lehibe ny famerenana ny zavatra iray tiantsika hianarana na hotadidina. Mitanisà sahanasa sasantsasany izay matetika no mitaky famerenana tsy tapaka.

  • Inona avy no lafiny sasantsasany nahazoanao tombony tamin’ny famerenana zavatra iray imbetsaka?

Raha manampy, dia hevero ny hifanakalo hevitra fohifohy momba ny hoe afaka herinandro dia hadinon’ny olona amin’ny ankapobeny ny tahirin-kevitra vao avy nianarana, saingy afaka manatsara ny fihazonana izany amin’ny alalan’ny fijerena indray ny tahirin-kevitra izy ireo. Ary koa, ankoatra ny fanaovana tsianjery azy rehetra indray mandeha dia mety hahomby kokoa raha zaraina ho ampahany kelikely kokoa ilay tahirin-kevitra.

Sary
I Môrônia niseho tamin’i Joseph Smith

Mampisehoa sarin’i Joseph Smith notsidihin’i Môrônia.

Tamin’ny fotoana nitsidihan’i Môrônia mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay mpitondra hafatry ny lanitra amin’izao fotoana izao, an’i Joseph Smith, dia nampiasa famerenana izy mba hanampiana an’i Joseph 17 taona hahatsiaro hafatra manan-danja iray.

  • Inona no tsaroanao momba ireo fitsidihana ireo? (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:33–49.)

  • Inona no lazain’izy io momba an’ Andriamanitra hoe handefa an’i Môrônia inefatra hitondra hafatra mitovy Izy?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny fitsidihana niverimberina nataon’i Môrônia tamin’i Joseph Smith ary avy eo dia nampianatra hoe:

Ny famerenana dia fomba iray ahafahan’ny Fanahy Masina manazava ny saintsika, mitaona ny fontsika ary manitatra ny fahatakarantsika. (David A. Bednar, “Repeat Over Again … the Same Things as Before” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young–Idaho, 26 jan. 2016], byui.edu)

  • Inona no anampian’izany anao ho takatra momba ireo tombontsoan’ny fandinihana miverimberina ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina?

  • Inona no mety holazain’izany momba ireo soratra masina izay nofidina mba haverinao sy hifantohanao?

Asehoy na omeo ny mpianatra ny tahadika iray amin’ity tabilao manaraka ity na asao hijery ny toerana misy ireo andalan-tsoratra fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) izy ireo.

Asao izy ireo hamerina hijery ireo toko sy andininy sy andian-teny manan-danja nataon’izy ireo tsianjery tany aloha ary avy eo dia hamantatra ny hoe andalan-tsoratra masina iza avy no tian’izy ireo hifantohana amin’ny fanaovana tsianjery anio.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Azon’ny mpianatra ampiasaina ireto fanazaran-tena manaraka ireto na hafa mba hitadidiana ilay toko sy andininy sy andian-teny manan-danja na andalan-tsoratra masina iray manontolo. Rehefa vita izany dia azon’ny mpianatra atao ny mampiseho ireo sary noforonin’izy ireo ao amin’ny safidy 2 sy manazava ny fomba hanampian’ny zavatra nataon’izy ireo azy ireo hihazona ny zavatra nataon’izy ireo tsianjery. Raha misy ny fotoana, dia azon’ny mpianatra atao ny mamerina ireo fanazaran-tena ireo amina soratra masina fifehezana fotopampianarana hafa.

Manomboha manao tsianjery

Mieritrereta fomba iray na roa mety hanasanao ny Fanahy Masina hanazava ny sainao rehefa mampiasa ny famerenana hanampy anao hitadidy ianao. Mety hanampy anao ireto ohatra manaraka ireto:

  1. Tapatapaho ho fizaràna kely kokoa ny zavatra tianao hotadidina ary avereno misaraka izany.

  2. Mamoròna zavatra jerena misy ny teny rehetra na ny sasany tianao hotadidina.

  3. Mamakia ampahany amin’ilay andalan-tsoratra masina tianao hotadidina mandra-pahavitanao manonona tsy ankijery izany. Mety hanampy ihany koa ny fampiasana ireo litera voalohany amin’ireo teny.

Manaova drafitra hamerina

Asao ny mpianatra mba hanatsara ny fihazonan’izy ireo amin’ny alalan’ny fanohizana mitadidy ivelan’ny fotoam-pianarana. Ampio hahomby amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hamorona drafitra antsipiriany sy fanarahana ny fandrosoan’izy ireo ao anatin’ny andro sy herinandro manaraka ny mpianatra.

Mieritrereta fomba mety hahafahanao manohy mitadidy mandritra ny andro na herinandro maromaro. Mety hanampy anao hanapa-kevitra ireto hevitra manaraka ireto:

  1. Mivavaha amin’ny Ray any An-danitra mba hahazo fanampiana hahatsiaro ny zavatra tadidinao.

  2. Misafidiana fotoana manokana amin’ny andro mba hanononana tsy ankijery betsaka araka izay azonao atao. Mety ho azonao atao ny manisy fanairana mba hampahatsiahy anao amin’ny fotoana mitovy isan’andro.

  3. Manasà olona iray hanara-maso ny fandrosoanao sy ny fihazonanao, amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hijery ny teny rehefa manonona izany aminy ianao.

Hamoaka printy