Seminera
Môrmôna 7: “Toetry ny fahasambarana izay tsy manam-piafarana”


“Môrmôna 7: ‘Toetry ny fahasambarana izay tsy manam-piafarana,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môrmôna 7,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrmôna 7

“Toetry ny fahasambarana izay tsy manam-piafarana”

Sary
Môrmôna

Alaovy sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapan’i Môrmôna rehefa nanatri-maso ny alahelo sy fahapotehana nateraky ny ady farany teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Alohan’ny nanalan’ireo ady ireo ny ainy dia namarana ny asa sorany tamin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny fahasambarana mandrakizay miandry ireo izay manara-dia Azy i Môrmôna. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanara-dia an’i Jesoa kristy sy hiomana hiaina miaraka amin’ Andriamanitra amin’ny fahasambarana mandrakizay.

Amporisiho ny fahazarana mandalina soratra masina isan’andro. Ny fampivelarana fahazarana mandalina soratra masina isan’andro dia mety hitahy ny mpianatra mandritra ny androm-piainany sisa. Mitadiava fomba hampianarana ny mpianatra momba ireo fitahiana avy amin’ny fandalinana soratra masina isan’andro.

Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ny zavatra mahasambatra azy ireo. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny miresaka amin’olona iray ao amin’ny fianakaviana momba ny zavatra mahasambatra izany olona izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra fantatr’izy ireo momba an’i Môrmôna, dia azonao atao ny mampiasa ity andiam-panontaniana manaraka ity. Azon’ny mpianatra atao ny mamaly amin’ny alalana fitaovana elektronika na manangana ny tanan’izy ireo rehefa voavaky ny valiny marina. Mba tsy hanomezana andiam-panontaniana, dia azonao atao ny mampiseho sarin’i Môrmôna sy mangataka ny mpianatra hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba azy. Noho ireo asa soratr’i Môrmôna (ny teniny manokana sy ny fanafohezana ny tantaran’ny Nefita) ahitana ny zavatra rehetra avy ao amin’ny Tenin’i Môrmôna hatramin’ny Môrmôna 7, dia azonao atao ny manasa ny mpianatra manana soratra masina an-taratasy mba hanokatra ireo toko ireo hakana sary an-tsaina hoe pejy firy ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna no nohafoheziny sy nosoratany.

Valin’ny andiam-panontaniana: 1) d; 2) a; 3) b (Tenin’i MôrmônaMôrmôna 7 sy ny Môrônia 7–9)

Ny fiainan’i Môrmôna

Ataovy ity andiam-panontaniana manaraka ity mba hahitana ny zavatra tsaroanao momba an’i Môrmôna mpaminany.

  1. Ahoana no nilazalazana an’i Môrmôna tany amin’ny fahatanorany? (Jereo ny Môrmôna 1:2.)

    1. Mpitondra fiadiana tao amin’ny tafika Nefita izy

    2. Natahotra Izy

    3. Faingam-pandinika izy

  2. Inona no zavatra niainan’i Môrmôna tamin’izy 15 taona? (Jereo ny Môrmôna 1:15.)

    1. Novangian’ny Tompo izy

    2. Nanova fon’olona an-jatony ny fitoriany

    3. Naratra tao anatina ady izy

  3. Eo ho eo amin’ny ampahany manahoana amin’ny Bokin’i Môrmôna no nosoratan’i Môrmôna sy nohafoheziny?

    1. 1/2

    2. 2/3

    3. 3/4

I Môrmôna dia nanana andraikitra hanafohy, sy hanoratra, ary hitahiry ny soratra masina izay fantatsika amin’izao fotoana izao amin’ny hoe Bokin’i Môrmôna. Tany amin’ny faramparan’ny fiainany, i Môrmôna dia nanatri-maso sy nandray anjara tamina ady lehibe teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Nanala ny ainy io ady io tamin’ny farany (jereo ny Môrmôna 8:3). Talohan’ny nampitany ireo rakitsoratra tamin’i Môrônia zanany, dia nanoratra ny hafany farany ho an’ny mpamaky ny Bokin’i Môrmôna any amin’ny hoavy i Môrmôna.

Asao hisaintsaina sy hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity ao anatina vondrona kely ny mpianatra. Izany dia hahafahan’ny mpianatra misimisy kokoa mizara ny eritreritr’izy ireo.

  • Rehefa misaintsaina ny fiainan’i Môrmôna, ny zavatra niainany ary ny fijoroany ho vavolombelona ianao, inona no heverinao fa mety ho nosoratany ao amin’ny hafany farany ho an’ny mpamaky ny Bokin’i Môrmôna any amin’ny hoavy? Nahoana?

Rehefa mandalina ny Môrmôna 7 ianao, dia jereo ny maha manan-danja ny hafatr’i Môrmôna tsy ho an’ny olona ao anatin’ny ady ihany fa amin’ny olona amin’ny toe-javatra rehetra amin’ny fiainana.

Ny zavatra tian’i Môrmôna ho fantatsika

Rehefa mandalina ny Môrmôna 7 ny mpianatra, dia afaka mampitaha ireo fampianaran’i Môrmôna amin’ireo fahamarinana nandrandrain’izy ireo hampianariny.

Vakio ny Môrmôna 7:2–7. Asio marika ao amin’ny soratra masinao na ataovy lisitra ao amin’ny diarinao ny zavatra tian’i Môrmôna ho fantatry ny mpamaky. Jereo tsara manokana ny zavatra nampianarin’i Môrmôna momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny andininy 5–7.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no mety ho nahatsapa i Môrmôna fa fahamarinana manan-danja tokony hofantarintsika ireo?

  • Iza amin’ireo fahamarinana ireo no tena manan-danja indrindra aminao manokana? Nahoana?

  • Nahoana no tena ilaina ny fahafantarana “fa avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely ianareo” (Môrmôna 7:2)?

Raha tsapanao fa mety hahazo tombony amin’ny fandalinana lalina kokoa ny andininy 2–7 ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hampiasa ny loharano fandalinana toy ny Médiathèque de l’Évangile, fanamarihana ambanim-pejy, na lahateny tamina fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Afaka manampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ny lanjan’ny zavatra nasain’i Môrmôna nofantarintsika ny loharano toy izany. Ohatra, azon’ny sasany atao ny mandalina ny lanjan’ny fahafantarana hoe “avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely ianareo” (andininy 2). Ny hafa dia afaka mikatsaka ny hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny “[fametrahana] ny fitaovam-piadianareo” (andininy 4).

Mety voamarikao fa rehefa voahodidin’ny faharatsiana sy ady i Môrmôna, dia niandrandra ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy amin’ny maty sy ny fanavotany izy. Nampianatra izy fa noho i Jesoa Kristy, dia afaka ny havela amin’ny fahotantsika isika ary, araka izany, voaomana hiaina miaraka amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana (jereo ny Môrmôna 7:7).

  • Inona avy no zava-tsarotra na fitaoman-dratsy sasantsasany manodidina anao?

  • Ahoana no iasan’ny fahalalana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny mety hisian’ny fahasambarana mandrakizay ho loharanom-panantenana sy hery eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao?

Mamadika ny fahalalana ho asa

Ny fahafantarana fa afaka mitoetra miaraka amin’ Andriamanitra amina fahasambarana mandrakizay isika dia afaka manome fanantenana lehibe antsika. Mba hanampiana antsika hahatratra io fahasambarana io, i Môrmôna dia namporisika antsika hamadika ny fahalalana ho asa. Izany dia lazain’ny fampiasany ny teny hoe “koa” ao amin’ny andininy 8.

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika tsy feno manaraka ity. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra fomba samy hafa azon’izy ireo ampiasana ny tenin’i Môrmôna ao amin’ny andininy 8–10 fa hamaranana ilay fanambarana.

Ao amin’ny diary fandalinanao, soraty ity fanambarana tsy feno manaraka ity: “Afaka miaina miaraka amin’ Andriamanitra amin’ny toetry ny fahasambarana aho rehefa …”

Vakio ny Môrmôna 7:8–10 ary fenoy amin’ny alalan’ny fanoratana asa telo farafahakeliny izay asain’i Môrmôna ataontsika ilay fanambarana. Mariho fa ao amin’ny andininy 9, ny hoe “ity” dia manondro ny Bokin’i Môrmôna ary ny hoe “izany” dia manondro ny Baiboly Masina.

Raha ilaina dia ampio hamantatra asa toy ireto manaraka ireto ny mpianatra:

  • … mibebaka, ary atao batisa amin’ny anaran’i Jesoa,” (Môrmôna 7:8).

  • … mihazona ny filazantsaran’i Kristy [ao amin’ny soratra masina]” (Môrmôna 7:8).

  • … [manaraka] ny ohatry ny Mpamonjy” (Môrmôna 7:10).

Azo atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona kely sy manendry azy ireo handalina ny iray amin’ireo asa telo ireo. Azon’izy ireo atao ny miara-mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy no fomba sasantsasany azontsika ampiharana ireo asa ireo?

  • Ahoana no ahafahan’ireo asa ireo manomana antsika handray ilay fahasambarana nampanantenaina izay azo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy?

Raha azo atao dia omeo ity ambaratonga manaraka ity ny mpianatra. Na vakio mafy ny safidy mba hahafahan’ny mpianatra misaintsaina ny valintenin’izy ireo.

Saintsaino ny fahavitanao manao asa amin’ny torohevitr’i Môrmôna. Jereo ity ambaratonga manaraka ity ary omeo naoty ao amin’ny sokajy tsirairay ny tenanao (1 = tsia mihitsy; 5 = saika mandrakariva).

Sary
ambaratonga 1 hatramin’ny 5 ho an’ny fanambarana tsirairay

Mety ho azonao atao ny mizara tantaran’ny tena manokana mba hanehoana ilay fiadanana izay tonga avy amin’ny fibebahana, fandalinana soratra masina, fanarahana ny ohatr’i Jesoa Kristy, ary fiandrandrana fahasambarana mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra. Azon’ny mpianatra atao ny mamita ity manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Misafidiana iray amin’ireo fanasan’i Môrmôna izay tsapanao fa mety hanampy anao hikatsaka fahasambarana hita amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Fantaro ny zavatra azonao atao mba hanaovana asa amin’izany fanasana izany sy ny fomba ahafahan’izany manampy anao hifantoka amin’ny Mpamonjy.

Hamoaka printy