Seminera
Môrmôna 9:7–27: “Andriamanitry ny fahagagana”


“Môrmôna 9:7–27: ‘Andriamanitry ny fahagagana,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môrmôna 9:7–27,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrmôna 9:7–27

“Andriamanitry ny fahagagana”

Sary
I Kristy manasitrana lehilahy jamba iray

Indraindray rehefa mamaky momba ireo fahagagana ao amin’ny soratra masina isika, dia mety hanontany tena hoe nahoana no tsy misy fahagagana mitovitovy amin’izany amin’izao androntsika izao. Fantatr’i Môrônia fa hanana io fanontaniana io ny olona sasany amin’ny andro farany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fananana finoana an’ Andriamanitra mamela Azy hanao fahagagana eo amin’ny fiainanao.

Manorena finoana an’i Jesoa Kristy. Afaka manampy ny mpianatra ho tonga amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy ny fandalinana ny soratra masina. Amporisiho hanakaiky ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ny fitsipika manova fo sy amin’ny alalan’ny fampiharana finoana Azy rehefa mandalina ny mpianatra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hamaky na hihaino ny lahatenin’ny Loholona Ronald A. Rasband hoe “Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho” ary mba hieritreritra ny zavatra ianaran’izy ireo na fanontaniana ananan’izy ireo momba ny fahagagana. Io lahateny io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sahanasa fianarana azo atao

Andriamanitry ny fahagagana

Mba hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny fomba anohizan’ Andriamanitra manao fahagagana eo amin’ny zanany ankehitriny, dia hevero ny hizara zavatra niainana na rafi-tantara iray. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hihevitra ny antony ahitan’ny olona sasany ny fahagagana ho fifanojoan-javatra fotsiny.

Mety ho azontsika raisina ho mahagaga ny tranga maro eo amin’ny fiainantsika. Kanefa, mety hahita izany ho fifanojoan-javatra fotsiny ny sasany. Mieritrereta ohatra vitsivitsy amin’ny fahagagana izay mety hodisoin’ny sasany ho fifanojoan-javatra.

  • Inona araka ny eritreritrao no mahatonga ny olona handiso ny fahagagana ho fifanojoan-javatra?

  • Nahoana no zava-dehibe amin’ny olona iray ny manana finoana fa Andriamanitra dia manao fahagagana amin’ny androntsika ankehitriny?

Saintsaino ny finoanao fa afaka manao fahagagana Andriamanitra. Ahoana ny hamafin’ny finoanao ny fahagagana ao amin’ny soratra masina, eo amin’ny fiainan’ny hafa ary eo amin’ny fiainanao?

Nijoro ho vavolombelona momba ny fahagagan’ Andriamanitra i Môrônia

I Môrônia izay nahita ny androntsika dia nanoratra hafatra ho an’ireo izay mandà fa mbola afaka mitranga ny fahagagana.

Vakio ny Môrmôna 9:7–11, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Môrônia momba an’ Andriamanitra.

  • Inona no manan-danja aminao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona avy ireo fahamarinana azonao fantarina?

Hevero ny hanoratra ireo fahamarinana ireo eny amin’ny solaitrabe.

Fahamarinana roa nampianarin’i Môrônia ny hoe Andriamanitra dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay sy ny hoe Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahagagana.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo miantraika amin’ny finoantsika an’ Andriamanitra?

Mamoròna fomba ahafahanao manampy ny mpianatra hieritreritra lalina kokoa momba ireo fampianaran’i Môrônia ao amin’io toko io. Mety ho fomba iray hanaovana izany ny fanasana ny mpianatra hamorona bokikely izay mamintina sy manome ohatra amin’ireo fampianaran’i Môrônia. Afaka miasa irery na anatina vondrona kely ny mpianatra. Manomeza taratasy, fitaovam-panoratana ary toromarika tsy maintsy ilaina. Angamba mety ho afaka manana sarin’ny Mpamonjy manao fahagagana ho azy ireo hotapahina sy hasiana lakaoly mba hampiasaina hatao fonon’ilay bokikely ianao. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny manao fampisehoana nomerika na karazany hafa safidin’izy ireo.

Alaovy sary an-tsaina hoe afaka nanampy an’i Môrônia nizara ny hafany amin’ny alalan’ny fanomanana fampisehoana izay manazava ireo fahamarinana ireo ianao.

Mamoròna bokikely amin’ny alalan’ny famoretana roa ny taratasy iray, ka hahazoanao fonony anoloana, fizaràna anatiny anankiroa ary fonony ao ambadika. Mba hanampiana amin’ny fandrindrana ny bokikelinao, dia hevero ny hanisy soratra ny fizaràna tsirairay sy hanisy sary iray na fanehoana eo amin’ny fonony.

  • Fizaràna voalohany (fonony): “Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahagagana”.

  • Fizaràna faharoa: “Oha-pahagagana”.

  • Fizaràna fahatelo: “Fahagagana miseho ankehitriny”.

  • Fizaràna fahefatra: “Ahoana no anasana an’ Andriamanitra hanao fahagagana”.

Mandritra ny lesona, mampidìra eritreritra, fihetseham-po, fahatsapana, ary hevi-baovao anananao rehefa mandalina ianao.

Oha-pahagagana

Vakio ny Môrmôna 9:11–18, hitadiavana fahagagana tian’i Môrônia ho fantatsika. Soraty eo amin’ny pejy faharoa amin’ny bokikelinao ny zavatra hitanao.

Rehefa avy mahita fahagagana sasantsasany izay notondroin’i Môrônia ianao, dia manorata fahagagana hafa avy amin’ny soratra masina izay azonao eritreretina.

  • Inona no anampian’ireo fahagagana ireo ho takatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Fahagagana miseho ankehitriny

Vakio ny Môrmôna 9:19, hitadiavana ny zavatra ampianarin’i Môrônia momba ny fahagagana ankehitriny.

Ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fomba mety hahafantarantsika fahagagana amin’izao androntsika izao.

Mitobaka ireo fahagagana sy famantarana ary zava-mahagaga eo anivon’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ankehitriny, eo amin’ ny fiainanareo sy eo amin’ny ahy. Ireo fahagagana dia asa ataon’ Andriamanitra sy fanehoana ary fomba fisehon’ny herin’ Andriamanitra tsy misy fetra, ary fanambarana fa Izy dia “tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.” …

Maro aminareo no nanatri-maso fahagagana, mihoatra noho ny fiheveranareo. Mety toa bitika izy ireo raha ampitahaina amin’i Jesoa nanangana ny maty. Saingy tsy ny maha-goavana azy no maha-fahagagana azy, fa izy hoe avy amin’ Andriamanitra. (Ronald A. Rasband, “Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho,” Liahona, mey 2021, 109–10)

  • Inona no azon’io fanambarana io anampiana antsika ho takatra momba ny fahagagana?

  • Inona avy no fahagagana lehibe sy kely avy amin’ Andriamanitra ankehitriny?

Eo amin’ny pejy fahatelon’ny bokikelinao misy soratra hoe “Fahagagana miseho ankehitriny,” manorata fahagagana izay natrehinao maso na ireo olona fantatrao.

Hevero ny hanasa mpianatra hizara fahagagana niainan’izy ireo. Tsy tokony hangataka azy ireo hizara zavatra tsapan’izy ireo ho mahakasika ny tena manokana na masina loatra ianao. Mety ho fotoana mety tsara hizarana fahagagana izay niainanao izany, ao anatin’izany ny fahagagana kely izay mety horaisina ho fifanojoan-javatra.

Mba hahitana ohatra amina horonan-tsary, dia azonao atao ny mandefa ilay horonan-tsary hoe “Sanctify Yourselves (Manamasìna ny tenanareo)” na traikefa iray nozarain’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny “By Divine Design (Amin’ny alalan’ny famolavolan’ Andriamanitra)” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 7:16 hatramin’ny 8:19.

Ahoana no anasana an’ Andriamanitra hanao fahagagana

Mieritrereta fahagagana sasantsasany tsapanao fa ilaina indrindra na antenaina ankehitriny.

Vakio ny Môrmôna 9:20–28, hitadiavana ny zavatra angatahin’ Andriamanitra hataontsika mba hahafahany mitahy antsika amina fahagagana.

  • Ahoana no ahafahantsika manasa an’ Andriamanitra hanao fahagagana eo amin’ny fiainantsika?

Vakio ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity na jereo ilay horonan-tsary hoe “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 13:30 hatramin’ny 14:05, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ny Tompo dia hitahy anareo amin’ny fahagagana raha toa ka mino Azy ianareo, “tsy miroanahana akory”. Ataovy ny asa ara-panahy hikatsahana fahagagana. Angataho ombam-bavaka Andriamanitra mba hanampy anareo hampihatra izany karazana finoana izany. Mampanantena aho fa ianareo dia hahazo traikefa manokana fa i Jesoa Kristy dia “mampahatanjaka ny reraka, ary izay kely hery dia omeny hery be”. (Russell M. Nelson, “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022, 100)

  • Inona no manan-danja aminao amin’ny tenin’ny Filoha Nelson?

  • Asa ara-panahy inona no mety hilaintsika atao mba hikatsahana fahagagana?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny bokikelin’izy ireo amin’ny hafa ao amin’ny kilasy. Azon’izy ireo atao ny mampiditra zavatra ianaran’izy ireo avy amin’ny tanora mitovy amin’izy ireo ao amin’izany. Avy eo dia azonareo atao ny mifanakalo hevitra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no zavatra nianaranao sy tsapanao momba an’ Andriamanitra rehefa nandalina ny Môrmôna 9 ianao?

  • Inona no hataonao mba hanasana ny fahagagany ho eo amin’ny fiainanao?

Hamoaka printy