Seminera
Môrmôna 8:27–41; 9:1–6, 27–37: Nosoratana ho an’ny androntsika


“Môrmôna 8:27–41; 9:1–6, 27–37: Nosoratana ho an’ny androntsika,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Mormôna (2024)

“Môrmôna 8:27–41; 9:1–6, 27–37,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrmôna 8:27–41; 9:1–6, 27–37

Nosoratana ho an’ny androntsika

Sary
I Môrônia manoratra amina takelaka

Alaovy sary an-tsaina hoe niaina an-jato taona maro tany aloha saingy nahalala ny hoe hanao ahoana izany miaina amin’izao androntsika izao izany. Niaina izany i Môrônia; nasehon’ny Tompo azy ny androntsika. Namaritra ny fahotana sy toe-tsaina izay hanjaka amin’ny andro farany i Môrônia. Nanasa antsika “hitodika … amin’ny Tompo” izy (Môrmôna 9:6) ary nanome torohevitra hafa mba hanampiana antsika hanara-dia an’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana mba hanampy antsika amin’ny andro farany hitodika amin’ny Tompo.

Tongava amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny teniny. Afaka manampy ahy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ny fandalinana soratra masina. Ampio hitady an’i Jesoa Kristy ny mpianatra rehefa mandalina. Rehefa manao izany izy ireo, dia hanamafy ny fifandraisan’izy ireo Aminy sy hisitraka ireo fitahian’ny filazantsara.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara soratra masina iray avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ka afaka manampy antsika hitodika amin’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Nanoratra ho antsika i Môrônia

Mitondrà boaty izay maneho vatam-potoana iray.

Alaovy sary an-tsaina hoe niaina tany aloha be tany ianao ary nangatahina hanoratra hafatra iray hapetraka ao anatina vatam-potoana izay hosokafana amin’ny androntsika.

Omeo taratasy kely hanoratana ny valintenin’izy ireo amin’ity fanontaniana manaraka ity ny mpianatra. Angataho hametraka ny taratasin’izy ireo ao anatin’ilay vatam-potoana ny mpianatra, ary avy eo dia mamakia vitsivitsy amin’ny iray kilasy.

  • Inona no fampitandremana, torohevitra, na fampaherezana homenao mba hanampiana ny olona iray hitety ny zava-tsarotry ny ankehitriny?

Talohan’ny nahafatesan’i Môrmôna, dia nametraka fitokisana tamin’i Môrônia zanany ny amin’ireo takela-bolamena izy (jereo ny Môrmôna 8:1). Nilazalaza fomba iray nanampian’ny Tompo azy hahafantatra ny zavatra hosoratana amin’ny olona amin’izao androntsika izao i Môrônia. Vakio Môrmôna 8:34–35; 9:30, hitadiavana fomba nitahian’ny Tompo an’i Môrônia tamin’ny andraikiny.

  • Inona no nasehon’ny Tompo an’i Môrônia?

  • Inona avy no fahamarinana azontsika ianarana amin’izany?

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe nanome aingam-panahy ny mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hanoratra miaraka amin’ny androntsika tao an-tsain’izy ireo i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fahafantarana fa nahita ny androntsika ny mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fomba amakiantsika ny Bokin’i Môrmôna?

Vakio ity teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) momba ireo mpaminan’ny Bokin’i Môrmôna manaraka ity:

Raha toa ka nahita ny androntsika izy ireo ary nisafidy ireo zavatra izay hanan-danja kokoa ho antsika, moa ve tsy izany no antony tokony handalinantsika ny Bokin’i Môrmôna? Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: “Inona no antony nitaoman’ny Tompo fanahy an’i Môrmôna (na Môrônia na Almà) hampiditra izany ao amin’ny rakitsorany? Inona no lesona azoko ianarana avy amin’ izany izay hanampy ahy eo amin’ ny fiainako amin’ izao andro izao sy amin’ izao vanim-potoana izao?” (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 6)

Ny fametrahana fanontaniana toy ireo naroson’ny Filoha Benson dia fahaiza-mandalina soratra masina mahomby izay afaka manampy ny mpianatra hahita dikany sy lanjany misimisy kokoa amin’ny fandalinan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna. Azon’ny mpianatra atao ny mandray naoty ireo fanontaniana ireo mba hojerena amin’ny fandalinan’izy ireo anio sy amin’ny fandalinan’izy ireo manokana any aoriana.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fametrahana ireo fanontaniana ireo manatsara ny fandalinanao soratra masina?

Hevero ny hizara ny kilasy ho antsasany antsasany na hizara ny mpianatra ho tsiroaroa, ka ny tsirairay dia tendrena hamaky ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto. Asao hanoratra ny zavatra hitan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny lohateny hoe Olana ara-panahy amin’izao androntsika izao ny mpianatra. Raha ilaina, ampio hahatakatra ny hevitr’ireo teny ao amin’ny famaritan’i Môrônia ny mpianatra.

Ilay fanambarana nataon’ny Rahavavy Oscarson ao amin’ny fizaràna hoe “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra” dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ireo andininy ireo.

Vakio ny Môrmôna 8:27–33 na ny Môrmôna 8:36–41, hitadiavana ny fomba namaritan’i Môrônia ny toe-panahin’ny olona amin’ny androntsika.

  • Iza amin’ireo toetra nolazalazain’i Môrônia no hitanao eo amin’ny fiarahamonina misy antsika?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fihetsika sy fitondrantena ireo miantraika amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Vahaolana ara-panahy amin’izao androntsika izao

Asao hanoratra ny zavatra hitan’izy ireo ao amin’ireto andininy manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny lohateny toy ny hoe Vahaolana ara-panahy amin’izao androntsika izao ny mpianatra. Ampio hifanakalo hevitra ny amin’ny fomba ahafahan’ny vahaolana manokana manampy antsika handresy olana ara-panahy manokana ny mpianatra. Ataovy azo antoka fa ifanakalozan’ny mpianatra hevitra ny fomba ampijeren’i Môrônia an’i Jesoa Kristy.

Hohalalinina ao amin’ny lesona manaraka ny Môrmôna 9:7–26.

Vakio ny Môrmôna 9:6, 27–31, hitadiavana ny zavatra nanomezan’ny Tompo aingam-panahy an’i Môrônia hosoratana mba hanampiana antsika handresy toe-panahy ratsy.

  • Inona no nampianarin’i Môrônia ka afaka manampy antsika handresy ny fahotana sy toe-tsaina fahita matetika amin’izao androntsika izao?

  • Iza amin’ireo fampianarana ireo no afaka manampy indrindra ny zatovo amin’ity taranaka ity miantehitra misimisy kokoa amin’i Jesoa Kristy?

  • Ny fanontaniana manaraka dia natao hanaovana fandinihan-tena manokana fa tsy fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy.

    Iza amin’ireo fampianarana ireo no heverinao fa afaka manampy anao indrindra amin’izao fotoana izao? Nahoana?

Ireo fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna

Ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana hanampy antsika hino an’i Jesoa Kristy sy hitodika Aminy (jereo ny 1 Nefia 6:4; Môrmôna 7:5; Môrônia 10:30, 32).

Manasà mpianatra maro hitady sy hizara andininy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay afaka manampy antsika hitodika amin’i Jesoa Kristy. Azon’ny mpianatra atao ny mizara hevitra avy amin’ny fandinihana nataon’izy ireo tamin’ny fiomanan’izy ireo ho amin’ny fotoam-pianarana. Azon’ny mpianatra atao ny mizara amin’ny fomba samihafa—ohatra, amin’ny alalan’ny fanoratana ny toko sy andinin-tsoratra masina eny amin’ny solaitrabe na amina taratasy iray izay alefa mandehandeha amin’ny iray kilasy.

Asao ny mpianatra mba hizara ny antony mahatonga ireo andalan-tsoratra masina ho manan-danja amin’izy ireo. Azonareo atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ireo andininy manampy antsika hino an’i Jesoa Kristy sy hitodika Aminy (jereo ny Môrmôna 9:6).

Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hametraka ao amin’ilay vatam-potoana fanamarihana fohifohy misy soratra masina iray sy hafatra momba ny Mpamonjy. Mety ho afaka mamaky ireo hafatra ireo amina fotoam-pianarana manaraka ianareo.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy. Asao hametraka ireo fanontaniana izay namporisihin’ny Filoha Benson ny mpianatra.

Hamoaka printy