Seminera
Môrmôna 7–9: Topimaso ankapobeny


“Môrmôna 7–9: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môrmôna 7–9,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrmôna 7–9

Topimaso ankapobeny

Nofaranan’i Môrmôna tamin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny fahasambarana mandrakizay miandry ireo izay manara-dia Azy ny asa sorany. Taorian’ny nahafatesany, i Môrônia zanany lahy dia nandray ireo takelaka ary nanao izay rehetra azony natao mba hiarovana izany. Tamin’ny farany dia nandevina azy ireo tao ambany tany izy, natoky fa izy ireo dia “nafenina ho an’ny Tompo” (pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna), mba havoaka “amin’ny alalan’ny tanan’ny Tompo” indray andro any (Môrmôna 8:26). Nasehon’ny Tompo an’i Môrônia ny androntsika, ary i Môrônia dia namaritra ny fahotana sy toe-tsaina izay hanjaka amin’ny andro farany. Nanasa antsika “hitodika … amin’ny Tompo” izy (Môrmôna 9:6) ary nanome torohevitra hafa mba hanampiana antsika hanara-dia an’i Jesoa Kristy.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Môrmôna 7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanara-dia an’i Jesoa kristy sy hiomana hiaina miaraka amin’ Andriamanitra ao anatin’ny fahasambarana mandrakizay.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ny zavatra mahasambatra azy ireo. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny miresaka amin’olona iray ao amin’ny fianakaviana momba ny zavatra mahasambatra izany olona izany.

  • Votoatiny haseho: Ilay fitsapam-pahaizana momba an’i Môrmôna; ilay fanombanan-tena any amin’ny fiafaran’ny lesona

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hampiseho ilay fanambarana tsy feno hoe “Afaka mitoetra miaraka amin’ Andriamanitra ao anatin’ny fahasambarana mandrakizay aho rehefa …” sy hanasa ny mpianatra hamarana ilay fanambarana ao amin’ilay rafitra ifanakalozana an-kafatra amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra hitan’izy ireo ao amin’ny Môrmôna 7:8–10.

Môrmôna 8:1–26

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fomba anehoan’ny fiezahana nandalina ny Bokin’i Môrmôna nataon’izy ireo tato ho ato ny fomba anomezan’izy ireo lanja ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fitaovana: Sarintanin-karena miafina; toromarika amin’ireo fiantsonana mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Rehefa mandalina mba hahita ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra ianaran’izy ireo. Hevero ny hampiasa ny rafitra ifanakalozana an-kafatra mba hamelana azy ireo hitanisa ny soratra masina na andininy tian’izy ireo indrindra, na tantara manan-danja lehibe amin’izy ireo. Avy eo dia angataho hanazava ny safidin’izy ireo ny mpianatra maromaro.

Môrmôna 8:27–41; 9:1–6, 27–37

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana mba hanampy antsika amin’ny andro farany hitodika amin’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara soratra masina iray avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ka afaka manampy antsika hitodika amin’i Jesoa Kristy.

  • Fitaovana: Boaty na zavatra hafa anankiray anehoana vatam-potoana

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hizara ny mpianatra ho amina salles de discussion (kiefitrefitra fampisarahana) mba hizara andalan-tsoratra masina avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy sy manampy antsika hino Azy.

Môrmôna 9:7–27

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fananana finoana an’ Andriamanitra mamela Azy hanao fahagagana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hamaky na hihaino ny lahatenin’ny Loholona Ronald A. Rasband hoe “Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho” ary hieritreritra ny zavatra ianaran’izy ireo na fanontaniana ananan’izy ireo momba ny fahagagana. Io lahateny io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy, fitaovana fanoratana, sary, lakaoly, ary hety mba hanaovan’ny mpianatra bokikely

  • Horonan-tsary:Sanctify Yourselves (Hamasino ny tenanareo)” (4:37); “By Divine Design (Amin’ny alalan’ny famolavolan’ Andriamanitra)” (14:51; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 7:16 hatramin’ny 8:19)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Rehefa mifanakalo hevitra mombana fahagagana tany amin’ny lasa, dia hevero ny handefa ilay horonan-tsary momba an’i Jesoa Kristy nanao fahagagana. Rehefa mifanakalo hevitra mombana fahagagana miseho ankehitriny, dia mety ho azonao atao ny mandefa ny iray amin’ireo horonan-tsary naroso ao amin’ny lesona.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 23

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanao tsianjery toko sy andininy ary andian-teny manan-danja maro, na andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray manontolo, avy ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hisafidy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray sy toko sy andininy hotadidina ny mpianatra ary ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara.

  • Sary: Sarin’i Môrônia niseho tamin’i Joseph Smith

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Ampahafantaro ny mpianatra fa hangatahina hizara ny soratra masina tian’izy ireo hotadidina izy ireo. Azonao atao ny manome fotoana azy ireo hifampizara ny zavatra ataon’izy ireo mba hitadidiana, na mety azonao atao ny misafidy fomba fanaovana tsianjery iray hampiasain’ny mpianatra rehetra.

Hamoaka printy