Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 22: Ampiharo


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 22: Ampiharo,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 22,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 22

Ampiharo

Sary
zatovovavy mandalina ny soratra masina

Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana mampihatra ireo andininy fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Amporisiho hisafidy ny mpianatra. Ny fanomezana safidy ny mpianatra amin’ny hoe inona sy ny hoe ahoana no hianaran’izy ireo mandritra ny lesona iray, dia ahafahan’izy ireo mampihatra ny fahafaha-misafidy ananan’izy ireo sy mitombo ara-panahy. Io fitomboana io dia afaka manorina ny finoan’ny mpianatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina sy ho tonga efa vonona hizara hoe inona avy ireo fahamarinana na fampianarana avy amin’ireo andininy fifehezana fotopampianarana nampiharin’izy ireo tamin’ny fiainan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana

Hevero ny hampiseho na, raha tsy izany, hanome ny mpianatra ity rafi-tantara manaraka ity. Ny tanjon’ny fanasana ny mpianatra hamita ilay rafi-tantara dia ny hanampy azy ireo hizatra mampihatra fahamarinana ao amin’ny soratra masina amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Asao ny mpianatra mba hameno samirery ny banga amina taratasy iray, tsy mampiasa anaran’olona izay mety ho fantatry ny mpianatra hafa ao amin’ny kilasy.

Mieritrereta momba ny zatovo fantatrao. Saintsaino ny sasany amin’ny toe-javatra misy ny fianakavian’izy ireo, ny zavatra ankafizin’izy ireo sy ny sasany amin’ireo zava-tsarotra atrehin’izy ireo. Hevero izany fampahalalana izany rehefa mamorona rafi-tantara alaina sary an-tsaina saingy maneho zava-misy hampiasaina mandritra ity lesona ity ianao, amin’ny alalan’ny famenoana ireto banga manaraka ireto:

  • I (Mampidira anarana) dia taona ary misy olona ao amin’ny fianakaviany. Tia , izy, ary . Sasany amin’ireo zava-tsarotra atrehiny ny , , sy ny . Tsapany fa ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy dia .

Ny fomba iray itarihan’ny Tompo lalana antsika amin’ny zava-tsarotra atrehintsika dia amin’ny alalan’ireo fampianarany ao amin’ny soratra masina. Rehefa mandalina sy mampihatra ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina isika, dia afaka mahita valiny hanampy antsika amin’ny fiainantsika isika.

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny fiomanan’izy ireo ho amin’ny fotoam-pianarana rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo.

  • Inona no lanjan’ny fahatakarana ny soratra masina sy fampiharana azy amin’ny fiainantsika?

  • Inona avy no fomba nampiharanao tamin’ny fomba mahomby fampianarana ara-tsoratra masina teo amin’ny fiainanao?

Ny Loholona Craig C. Christensen ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava ny fomba nampiasan’i Joseph Smith môdely iray mba hampiharana fampianarana ara-tsoratra masina am-pahombiazana:

Navelan’i Joseph hiditra lalina tao am-pony ny soratra masina. Nosaintsaininy lalina izany ary nampihariny tamin’ny toe-javatra niainany. Dia nampihatra ny zavatra nianarany izy avy eo. (Craig C. Christensen, “Ny Tenako [dia] Mahafantatra Ireny Zavatra Ireny,” Liahona, nôv. 2014, 51)

  • Inona no nanan-danja taminao tamin’ny teny nambaran’ny Loholona Christensen?

Mety ho nahita ity môdely ity tao amin’ny ohatr’i Joseph Smith ianao:

  1. Halalino amin’ny fo misokatra ny soratra masina.

  2. Saintsaino lalina izany.

  3. Ampiharo amin’ilay toe-javatra ny fampianarana.

  4. Manaova asa amin’ny zavatra nianarana.

Mampiasa ilay môdely

Raha ilaina, azonao atao ny mampiseho ity tabilao manaraka momba ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ity, na omeo tahadikany ny mpianatra amin’ity sahanasa manaraka ity.

Saintsaino ilay rafi-tantara noforoninao teo aloha. Avereno jerena ireto andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto ary soraty amin’ilay taratasy eo ambanin’ny rafi-tantaranao ny toko sy andinin’ny iray amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo izay tsapanao fa hilaina ny hampiharan’ilay olona ao amin’ny rafi-tantaranao azy. Araho ny dingana telo voalohany amin’ilay môdely eo ambony. Halalino amin’ny fo misokatra ilay andalan-tsoratra masina. Saintsaino lalina ilay andalan-tsoratra masina. Avy eo dia soraty ny antony ahatsapanao fa izany andalan-tsoratra masina izany dia hanampy ny hampiharan’ilay olona azy.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Mampihatra ny soratra masina

Mba hanohizana ny fanarahana ilay môdely eo ambony, dia katsaho ny hampihatra ny soratra masina nosafidinao ho an’ilay olona ao amin’ny rafi-tantaranao, amin’ny alalan’ny fanasana azy hihetsika amin’ny zavatra ampianarina. Mety hanampy amin’ny fanaovana izany ireto dingana manaraka ireto:

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona misy olona efatra sy hampiseho ireto toromarika manaraka ireto.

Azon’ny mpianatra iray atao ny manomboka amin’ny alalan’ny fanomezany ilay taratasy misy ny rafi-tantarany sy ny toko sy andininy nosafidiny ny olona iray hafa ao amin’ilay vondrona. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mandinika ilay rafi-tantara sy andalan-tsoratra masina eo amin’ilay taratasy ary mamita ny dingana “a” eo amin’izany taratasy izany.

Avy eo ilay taratasy dia azo omena ny mpianatra iray hafa izay mamita ny dingana “b” ary omena mpianatra hafa indray izay mamita ny dingana “d”.

  1. Miraketa an-tsoratra fomba iray na roa ahafahan’io olona io manao asa amim-pinoana miainga amin’ireo fahamarinana ao amin’ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ohatra, ny olona iray izay miezaka mafy mampihatra ireo fampianarana ao amin’ny Etera 12:27 dia mety ho afaka mikatsaka fomba hampivelarana ny toetra tahaka ny an’i Kristy amin’ny fanetren-tena na manao zavatra hanatonana an’i Kristy, toy ny fandraisana fanasan’ny Tompo isan-kerinandro amin’ny fifantohana an-tsitrapo amin’ny Mpamonjy.

  2. Raketo an-tsoratra ny zavatra holazainao mba hampaherezana sy handrisihana io olona io hanao asa amin’ny zavatra nianarany. Ampidiro ny fomba ahafahan’ny fampiharana ilay hafatra miantraika amin’ny fifandraisan’ilay olona amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny faniriany sy ny fahafahany ho tonga tahaka Azy Ireo.

  3. Raketo an-tsoratra ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ilay fahamarinana ampianarina ao amin’ilay andalan-tsoratra masina na zavatra niainana mifandray amin’izany.

Azo averina amin’ilay nanoratra azy voalohany amin’izay ny taratasy tsirairay mba hahafahany mamerina mijery sy mianatra amin’ny zavatra nosoratan’ny mpianatra hafa.

Mampihatra andalan-tsoratra masina eo amin’ny fiainanao

Amporisiho ny mpianatra mba hirakitra an-tsoratra ny valintenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Ahoana no iharan’ireo fahamarinana nohalalininao sy nosaintsaininao amin’ny toe-javatra misy eo amin’ny fiainanao?

  • Inona no hetsika tsapanao fa anentanam-panahy anao hatao? (Ohatra, azonao atao ny mitady fomba hanamboarana ny fandalinanao soratra masina manokana mba hifantohana an-tsitrapo kokoa amin’ny fampiharana ireo fahamarinana hitanao. Hevero ny fomba ahafahanao mampiasa ilay môdely nampiharinao tao amin’ity lesona ity mba hanaovana izany.)

  • Ahoana no ahafahan’ireo zavatra ataonao miantraika amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Hamoaka printy