“Môrmôna 1–2: I Môrmôna mpaminany,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)
“Môrmôna 1–2,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna
Môrmôna 1–2
I Môrmôna mpaminany
Rehefa miezaka mafy manara-dia an’i Kristy ianao, dia mety ho voamarikao indraindray fa mitondra tena tsy tahaka ny olona manodidina anao ianao. Mety ho nieritreritra ianao hoe: “Ahoana no ahafahako ho matanjaka tsara ka ho afaka hanara-dia an’i Kristy rehefa toa tsy manara-dia azy ny fahitana ny hafa?” Niaina toe-javatra mitovitovy amin’izany i Môrmôna mpaminany fony izy tanora. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrmôna momba ny fomba fanarahana an’i Kristy na inona na inona safidìn’ny hafa atao.
Sahanasa fianarana azo atao
Misongadina amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy
-
Inona no fampitahana azonao atao eo amin’io sary io sy ny olona iray miezaka manara-dia an’i Kristy eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?
-
Inona avy no toe-javatra sasantsasany izay tsy maintsy isafidianan’ny zatovo amin’ny fanaovana izay mety sy ny fanarahana ny zavatra ataon’ny hafa manodidina azy ireo?
Rehefa manomboka ny fandalinanao ny fiainana sy fampianaran’i Môrmôna mpaminany ianao, dia mitadiava hevi-baovao izay afaka manampy anao hanara-dia ny Mpamonjy rehefa mety hisafidy zavatra hafa ny hafa manodidina anao.
I Môrmôna mpaminany
Nofidin’ Andriamanitra hitahiry sy hiaro ireo rakitsoratra masin’ny olony i Môrmôna ary hampiditra ny tantarany sy zavatra niainany manokana ao amin’izany. Ny sasany amin’ireo rakitsoratra izay nosoratany, nofoheziny ary notehiriziny dia hadikan’ny Mpaminany Joseph Smith ho Bokin’i Môrmôna any aoriana.
Vakio ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto mba hianarana zavatra vitsivitsy momba an’i Môrmôna:
-
Inona no nanan-danja taminao tamin’ny famaritan’i Môrmôna?
Na dia tany amin’ny fahatanorany aza i Môrmôna, dia tsy maintsy nofantariny raha hanaraka ny zavatra nataon’ny maro nanodidina azy izy na vonona hiavaka amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy azy.
Mety ho tsaroanao ny fianarana momba ny sivilizasiôna marina izay natsangana taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy an’i Amerika. Nampalahelo fa taorian’ny efa ho 200 taona niainana tamim-pahamarinana, dia nanomboka niavonavona ny Nefita sy ny Lamanita. Tamin’ny farany dia lasa tena ratsy fanahy sy mpifanditra izy ireo (jereo ny 4 Nefia 1:24–49).
Vakio ny Môrmôna 1:13–14, 16; 2:18–19, hitadiavana ny famaritan’i Môrmôna ilay fiarahamonina nahalehibe azy.
-
Inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatr’i Môrmôna?
Noho ny fahamarinan’i Môrmôna, dia nandray fitahiana mahagaga avy amin’ Andriamanitra izy, na dia tany amin’ny fahatanorany aza. Vakio ny Môrmôna 1:15, hitadiavana ny iray amin’ireo fitahiana ireo.
-
Inona avy no fomba mety hitahiana ny zatovo “[hanandrana] sy [hahafantatra] ny hatsaram-pon’i Jesoa”?
-
Ahoana no nitahian’ny Ray any An-danitra anao hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy na dia tsy nanao izany aza ny hafa?
Ohatr’i Môrmôna
Ny ohatr’i Môrmôna dia afaka manampy anao hamantatra fomba manokana maromaro azonao anarahana an’i Kristy na dia tsy manao izany aza ny hafa manodidina anao. Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny toetran’i Môrmôna sy hitady fomba hampiharana izany amin’ny fanarahana an’i Kristy.
Fanampiana sy hery hijanonana ho mahatoky
Mba hanampiana anao hahita fomba hampiharana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy eo amin’ny fiainanao manokana, dia mitanisà fanamby roa farafahakeliny atrehin’ny zatovo amin’ny fiainana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Avy eo dia soraty ny fomba mety hahafahan’ny iray na izy roa amin’ireo toetra nohalalininao manampy ny zatovo handray fanampiana sy hery avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.