Seminera
Môrmôna 1–6: Topimaso ankapobeny


“Môrmôna 1–6: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môrmôna 1–6,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrmôna 1–6

Topimaso ankapobeny

Rehefa nijery ny faharatsian’ny olony i Môrmôna, dia nampianatra momba izay hitsara antsika sy ny fomba hitsarana antsika amin’ny Fitsarana Farany. Rehefa niresaka momba ireo olona nanodidina azy izy, dia nilaza hoe:“efa nitarika azy aho … ary efa tia azy … tamin’ny foko manontolo” (Môrmôna 3:12). Na izany aza, nanahy momba ny olony izy ary nisaona ho azy ireo rehefa nandroso nankamin’ny fandringanana noho ny fandavan’izy ireo ny hitodika amin’ Andriamanitra mba hahazo fanampiana izy ireo. Tamin’ny farany, ny firenena Nefita dia naringan’ny Lamanita.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Môrmôna 1–2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrmôna momba ny fomba fanarahana an’i Kristy na inona na inona safidìn’ny hafa atao.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga efa vonona hizara zavatra niainana mombana fotoana nisafidianan’izy ireo ny tsy hitovy amin’ny hafa mba hanarahana an’i Jesoa Kristy sy ny antony naha-zavatra mendrika ny hatao izany ireo mpianatra.

  • Sary haseho: Sarin-javatra iray izay mazava ny tsy fitoviany amin’ny zavatra manodidina azy; sarin’i Môrmôna mamolavola ireo takela-bolamena

  • Taratasy zaraina:Matotra” sy “Faingam-pandinika

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Raha mangataka ny mpianatra hanomana mombamomba an-tambajotran-tserasera ho an’i Môrmôna mpaminany mandritra ny lesona ianao, dia apetraho amina efitra fanasarahana izy ireo mba hamelana azy ireo hanolotra ny zavatra nomanin’izy ireo amina mpianatra hafa vitsivitsy.

Môrmôna 3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fanomanana ny mpianatra hijoro amim-patokisan-tena sy fifaliana eo anatrehan’i Jesoa Kristy amin’ny Fitsarana Farany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga efa vonona hizara ny fanontaniana ananan’izy ireo momba ny Fitsarana Farany ny mpianatra. Hevero ny hampiasa tsapan-kevitra tsy mitonona anarana mba hamelana ny mpianatra handefa ny fanontanian’izy ireo alohan’ny fotoam-pianarana. Mety ho afaka mitari-dalana anao amin’ny fanomanana lesona iray mba hamaly ny filan’izy ireo ny fanontanian’izy ireo.

  • Votoatiny haseho: Torolalana izay toa milaza fa hisy fanadinana farany na tombana tsy ampoizina mandritra ity lesona ity; ilay tabilao misy ireo fanontaniana sy valiny momba ny Fitsarana Farany

  • Horonan-tsary:The Great Plan (Ilay drafitra lehibe)” (16:03; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 14:06 hatramin’ny 14:50); “Divine Love in the Father’s Plan (Fitiavan’ Andriamanitra ao amin’ny Drafitry ny Ray)” (14:46; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 1:44 hatramin’ny 3:31); “Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana” (15:27; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 8:09 hatramin’ny 12:03)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hametraka ny mpianatra amina efitra fanasarahana mandritra ny minitra vitsivitsy mba hanao lisitra ny fanontaniana ananan’izy ireo momba ny Fitsarana Farany. Avereno miaraka izy ireo ary ampiasao ilay endrika solaitrabe fotsy mba hamelana azy ireo hanoratra amin’ny penina na amin’ny kitendry ny fanontanian’izy ireo. Asao hanao pikantsarin’efijery ny fanontaniana rehetra ny mpianatra, ary avy eo dia asehoy ilay lisitra loharanom-pahalalana izay ahafahan’izy ireo mahita valiny. Omeo fotoana hitadiavana valiny amin’ny alalan’ny fampiasana ireo loharanom-pahalalana nomena na izay rehetra mety ho loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra hafa fantatr’izy ireo.

Môrmôna 3–6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fitodihana amin’ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hanandrana mitadidy fotoana iray nanampian’ Andriamanitra azy ireo tamina ady mafy noho ny nangatahan’izy ireo Azy hanampy.

  • Sary haseho: Sarin’i Môrmôna sy i Môrônia mijery maimaika ny fandringanana ny Nefita.

  • Horonan-tsary:Prophets Warning (Fampitandreman’ny mpaminany)” (1:24; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 0:00 hatramin’ny 0:58)

Tombano ny fianaranao 8

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanombana ny tanjona napetrak’izy ireo sy ny fitomboana niainan’izy ireo nandritra ny fandalinan’izy ireo vao haingana ny 3 Nefia 8 hatramin’ny Môrmôna 6.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na fomba nitomboanizy ireo ara-panahy tao anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa. Mety hanampy ny fanasana ny mpianatra hamerina hijery ny diary fandalinan’izy ireo na fanamarihana nosoratana ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 22

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome ny mpianatra fahafahana mampihatra ireo andininy fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina sy ho tonga efa vonona hizara hoe inona avy ireo fahamarinana na fampianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra fifehezana fotopampianarana nampiharin’izy ireo tamin’ny fiainan’izy ireo.

  • Votoatiny haseho: Rafi-tantara fenoy ny banga ; ny fanambarana nataon’ny Loholona Craig C. Christensen; ny tabilaon’ny andian-teny manan-danja avy ao amin’ny Almà hatramin’ny Môrônia

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy iray ho an’ny mpianatra tsirairay

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hampiditra ny mpianatra ho ao anatina vondrona misy olona efatra ao amina efitra fanasarahana mba hamita ilay sahanasa eo ambanin’ny lohateny hoe “Mampihatra ny soratra masina.” Ampiasao ilay fiasa fandefasana hafatra mba hanomezana ny toromarika ny vondrona tsirairay.

Hamoaka printy