Seminera
4 Nefia: “Niova fo ho an’ny Tompo”


“4 Nefia: -Niova fo ho an’ny Tompo,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“4 Nefia,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

4 Nefia

“Niova fo ho an’ny Tompo”

Sary
andiam-behivavy falifaly manao akanjo fanao amin’ny andro alahady

Nandritra ny arivo taona maro, ny isam-batan’olona sy fianakaviana ary fiarahamonina dia nikatsaka izay idealy tsara indrindra toy ny firindrana, ny fiadanana ary ny firaisankina. Mety ho zavatra tsy ho tratra ny fahitana izany, saingy misy izy ireo. Ny raki-tantara ao amin’ny 4 Nefia dia ohatra amin’izany. Zavatra fototra iray hahafahana miaina ireo fitahiana ireo ny fampitomboana ny fiovam-pontsika ho an’ny Tompo sy ny fananana ny fitiavana an’ Andriamanitra ao am-pontsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa fitiavana lehibe kokoa ho ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba ahafahanao hiova fo lalina kokoa ho Azy Ireo.

Miomàna amin’ny alalan’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra. Isika dia nomena andraikitra hampianatra ireo fahamarinana hita ao amin’ny soratra masina sy ireo fampianaran’ny mpaminany sy apôstôlin’ny andro farany. Amin’ny alalan’ny fandalinana am-bavaka ny tenin’ Andriamanitra, isika dia afaka mampitovy tadin-dokanga amin’ny Fanahy Masina ka mandray fahatakarana sy fitarihana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny dikan’ny ny teny hoe fiovam-po ao amin’ny loharanom-pitaovan’ny Fiangonana izay misy. Azo atao ihany koa ho solon’izany ny manasa ny mpianatra hanontany olona iray fantatr’izy ireo ny hevitry ny hoe fiovam-po ho an’i Kristy aminy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fahafahana avy any an-danitra

Alaovy sary an-tsaina hoe hanao ahoana raha toa ka ianao sy ny olona manodidina anao dia tia sy miezaka manara-dia an’i Jesoa Kristy daholo.

Hevero ny hametraka ny mpianatra ao anatina vondrona kely sy hanasa azy ireo hifanakalo hevitra fohifohy momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no mety hiova eo amin’ny fiarahamonina misy anao?

  • Inona no mety hiova ao amin’ny sekoly na fiangonana misy anao?

  • Inona no mety hiova ao amin’ny tokantrano misy anao?

Ny bokin’ny 4 Nefia dia ahitana ny raki-tantaran’ny olona izay niaina taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy an’i Amerika. Rehefa mandalina ny zavatra niainan’izy ireo ianao, dia tadiavo ny fiantraikan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany tamin’ireo olona ireo. Eritrereto ny fomba ahafahan’ireo fampianarana ireo miantraika amin’ny fomba isafidiananao hiaina ny fiainanao.

Ny fiantraikan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy

Vakio ny 4 Nefia 1:1–2, hitadiavana ny fiantraikan’ny Mpamonjy sy ny fampianarany teo amin’ireo olona ireo.

  • Inona no zavatra tsikaritrao?

Azonao atao ny manisy marika ilay andinateny hoe “niova fo ho an’ny Tompo avokoa ny vahoaka” ao amin’ny andininy 2.

Hevero ny hanasa ny mpianatra izay nahavita ny sahanasa fanomanana mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny dikan’ny hoe miova fo ho an’ny Tompo. Azonao atao ihany koa ny mizara ity famaritana manaraka ity.

Ny hoe miova fo ho an’ny Tompo dia midika hoe “Manova ny finoana, ny fo ary ny fiainana mba hanaiky sy hankatò ny sitrapon’ Andriamanitra … [ary] tonga mpianatr’i Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fiovam-po,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Ny fitahian’ny fiovam-po

Ny Nefita sy ny Lamanita dia niaina fitahiana tsy mampino noho ny fiovam-pon’izy ireo ho amin’i Jesoa Kristy. Ao amin’ny diary fandalinanao, soraty eo afovoan’ny pejy iray ny hoe “Fitahiana avy amin’ny fiovam-po”.

Ankoatra ny fanoratan’ny mpianatra ny lohateny ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo, dia azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe rehefa avy mandalina ireto andininy manaraka ireto.

Vakio ny 4 Nefia 1:2–18 ary asio marika ny teny na andianteny izay maneho ireo fitahiana noraisin’izy ireo. Eo amin’ny taratasinao, soraty manodidina ny lohateny hoe “Fitahiana avy amin’ny fiovam-po” ireo teny na andianteny ireo. (Mety hanampy ny fahafantarana ny hevitry ny sasany amin’ireo teny ao amin’ny andininy 16. Ny tabataba dia manondro savorovoro na korontam-bahoaka, ny fijangajangana dia manondro fahotana ara-nofo, ary ny fahalotoam-pitondratena dia manondro filan-dratsy sy fahalotoam-pitondrantena.)

Eritrereto hoe iza amin’ireo fitahiana ireo no irinao hiainana kokoa eo amin’ny fiainanao. Hevero ny hanisy faribolana eo amin’izy ireo ao amin’ilay pejy ao amin’ny diary fandalinanao.

Asao hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na tsapan’izy ireo tamin’ny fandalinan’izy ireo ny andininy 2–18 ny mpianatra. Azonao atao ny manasa mpianatra hizara andianteny iray izay manan-danja manokana amin’izy ireo ary hanazava ny lanjan’izany.

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tamin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Nahoana?

  • Miainga amin’ny zavatra nianaranao avy amin’ireo andininy ireo, ahoana no ahafahanao mamarana ity fehezanteny manaraka ity: “Rehefa miova fo ho an’ny Tompo isika …”?

Fahamarinana iray izay azontsika fantarina avy amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa miova fo ho an’ny Tompo isika, dia voatahy ka mahazo fahasambarana sy firaisankina amin’ny maha zanak’i Kristy antsika.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka mamokatra fitahiana toy izany ny fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy sy ny fiainana ny filazantsarany?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana io fahamarinana io miantraika amin’ny zavatra ataontsika isan’andro?

Ny fitiavan’ Andriamanitra

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ity fandinihana manaraka ity momba ny antony nahatonga ireo olona ireo ho afaka niaina tamina fahasambarana sy firaisankina toy izany.

Inona no zavatra hahatonga ity fivoarana amin’ny fiainana mahafam-po sy feno fifaliana ity? Voarakitra ao anatin’ireo teny ao amin’ny fehezan-teny iray izany manao hoe: “Ny fitiavan’ Andriamanitra … [dia] nitoetra tao am-pon’ny vahoaka” [4 Nefia 1:15]. Rehefa ny fitiavan’ Andriamanitra no mandrindra ny fiainantsika sy ny fifandraisantsika ary ny zavatra tsapantsika ho an’ny zanak’olombelona rehetra dia ho manjavona ireo fanavahana taloha sy ireo anarana napetaka tsy mampivoatra, sy ireo fizarazarana ka hitombo ny fiadanana. Izany indrindra no niseho tamin’ilay ohatra noresahantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tsy misy Lamanita na Jakôbita na Josefita na Zôramita intsony. Tsy misy “-ita” izany intsony mihitsy. Nisalotra anarana vaovao tokana mampiray kokoa ny vahoaka. Voalaza ao fa fantatra tamin’ny hoe “zanak’i Kristy” [4 Nefia 1:17] avokoa izy rehetra. (Jeffrey R. Holland, “Ny fananana lehibe indrindra,” Liahona, nôv. 2021)

Hevero ny hanisy marika ilay andianteny ao amin’ny andininy 15 momba ny fitiavan’ Andriamanitra mitoetra ao am-pon’ny olona. Ny hoe manana ny fitiavan’ Andriamanitra ao am-pontsika dia mety hidika hoe mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ho antsika sy ny hafa. Mety hidika ihany koa izany hoe mahatsapa fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Inona avy no zavatra azo atao sasantsasany hanampy antsika hahatsapa fitiavana lehibe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Mikatsaha valinteny isan-karazany amin’ilay fanontaniana teo aloha. Ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io, mety hahasoa raha angatahina hanazava ny zavatra nanampy azy ireo hahatsapa fitiavana lehibe kokoa an’ Andriamanitra ny mpianatra. Mety ho azonao atao ihany koa ny mizara ohatra avy amin’ny fiainanao manokana.

Fomba iray ahafahantsika mahatsapa fitiavana lehibe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fianarana momba Azy Ireo sy ny fahatongavana amin’ny fahalalana Azy Ireo ao amin’ny soratra masina.

Azon’ny mpianatra atao ny mamita manokana na miaraka amina vondrona kely ity sahanasa manaraka ity na miaraka amin’ny namany iray.

Makà fotoana handalinana andalan-tsoratra masina momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay afaka manampy anao hahatsapa fitiavana lehibe kokoa Azy Ireo. Jereo tsara ny zavatra ianaranao momba ny toetran’izy ireo, ny fanirian’izy ireo, ary ny anjara asanareo. Azonao atao ny mikaroka teny toy ny hoe “Ray any An-danitra” na “Jesoa Kristy” amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovam-pandalinana toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ny fahafahana mikaroka ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

Asao hizara andininy hitan’izy ireo ka manan-danja manokana amin’izy ireo ny mpianatra. Angataho izy ireo hanazava ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana manampy antsika hahatsapa fitiavana lehibe kokoa ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy.

  • Rehefa avy mizara zavatra ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Avy eo dia mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahinareo androany.

  • Inona no zavatra iray hoezahinao hatao ao anatin’ny andro manaraka ka afaka manampy anao ho tonga miova fo ho an’i Jesoa Kristy kokoa?

Hamoaka printy