Seminera
3 Nefia 27–4 Nefia 1: Topimaso ankapobeny


“3 Nefia 27–4 Nefia 1: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 27–4 Nefia 1,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 274 Nefia 1

Topimaso ankapobeny

Nampianatra ny mpianany Nefita i Jesoa Kristy fa tokony hantsoina amin’ny anarany sy haorina eo amin’ny filazantsarany ny Fiangonany. Nanazava fitahiana manan-danja izay misy ho an’ireo izay manaraka ny filazantsarany Izy, ao anatin’izany ny fanamasinana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Naniry ny hijanona teto an-tany sy hitondra fanahy ho an’i Jesoa Kristy mandra-pahatongan’ny Fiaviany Fanindroany ny telo tamin’ireo mpianatra Nefita, ary nekena izany faniriana izany. Nisy fiantraikany lalina teo amin’ny olona ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo amin’izy ireo, ary niaina tamim-pahamarinana nandritra ny efa ho 200 taona izy ireo.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

3 Nefia 27, Tapany 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny hoe inona no atao hoe filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny maha-zava-dehibe ny anaran’ny Fiangonana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ny 3 Nefia 27:1–10 sy hijery ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ny mpianany Nefita momba ny Fiangonany.

  • Horonantsary:Ny anarana marin’ny Fiangonana” (15:43; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 3:26 hatramin’ny 4:45)

  • Sary: Sary tsotsotra ana fiangonana iray

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Eo am-piafaran’ny lesona, ny mpianatra dia asaina hanao sarina fiangonana iray sy hitanisa fahamarinana momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy eo ambanin’izany. Azonao atao ny mampiseho ilay fiangonana eo amin’ny efijerinao sy mampiasa ny fahafahana manisy fanamarihana mba hamelana ny mpianatra hampiditra ny hevi-baovaon’izy ireo.

3 Nefia 27, Tapany 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra handray ny hery manamasin’ny Mpamonjy rehefa miezaka miaina ny filazantsara izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny hafa momba ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo ho tonga voamasina, na mitovy kokoa amin’ny Mpamonjy.

  • Votoatiny haseho: Fomba izay azon’ny mpianatra ampiharana ireo fahamarinana nohalalinin’izy ireo amin’ny fiainan’izy ireo (voatanisa any amin’ny faran’ny lesona)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hevero ny hanasa ny mpianatra hampiasa ny chat mba hamaliana ny fanontaniana hoe “Inona avy no fomba sasantsasany azontsika hanasana ny fiarahana tsy mitsahatra amin’ny Fanahy Masina mba hahafahantsika mahazo ny fitaomany manamasina?” Izany dia afaka manampy anao hamorona lisi-kevitra izay afaka manampy ny mpianatra.

Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 27:20

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andianteny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 27:20, hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hanomboka hanao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andianteny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 27:20: “Mankanesa aty Amiko ary aoka hatao batisa …, mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hevero ny hampiseho ny application Médiathèque de l’Évangile mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andianteny manan-danja fifehezana fotopampianarana.

3 Nefia 28

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa faniriana mitombo hitondra ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hieritreritra zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fizarana ny filazantsara sy ny zavatra nanampy azy ireo haniry hanao ny zavatra nataon’izy ireo ny mpianatra.

  • Votoatiny aseho: Fanontaniana fanombanan-tena akaikin’ny fanombohana ny lesona; toko sy andinin-tsoratra masina amin’ilay sahanasa fandalinana akaikin’ny fiafaran’ny lesona

4 Nefia

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fitiavana lehibe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hahafahan’izy ireo ho miova fo lalina kokoa ho Azy Ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra handalina ny dikan’ny teny hoe fiovam-po ao amina loharanom-pitaovan’ny Fiangonana misy. Afaka mifanolo amin’izany, azonao atao ny manasa ny mpianatra hanontany olona iray fantatr’izy ireo ny hevitry ny hoe fiovam-po ho an’i Kristy aminy.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Raha misafidy ny hamaky ny 4 Nefia 1:2–18 miaraka amin’ny iray kilasy ianao, dia azonao atao affichage galerie ny efijerinao mba hahafahanao mahita ny kilasy manontolo. Rehefa avy mamaky andininy iray ny mpianatra iray dia asao hanondro any amina zotra iray manokana izy. Avy eo dia angataho hamaky ny andininy manaraka ilay mpianatra miseho amin’izany zotra izany eo amin’ny efijerinao. Tokony havela handà ny mpianatra izay mahatsapa ho tsy mahazo aina hamaky.

Hamoaka printy