Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 21: Takaro ary hazavao


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 21: Takaro ary hazavao,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 21,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 21

Takaro ary hazavao

Sary
zatovolahy mandalina ny soratra masina

Tanjona iray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hahatakatra ireo fahamarinan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ho afaka manazava azy ireny amin’ny teninao manokana. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana mampitombo ny fahatakaranao fahamarinana sy manazava izany avy amina andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga efa vonona hizara lisitry ny zavatra ataon’izy ireo mba hahatakarana tsara kokoa ny soratra masina amin’ny fandalinan’izy ireo ny mpianatra.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Mahatakatra ny soratra masina

Ho solon’ilay sahanasa etsy ambany dia mieritrereta seha-pahatakarana na talenta izay ananan’ny mpianatrao. Angataho izy ireo hanazava ny zavatra nataon’izy ireo mba hanatsarana ireny fahaizana ireny. Manontania momba ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanohizana mandroso amin’izany sehatra izany.

Jereo ireto sary manaraka ireto:

Sary
sarina mpanao baolina kitra tanora eo akaikin’ny sarina mpilalao baolina kitra manana traikefa iray
  • Inona no takina amina mpilalao baolina kitra tanora iray mba hivoarany ho lasa matihanina?

  • Inona no mety ifandraisan’io dingana io amin’ny fahafahantsika manakatra ny soratra masina?

Nampianatra toy izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Mba hahatonga ny filazantsara ho voasoratra ao am-ponareo dia mila mahafantatra ny dikan’izany sy mitombo ao amin’ny fahatakarana izany bebe kokoa ianareo. Midika izany fa tsy maintsy mandalina ianao. Rehefa miteny aho hoe -mandalina,- dia zavatra mihoatra noho ny hoe mamaky no tiako holazaina. (D. Todd Christofferson, “When Thou Art Converted,” Liahona, mey 2004, 11)

  • Ahoana no nitomboan’ny fahatakaranao ny filazantsara nandritra ny fiainanao? Ahoana no nanampian’ny fandalinana soratra masina anao amin’izany?

    Ampio ny mpianatra hahita fa tsy hafahafa akory ny hoe tsy mahatakatra ny zava-drehetra ao amin’ny soratra masina amin’ny voalohany. Mety ho azonao atao ny mampijery azy ireo ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 2 Nefia 28:30 ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io. Afaka ny ho fotoana tsara hamantarana ny fandehan’ny sahanasa fanomanana izany.

  • Inona avy no fomba fandalinana sasantsasany nampiasainao mba hampitomboana ny fahatakaranao andalan-tsoratra masina na lohahevitra iray ao amin’ny filazantsara?

Na dia mety ho zatra ny sasany amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana soratra masina sy ny fotopampianarana ampianarin’izy ireo aza ianao dia iran’ny Mpamonjy ny fitomboan’ny fahatakaranao hatrany. Mitaky ezaka avy aminao izany. Ato amin’ity lesona ianao dia hanana fahafahana hampihatra fahaiza-mandalina soratra masina izay afaka mampitombo ny fahatakaranao andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Fahaiza-mandalina soratra masina

Avereno jerena vetivety ireto andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andianteny manan-danja manaraka ireto.

Hevero ny hampihena kokoa ity tabilao manaraka ity ho lasa andininy vitsivitsy izay tsapanao fa tena ilain’ny mpianatrao indrindra ny mandalina azy. Azon’ny mpianatra atao ny mamerina mijery tsirairay, na tsiroaroa, na miaraka amin’ny iray kilasy ireo andalan-tsoratra masina ireo.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Hevero ny hizara ny kilasy ho vondrona kely mba hamita ity sahanasa manaraka ity. Raha toa ka hahasoa ny mpianatra ny ohatra iray, dia hevero ny haka ho maodely ny iray na mihoatra izany amin’ireto fahaiza-manao hoenti-mandalina manaraka ireto amina andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray. Mety ho azonao atao ihany koa ny manolo ny iray amin’ireo fahaiza-manao voatanisa eo ambany amin’ny iray hafa irianao.

Misafidiana anankiray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana soratra masina ao amin’io tabilao io izay tianao hotakarina tsara kokoa. Rehefa avy eo dia mampiasà iray na mihoatra amin’ireto fahaiza-manao hoenti-mandalina soratra masina manaraka ireto mba hampitomboana ny fahatakaranao izany andalan-tsoratra masina izany hitombo. Miomàna hanazava amin’ny hafa ny soratra masina nosafidinao.

Sahanasa A: Andinin-tsoratra masina mifandray

Ampiasao ny fanamarihana eny ambanim-pejy ao amin’ny soratra masina, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na loharano hafa mba hahitana soratra masina hafa izay afaka mampitombo ny fahatakaranao ny andalan-tsoratra masina iray. Hevero ny hanoratra ny andinin-tsoratra masina mifandray ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na hampifandray izany ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile anao. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao na ny application Médiathèque de l’Évangile anao ireo andinin-tsoratra masina mifandray nosafidianao sy ny hevi-baovao azonao momba ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy amin’ny fandalinana araka izany fomba izany.

Sahanasa B: Farito ireo teny sy andianteny

Mitadiava teny ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tianao ho takatra tsara kokoa. Tadiavo ny famaritana ireo teny na andianteny ireo avy ao amin’ny loharanom-pahalalana izay misy toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na rakibolana ankapobeny. Raketo ao anaty diary fandalinanao, na eny amin’ny sisin’ny soratra masina, na ao amin’ny application Médiathèque de l’Evangile ny famaritana izay hitanao, miaraka amin’ireo hevi-baovao rehetra momba ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Sahanasa D: Mahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatiny

Mba hahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny andalan-tsoratra masina iray, dia mety ho azonao atao ny mamaky lohatenin-toko sy ny andininy manodidina ilay andalan-tsoratra masina halalininao. Katsaho ny hahatakatra ny hoe iza no miteny sy ny hoe nahoana. Mitadiava famantarana hahatakarana ilay zava-misy na zavatra manodidina ireo andininy sy ny hafatra fototra ezahin’ny mpanoratra ampitaina. Raketo an-tsoratra ny zavatra takatrao tsara kokoa momba ilay andalan-tsoratra masina noho ny zavatra nosaintsaininao.

Raha misy fotoana, dia miezaha mampiasa fahaiza-manao hafa amin’ny iray amin’ireo andalan-tsoratra masina hafa.

Rehefa avy omena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao hanazava amin’ny mpianatra ao anatina vondrona hafa ny fahaiza-manao hoenti-mandalina soratra masina nosafidiany izy ireo sy ny zavatra azon’izy ireo tsara kokoa momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianaran’izy ireo vokatr’izany. Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hanazava ny andalan-tsoratra masin’izy ireo amin’ny kilasy manontolo.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa hanampy azy ireo hahatakatra soratra masina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Tompo. Hevero ny hijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny fikatsahana ny fanampian’ny Tompo rehefa mandalina izy ireo.

Hamoaka printy