Seminera
3 Nefia 23: Manadihady ny soratra masina amin’ny fahazotoana


“3 Nefia 23: Manadihady ny soratra masina amin’ny fahazotoana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 23,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 23

Manadihady ny soratra masina amin’ny fahazotoana

Sary
I Kristy sy ny olona tany Amerika nijery takela-bolamena

Manao ahoana ny fandalinanao manokana ny soratra masina? Inona no fiovana entin’izany eo amin’ny fiainanao? Ao amin’ny 3 Nefia 23 i Jesoa dia nanantitrantitra ny maha zava-dehibe ny fitehirizana sy fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ny mpaminany. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao handalina ny tenin’ny Tompo amim-pahazotoana kokoa.

Manampy ny mpianatra hampivelatra fahaizana mandalina. Mba hanampiana ny mpianatra hahomby kokoa amin’ny fandalinana soratra masina ataon’izy ireo, dia ampio amin’ny fampivelarana fahaiza-mandalina soratra masina isan-karazany izy ireo. Ireo fahaiza-manao ireo dia tokony hikendry ny hanampy ny mpianatra hanasa ny Fanahy ho ao amin’ny fandalinan’izy ireo sy hahatakatra tsara kokoa ny soratra masina ary hianatra sy hampihatra fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handany fotoana handalinana ny soratra masina alohan’ity lesona ity, ka hahatsikaritra manokana ny zavatra ataon’izy ireo izay mahatonga ny fandalinan’izy ireo hanan-danja kokoa. Amporisiho izy ireo hanombana ny lanja sy kalitaon’ny fandalinan’izy ireo ary ny fiantraikan’izany, na tsy fiantraikan’izany, eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny fandalinana soratra masina ataonao manokana

Alohan’ny fotoam-pianarana, hevero ny hanafina zavatra isankarazany eraky ny trano. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe “tadiavo”. Lazao amin’ny mpianatra ny zavatra tadiavin’izy ireo, ary asao izy ireo hitady zavatra maro araka izay azo atao.

  • Inona no atao hoe mikaroka?

  • Inona no mahaliana na mampientanentana momba ny fikarohana?

  • Inona no mety ho sarotra na hahakivy momba izany?

Ny fanasan’ny Mpamonjy

Vakio ny 3 Nefia 23:1–5, hitadiavana ny zavatra nandidian’ny Mpamonjy antsika hokarohina ary nahoana.

Asao hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

Tao amin’ireo toko teo aloha, ny Mpamonjy dia nindrana teny betsaka tao amin’ny Isaia mba hanampiana sy hitahiana ny Nefita. (Jereo ny 3 Nefia 16:18–20; 20:32, 34–45; 21:8; 22:1–17.)

  • Inona avy no antony nomen’ny Tompo hanadihadiantsiaka ny tenin’i Isaia? (jereo ny 3 Nefia 23:1–3).

    Azonao atao ny mandany fotoana ao an-dakilasy hifanakalozan-kevitra momba ireo fampianaran’i Isaia. Ohatra, azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara ny fahatsapan’izy ireo momba ny tenin’i Isaia. Azon’izy ireo atao ny mamaky sy misaintsaina andininy avy ao amin’ny Isaia ary hisaintsaina ny antony maha-manan-danja ny handalinana azy ireo. Ohatra mety ho ao anatin’izany ny Isaia 7:14; 9:6–7; 41:10; 49:13–16; 53:1–5; 55:1–3; 61:1–3.

  • Araka ny 3 Nefia 23:5, nahoana no tokony hihaino ny tenin’ny Tompo sy ny tenin’ny mpaminany isika?

Henoy tsara ny valintenin’ny mpianatra ary hevero ny hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe.

Iray amin’ireo fitsipika manan-danja ianarantsika amin’ity lesona ity ny hoe mandidy antsika hihaino ny teniny sy hanadihady amim-pahazotoana ny tenin’ny mpaminany ny Mpamonjy.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mikaroka amim-pahazotoana ny soratra masina?

Makà fotoana hisaintsainana ny fandalinanao soratra masina. Izany dia mety hahitana fandalinana ataon’ny tena manokana na iarahan’ny fianakaviana, eo ihany koa ny fandalinana any am-piangonana sy ny seminera. Moa ve ianao mahatsapa fa mikaroka ny soratra masina amim-pahazotoana? Nahoana raha eny na nahoana raha tsia?

  • Inona avy no antony sasantsasany mety hahasarotra ny mikaroka amim-pahazotoana ny soratra masina?

    Rehefa mizara ny mpianatra, dia hevero ny hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Raha mitombona ny hanaovana izany, dia resaho ilay sahanasa fanadihadiana tany am-piandohan’ny lesona. Mba hieritreretana ireo fahasarotana mety hitranga, dia azon’ny mpianatra atao ny mampitaha ny fanadihadiana ny soratra masina amin’ilay fitadiavana zavatra tao amin’ilay sahanasa.

    Ny valiny iray dia mety hoe mety ho sarotra ny maka fotoana hanadihadiana ny soratra masina rehefa tsy mahatsapa ho mikaroka zavatra manan-danja isika. Na mety ho saro-takarina na tsy dia mahaliana loatra ilay izy. Iray amin’ireo fomba tsara indrindra handresena ny maro amin’ireo fahasarotana ireo ny fahaizana mahita ireo fanazavana na fahamarinana izay afaka manampy antsika eo amin’ny fiainantsika.

  • Na dia eo aza ireo fahasarotana ireo, inona avy no zavatra sasantsasany nataonao, na azonao natao, mba hananana traikefam-pandalinana soratra masina manan-danja?

Rehefa mamaly ny mpianatra, dia manaova lisitra eo amin’ny ilan’ny solaitrabe. Raha ilaina dia mampidira amin’ireto ohatra manaraka ireto.

Misy ohatra maromaro ireto:

  • Mivavaha alohan’ny handalinanao.

  • Asio marika ny teny na andianteny manan-danja, indrindra fa ireo izay manampy anao hahafantatra ny Mpamonjy tsara kokoa.

  • Jereo anaty rakibolana ny teny na andianteny izay saro-takarina.

  • Miatoa kely ary fintino ny zavatra avy novakinao.

  • Mampiasà fampifandraisana soratra masina mba hahatakarana tsara kokoa ny lohahevitra na fotopampianarana iray.

Sary
I Kristy niresaka tamin’ny Nefita momba ireo rakitsoratra

Ho fanaovana fanazaran-tena mikasika ireo fahaiza-manao ireo, dia vakio ny 3 Nefia 23:6–14 ary ataovy ireto manaraka ireto:

  • Fintino amin’ny teninao manokana ny zavatra novakinao.

  • Asio marika ny teny na andianteny izay manampy anao hahafantatra tsara kokoa ny Mpamonjy.

    Asao hizara ny zavatra hitany ny mpianatra. Mba hanaovana izany, dia azon’izy ireo atao ny miasa tsiroaroa, ka ny mpianatra iray dia mamintina ireo andininy ary ilay iray hafa kosa dia manasongadina teny na andianteny izay manampy azy ireo hahafantatra kokoa ny Mpamonjy.

    Raha manana olana amin’ny famintinana ny zavatra vakiny ny mpianatra, dia azonao atao ny manazava fa ny Mpamonjy dia nangataka ny hijery ny rakitsoratry ny Nefita. Notsindriny fa efa tanteraka ny faminanian’i Samoela momba ireo olomasina mitsangana amin’ny maty hiseho amin’ny maro (jereo ny Helamàna 14:25), saingy tsy ao amin’ny rakitsoratra ilay fahatanterahana. Nandidy ny Nefita hirakitra io tantara io ny Mpamonjy.

  • Inona avy no teny mampahazava fa miahy ny zavatra voarakitra ao amin’ny soratra masina ny Mpamonjy?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahalalana izany momba ny Mpamonjy miantraika amin’ny fandalinanao ny soratra masina?

Mizatra manao fandalinana soratra masina mahomby

Makà minitra vitsy mizatra mikaroka ny soratra masina amim-pahazotoana. Mety ho azonao atao ny misafidy ny handalina toko iray na hanadihady andininy momba ny lohahevitra iray tianao ho fantatra misimisy kokoa. Mampiasà fahaizamanao hoenti-mandalina soratra masina iray farafahakeliny izay noeritreretinao na hitanao tao amin’ilay lisitra eo ambony.

Manomeza fotoana ampy hamakian’ny mpianatra sy hisaintsainan’izy ireo. Asao hizara zavatra iray nohalalinin’izy ireo ka manan-danja amin’izy ireo sy ny fahaiza-manao nampiasain’izy ireo ny mpianatra. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia natao hanampiana amin’ny fifanakalozan-kevtra.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanomoranao ilay fandalinana? Nahoana no mety hanampy anao handalina amim-pahazotoana kokoa izany?

  • Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy ka tsy takatrao taloha?

  • Inona amin’ireo fahaiza-manao ireo no azonao ampiharina amin’ny fandalinanao soratra masina manaraka? Ahoana no hanaovanao izany?

Mandritra ny herinandro manaraka, saintsaino ny zavatra nianaranao androany. Misafidiana fomba iray azonao iezahana mikaroka amim-pahazotoana kokoa ny soratra masina. Hevero ny fomba mety hanampian’izany anao eo amin’ny fiainanao.

Hamoaka printy