Seminera
3 Nefia 25: Asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana


“3 Nefia 25: Asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 25,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 25

Asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana

Sary
fianakaviana sambatra manao tantaram-pianakaviana

Efa nisy fotoana ve ianao nanazava tamin’ny olona iray ny antony ananantsika tempoly na anaovantsika tantaram-pianakaviana? Zava-dehibe aminao toy ny ahoana ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly? Raha mbola nampianatra ny Nefita i Jesoa, dia nilaza hafatra iray izay nozarainy tamin’i Malakia tany am-boalohany izay nahitana ny fiverenan’i Elia sy ny anjara asa manan-danja tanany amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana Izy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao handray anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly.

Manampy ny mpianatra handray andraikitra amim-pahombiazana eo anatrehan’ny fahamarinana. Ny fanorenana finoana sy fahatongavana ho tahaka an’i Kristy dia tsy mitranga ao anatin’ny fotoam-pianarana fohy iray. Rehefa manasa ny mpianatra hihetsika manoloana ny fotopampianarana marina ianao, dia manampy azy ireo hanitatra ny fianarana hatrany an-tranony sy eo amin’ny fiainany andavanandro (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:8–10).

Fanomanana ny mpianatra: Asao hiomana hizara momba ny olona velona na maty iray nofantarin’izy ireo tao amin’ny tantaran’ny fianakavian’izy ireo ny mpianatra. Mety hahasoa ny mpianatra ny miresaka amina ray aman-dreny na ray aman-drenibe iray na mampiasa ny appli FamilySearch.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny razambenao

Hevero ny hizara tahadikan’ity tabilao manaraka ity amin’ny mpianatra tsirairay ary hanasa azy ireo hameno fampahalalana araka izay betsaka indrindra azon’izy ireo atao.

Sary
Tabilao iray maneho rohim-pirazanana misy taranaka efatra

Saintsaino ny zavatra fantatrao sy tsapanao momba ny fiainan’ireo olona akaiky anao, ny zavatra mety ho tianao ho fantatra, ary ny fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao.

  • Nahoana no zava-dehibe ny hikatsahantsika ny hahafantatra misimisy kokoa momba ireo razambentsika?

    Fantaro raha tsara kokoa ho an’ny mpianatra ny mizara ny valintenin’izy ireo amin’ity manaraka ity, manao fitsapan-kevitra tsy itononana anarana, na manombana mangina ny tenany manokana.

  • Raha refesina amina ambaratonga 1–10 (1 = tsy liana, 10 = faran’izay liana) dia manao ahoana ny fahaliananao ny hahalala ireo razambenao? Amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana? Nahoana?

Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava hevi-baovao izay mety handrisika anao handray anjara misimisy kokoa amin’io asa io.

“Alohan’ny hahatongavan’ilay andro lehibe sady mahatahotry ny Tompo”

Tamin’ny alalan’ny fampiasana sarinteny feno sy teny maneho tandindona noraketin’i Malakia mpaminanin’ny Testamenta Taloha, i Jesoa dia nampianatra ny vahoakan’i Amerika momba ny Fiaviany Fanindroany etỳ an-tany ary naminany momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana.

Vakio ny 3 Nefia 25:1–2, hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy fa hitranga rehefa miverina etỳ an-tany izy. Mety hilaina ireto famaritana sy fanazavana sariohatra manaraka ireto.

Hevero ny hampiseho ireto manaraka ireto:

  • Vodivary: Vodin-javamaniry tavela eo amin’ny saha iray aorian’ny fijinjana ka hodoran’ny mpamboly

  • Faka: Razambe

  • Sampana: Taranaka

  • Fanasitranana ao amin’ny elany: Hery manasitrana sy miaron’ny Tompo sy ny Sorompanavotany

  • Zanak’omby ao am-pahitra: Hokarakaraina tsara sy homen-kanina tahaka ny biby ao am-pahitra i Isiraely

  • Ahoana no hanazavanao ny zavatra hitranga amin’ny Fiaviany Fanindroany araka ny voalazan’ireo andininy ireo? Inona no hitranga amin’ireo ratsy fanahy?

    Raha ilaina dia hazavao fa amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, ny ratsy fanahy dia hiaina fandringanana ary hoesorina hiala amin’ny razambe sy taranaka (jereo ny 3 Nefia 25:1).

  • Inona no ianaranao avy amin’ireo tandindona ireo momba ny Mpamonjy sy ny fitahiany ho an’ireo izay manara-dia Azy?

Vakio ny 3 Nefia 25:5–6 ary hevero ny hanisy marika ny zavatra mety hataon’ny Mpamonjy mba hanampiana ireo fianakavian’izao tontolo izao alohan’ny Fiaviany Fanindroany. Iray amin’ireo dikan’ny teny hoe “mampitodika” ny hoe mamatotra, na mamehy (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 472). Ireo fanamarihana eny ambanim-pejy ao amin’ny soratra masinao dia afaka manampy anao ihany koa hahatakatra tsara kokoa ireo andininy ireo.

Azonao atao ny manantitrantitra fa io faminaniana io dia miverina isaky ny soratra masina tsirairay. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hijery raha afaka mahita ny tsirairay amin’ireo fotoana ireo izy ireo na mizara amin’izy ireo ireto andininy manaraka ireto: Malakia 3:18; Lioka 1:17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:15–16; Joseph Smith—Tantara 1:38–39.

Hevero ny hanontany ny mpianatra ny zavatra fantatr’izy ireo momba an’i Elia sy ny fanalahidy nohazoniny. Miainga amin’ny valintenin’ny mpianatra, zarao ireto andiam-pehezanteny manaraka ireto (na ny ampahany ilaina).

I Elia, mpaminany fahiny iray, dia nihazona ny fanalahidin’ny herin’ny famehezana. Ny herin’ny famehezana dia mampanan-kery any an-danitra ireo ôrdônansy tanterahina amin’ny fahefan’ny fisoronana eto an-tany (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Famehezana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
I Elia niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16 mba hahitana ny zava-niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 1836 momba an’i Elia, i Joseph Smith, ary i Oliver Cowdery.

Noho ilay hery famehezana naverina tamin’ny laoniny, dia afaka manao asa atao any amin’ny tempoly ho an’ny tenantsika sy ireo razambentsika maty isika.

  • Inona no nianaranao tamin’ny 3 Nefia 25 sy ny Fotopampianarana sy fanekempihavana 110?

    Anisan’ireo fahamarinana sasantsasany mety ho hitan’ny mpianatra ireto manaraka ireto: Tamin’ny alalan’i Elia mpaminany, i Jesoa Kristy dia namerina tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny famehezana ho an’ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana. Rehefa mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana isika, dia manomana ny tenantsika sy ny fianakaviantsika amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

  • Inona avy no fomba manokana sasantsasany azon’ny zatovo andraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana?

  • Ahoana no ahafahan’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana manomana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?

Zava-dehibe ny mianatra fa tsy namerina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny famehezana fotsiny ny Mpamonjy, fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotany ihany no ahafahantsika sy ireo ao amin’ny fianakaviantsika ho voavotra, voadio ary mandray ôrdônansy sy fitahiana mandrakizay, ao anatin’izany ny ôrdônansin’ny famehezana.

Saintsaino hoe nahoana no manan-danja eo amin’ny fiainantsika ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana.   ChurchofJesusChrist.org

Hevero ny hanasa ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ity manaraka ity tsiroaroa na ao anatina vondrona kely alohan’ny hizaran’izy ireo ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy.

  • Inona no traikefa anananao momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana?

  • Inona avy no fitahiana tsapanao teo amin’ny fiainanao vokatr’izany?

Mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana

Mba hanampiana anao handray anjara amin’ny asa izay atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana dia ataovy ny iray na roa amin’ireto manaraka ireto. Azonao heverina ihany koa ny hanao zavatra hafa mifandray amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana izay tsapanao fa itarihan’ny Fanahy anao ny hanao azy.

Ity manaraka ity dia natao hanomezana fahafahana ny mpianatra handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana mandritra ny fotoam-pianarana. Azonao atao ny mifantoka amina sahanasa iray miaraka amin’ny iray kilasy na mamela ny mpianatra haka sahanasa sy hiasa irery. Raha ilaina, ary raha ankatoavin’ny mpitarika ny fisoronana dia hevero ny hanasa ny mpanorohevitra momba ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy na tsatòka misy anao ho ao amin’ny kilasinao mba hitondra fanampiana.

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana ny kaontinao ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org , midira an-jotra ao amin’ny FamilySearch.org. Mijere loharanom-pahalalana mba hahafantarana momba ny iray amin’ireo razambenao. Hevero ny hanomboka amin’ny hoe “Ahoana no tianao hanombohana?

  • Mandefasa hafatra an-tsoratra, miantsoa, na manamboara fotoana hiresahana amina ray aman-dreny, na havana hafa mba hahafantarana misimisy kokoa momba ny fiainan’izy ireo, ny tantaran’izy ireo, na ny fiovam-pon’izy ireo ho amin’ny filazantsara. Hevero ny hanao firaketana an-tsoratra izay zavatra ianaranao.

  • Mandraisa anjara amin’ny fanaovana firaketana faobe.  FamilySearch.org

  • Mitadiava anarana razambe efa maty izay mila anaovana asa momba ireo ôrdônansy ao amin’ny tempoly ao amin’ny appli FamilySearch na ao amin’ny FamilySearch.org. Hevero ny hanomboka amin’ny hoe “Ahoana no tianao hanombohana?

Rehefa nomena fotoana mba hananana traikefa ao an-dakilasy amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaran’ny fianakaviana ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Afaka manampy anao amin’ny famaranana ny lesona ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no zavatra iray tsapanao fa hampanaovin’ny Tompo anao mba hanohizana mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana? Inona no fiovana hoentin’izany eo amin’ny fiainanao?

Rehefa mikatsaka ny hanohy handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana ianao, dia tsarovy ity fanambarana avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity:

Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona—amin’ny andanin’ny voaly anankiroa ianao, hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao. (Russell M. Nelson sy i Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona, 2018], ChurchofJesusChrist.org)

Mijoroa ho vavolombelona na manasà mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny asa atao any amin’ny tempoly sy momba ny tantaram-pianakaviana.

Hamoaka printy