Seminera
3 Nefia 20–26: Topimaso ankapobeny


“3 Nefia 20–26: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 20–26,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 20–26

Topimaso ankapobeny

Nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita, dia nanambara Izy fa ny Ray any An-danitra dia hahatsiaro ny fanekempihavanany hanangona an’i Isiraely niely, ary nanambara famantarana Izy mba hanampiana antsika hahafantatra hoe oviana no nanombohan’ny fanangonan’ny andro farany. Nantitranteriny ny maha zava-dehibe ny fitehirizana sy fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Nampiasainy ny tenin’i Malakia mba hampianarana ny Nefita momba ny lalàn’ny fahafolonkarena sy ireo fitahiana amin’ny fiainana io didy io. Nilaza hafatra iray izay nozarainy voalohany tamin’i Malakia ihany koa Izy, izay nahitana ny fiverenan’i Elia sy ny anjara asa manan-danja tanany amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

3 Nefia 20–22

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely ity lesona ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra mandritra ny famakian’izy ireo soratra masina isan’andro ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

  • Zavatra: Hazo kely na fisokira-nify maromaro; hazo iray matevina kokoa ary fantsika iray na vy hafa

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hevero ny hampiseho ny sahanasa fampifandraisana sy hanome ny mpianatra fotoana hamakiana ireo andininy. Avy eo dia asao hifandimby hampiasa ny fanaovana sary ny mpianatra mba hampifandraisana ny andian’andininy tsirairay amin’ny famaritana azy. Na asao hanoratra ny valiny marina amin’ny alalan’ny fampiasana ny chat ny mpianatra.

3 Nefia 23

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra handalina amim-pahazotoana kokoa ny tenin’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao handany fotoana handalinana ny soratra masina alohan’ity lesona ity ny mpianatra, ka hijery manokana ny zavatra ataon’izy ireo izay mahatonga ny fandalinan’izy ireo hanan-danja kokoa. Amporisiho izy ireo hanombana ny lanja sy kalitaon’ny fandalinan’izy ireo ary ny fiantraikan’izany na tsy fiantraikan’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Zavatra: Zavatra isan-karazany hafenina manerana ny efitrano

  • Sary: Sarin’ny Mpamonjy nangataka ny rakitsoratra tamin’i Nefia

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Mba hanombohana ny lesona, dia hevero ny hampiseho lisitra fohin’ireo zavatra ho karohin’ny mpianatra ao amin’ny efitrano na tranon’izy ireo. Mety ho isan’izany ny finday, boky, sary, kaopy, ondana, kiraro, na zavatra hafa tsy voafaritra mety ananan’izy ireo. Omeo fe-potoana (iray minitra ohatra) ny mpianatra ary angataho hitady zavatra maro araka izay vitan’izy ireo. Avy eo dia apetraho ireo fanontaniana voatanisa tany am-panombohan’ny lesona, manomboka amin’ny hoe “Inona no dikan’ny hoe mikaroka?”

3 Nefia 24

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa faniriana handoa fahafolonkarena.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny 3 Nefia 24:8–10 ny mpianatra ary hieritreritra mombana zavatra niainan’izy ireo na ny hafa tamin’ny lalàn’ny fahafolonkarena an’ny Tompo.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ny fizarana hoe “Lesona laharana 1—Fitahiana lehibe saingy misoko mangina” ao amin’ny David A. Bednar, “Ny varavaran’ny lanitra,” Liahona, nôv. 2013, 17–18

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hevero ny hampiseho ireo rafi-tantara voatanisa any am-piandohan’ny lesona rehefa manontany ianao hoe inona avy no tsapan’ny mpianatra fa manan-danja indrindra amin’izy ireo sy ny anton’izany. Avy eo dia asao hampiasa ny chat ny mpianatra mba hizarana ny fanontaniana na fanahiana mety hananan’izy ireo momba ny fahafolonkarena.

3 Nefia 25

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra handray anjara amin’ny asa momba ny tantaram-pianakaviana sy ny tempoly.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hiomana hizara momba ny olona iray nofantarin’izy ireo tao amin’ny tantaran’ny fianakavian’izy ireo, velona na efa nodimandry, ny mpianatra. Mety hahasoa ny mpianatra ny miresaka amina ray na reny na ray aman-drenibe na mampiasa ny appli FamilySearch.

  • Taratasy zaraina: Tabilao iray maneho rohim-pirazanana misy taranaka efatra

  • Horonan-tsary:The Promised Blessings of Family History 2” (4:04)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Ho solon’ny fizarana ilay tabilao maneho rohim-pirazanana misy taranaka efatra amin’ny alalan’ny taratasy zaraina, dia hevero ny hampiseho izany mba hadikan’ny mpianatra. Rehefa nahazo fahafahana hizara momba ny olona iray ao amin’ny tantaram-pianakavian’izy ireo ny mpianatra, dia hevero ny hanasa mpianatra iray hiditra an-jotra ao amin’ny FamilySearch.org, hizara ny efijeriny ary hampiseho taranaka efatra.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 21

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome ny mpianatra fahafahana hampitombo ny fahatakaran’izy ireo fahamarinana sy manazava izany avy amina andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga efa vonona hizara lisitry ny zavatra ataon’izy ireo mba hahatakarana tsara kokoa ny soratra masina ao amin’ny fandalinan’izy ireo ny mpianatra.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hevero ny hifandray amina mpianatra vitsivitsy alohan’ny fotoam-pianarana ary hangataka azy ireo hiomana hizara talenta iray na hiresaka mombana sehatra iray ananan’izy ireo fahatakarana tsara. Angataho izy ireo hanazava ny fomba nahazoan’izy ireo ny fahatakarany sy ny fahaizany. Anontanio ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanohizana ny fivoarana amin’izany sehatra izany. Atombohy amin’ny fanasana azy ireo mba hizara ny fotoam-pianarana.

Hamoaka printy