Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 20: Ianaro tsianjery


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 20: Ianaro tsianjery,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 20,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 20

Ianaro tsianjery

Sary
zatovovavy mandalina ny soratra masina

Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana mitadidy toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andianteny manan-danja ao amin’izany ary hanao tsianjery ny andalan-tsoratra masina manontolo mihitsy aza.

Manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana tsianjery. Mikatsaha fahafahana misokatra handrisihana ny mpianatra hitadidy soratra masina. Ampio izy ireo hahita ny fomba ahafahan’ny fitadidiana soratra masina manamafy azy ireo amin’ny fiadiana amin’ny fakam-panahy sy manamafy ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hjery ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary hifantina iray (na andianteny manan-danja vitsivitsy) izay tsapan’izy ireo fa hanampy azy ireo hitadidy. Angataho izy ireo ho tonga efa vonona hizara toe-javatra izay mety hanampian’ny fitadidiana io andalan-tsoratra masina io (na ireo andian-teny manan-danja ireo) azy ireo sy ny anton’izany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na ny mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Afaka manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina isika

Ity manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy sy hahita antony manosika azy ireo hanao tsianjery soratra masina. Azonao atao ny mampiseho sarin’ny Mpamonjy eo am-pifanakalozan-kevitra momba ny ohatra nasehony.

Sary
ny Mpamonjy
  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahantsika manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy?

Ny fomba iray ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy dia amin’ny alalan’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina. Ny Mpamonjy dia nampiasa soratra masina hainy tsianjery mba handresena ny fakam-panahy (jereo ny Matio 4:1–11) sy hampianarana ny hafa (jereo ny Lioka 24:27; 3 Nefia 22).

  • Inona avy no toe-javatra sasantsasany izay anampian’ny fahaizana tsianjery ny soratra masina?

Rehefa manao tsianjery andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina ianao, dia tsarovy fa manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy ianao.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely sy hanasa azy ireo hisafidy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray avy ao amin’ny tabilao izay tian’izy ireo hatao tsianjery. Amporisiho handalina mangina ny andalan-tsoratra masina voafidy mandritra ny minitra vitsy ny vondrona tsirairay. Azon’ny mpianatra atao ny miara-miasa amin’ny vondrona misy azy ireo hanao tsianjery ilay andalan-tsoratra masina amin’ny alalan’ny fampiasana ilay sahanasa mampizarazara ho ampahan’andianteny eo ambany, fomba fianarana hafa efa nataon’izy ireo tany aloha, na ny fianarana manao tsianjery ao amin’ny application Maîtrise de la doctrine.

Safidy iray hafa ny fanomezana taratasy tsy misy na inona na inona ny vondrona tsirairay. Manomboka amin’ny fanoratana ny toko sy andinin-tsoratra masina eo amin’ilay taratasy ny mpianatra iray. Avy eo izany mpianatra izany dia mandefa ilay izy amin’ny mpianatra manaraka izay manoratra ny teny voalohany amin’ilay andalan-tsoratra masina. Alefa mandehandeha ilay taratasy, ka ny mpianatra tsirairay dia manoratra teny iray mandra-pahafenon’ilay andalan-tsoratra masina iray manontolo. Safidy iray hafa azo atao ny manome 10 segondra ny mpianatra tsirairay mba hanoratana betsaka araka izay azo atao alohan’ny handefasana ilay taratasy any amin’ny mpianatra manaraka. Azon’ny vondrona atao imbetsaka izany ka miezaka mamita izany haingana kokoa isaky ny mandeha.

Avereno jerena

Mba tsy hanasana ny mpianatra hanoratra taratasy kely ho anao, dia hevero ny hanasa azy ireo hanoratra taratasy ho an’ny tenan’izy ireo ankehitriny na ho avy. Safidy iray hafa azo atao ny manasa azy ireo hifanakalo hevitra tsiroaroa na anatina vondrona kely mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto.

Manorata taratasy fohy ho an’ny mpampianatra anao. Ampidiro ao anatin’izany ireto manaraka ireto:

  • Ny andalan-tsoratra masina na andianteny noezahinao natao tsianjery sy ny fomba fanaovana tsianjery nampiasainao.

  • Toe-javatra atrehinao amin’izao fotoana izao na hatrehinao amin’ny hoavy ka ao anatin’izany dia manampy anai ny fahaizana tsianjery io andalan-tsoratra masina na andianteny manan-danja io

  • Ny eritreritrao amin’ny fomba ahafahan’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina manampy anao hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy.

Mitadiava hirika hamerenana matetika ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andalan-tsoratra masina (na andianteny) hay tsianjery.

Hamoaka printy