Seminera
3 Nefia 17–19: Topimaso ankapobeny


“3 Nefia 17–19: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 17–19,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 17–19

Topimaso ankapobeny

Rehefa avy nampianatra ny vahoaka ny Mpamonjy, dia nanambara Izy fa tonga ny fotoana tokony handehanany. Na dia izany aza, ny ranomaso sy fanirian’izy ireo ny hijanonany elaela kokoa dia nikasika ny fony. Tamina fihetsika mahafinaritra naneho fangorahana no nanasitranany azy ireo, nivavahany ho azy ireo ary nanomezany tsodrano tsirairay ny zanak’izy ireo. Nanome azy ireo toromarika momba ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo Izy ary naneho tamin’izy ireo ny fomba fivavaka. Avy eo dia nandeha Izy, ary ny ampitson’iny dia niangona indray ny vahoaka. Natao batisa sy heniky ny Fanahy Masina izy ireo, ary nanompo azy ireo ny anjely. Niseho indray mandeha indray i Jesoa ary nanohy nampianatra azy ireo.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

3 Nefia 17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny fangorahan’i Jesoa Kristy ho azy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana nahatsapan’izy ireo famindram-po, fangorahana, na fitiavana avy amin’ Andriamanitra. Mety ho afaka miomana hizara ny fomba niantraikan’ireo zavatra niainana ireo tamin’ny fifandraisan’izy ireo Taminy ny mpianatra.

  • Votoatiny haseho: Ny andian-tsoratra masina hampiharan’ny mpianatra ny fakana sary an-tsaina

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny fakana sary an-tsaina ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 17:7–25, dia azonao atao ny mametaka rohy mankamin’ilay horonantsary miaraka amin’ireo mari-potoana. Raha tian’ny mpianatra, dia azon’izy ireo atao ny manala ny feon’ny mikrôfônin’izy ireo sy mamono ny fakantsarin’izy ireo eo am-pijeren’izy ireo ny horonantsary. Rehefa nahazo fotoana sahaza dia asao ny mpianatra hizara ny hoe inona no fotoana nanan-danja indrindra tamin’izy ireo.

3 Nefia 18:1–14

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanana traikefa manan-danja amin’ny fahatsiarovana ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hisaintsaina ny lanjan’ny zavatra iainan’izy ireo mandritra ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ny mpianatra. Amporisiho hisaintsaina izay azon’izy ireo atao mba hanatsarana izany ny mpianatra.

  • Votoatiny haseho: Ny fanombanan-tena momba ny fanasan’ny Tompo

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hevero ny hampiasa ny solaitrabe nomerika fotsy mba hanaovana ilay tabilao momba ny fiainana zavatra manan-danja mandritra ny fanasan’ny Tompo. Ataovy lisitra eo amin’ny sisiny tsirairay amin’ilay tabilao ny valintenin’ny mpianatra.

3 Nefia 18:15–39; 19:19–29

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanaraka ireo fampianarana sy ohatr’i Jesoa Kristy mba hivavaka mandrakariva sy mba hanao vavaka amin-kitsimpo kokoa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky na hihaino ny lahateny nataon’ny Filoha M. Russell Ballard “Miambena ka mivavaha mandrakariva” (Liahona, nôv. 2020, 77–79), hitadiavana fahamarinana izay afaka manampy azy ireo amin’ny vavaky ny tena manokana ataon’izy ireo.

  • Votoatiny haseho: Ity fehezanteny manaraka ity voasoratra eny amin’ny solaitrabe: Raha toa aho ka te hianatra momba ny , dia harahiko ny ohatr’i satria .

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Asao hampiasa ny chat ny mpianatra mba hamenoana ilay fehezanteny hoe “Afaka manaraka ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny vavaka aho amin’ny alalan’ny …” sy ny hoe “Afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny vavaka aho amin’ny alalan’ny …”

3 Nefia 19

Tanjon’ny lesona: Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny fomba fandraisana ireo fitahian’ny Fanahy Masina.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra handalina ny “Mikatsaka ny fanomezana ny Fanahy Masina ny mpianatr’i Jesoa Kristy.” ao amin’ny rindran-damina ho an’ny 3 Nefia 17–19 ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ny ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 ary ho tonga efa vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo sy tsapan’izy ireo teo am-panaovana izany.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hevero ny hanendry ny antsasaky ny mpianatrao hanao ny sahanasa A ary ny antsasany hafa hanao ny sahanasa B. Angataho hiomana hizara ny zavatra ianaran’izy ireo amin’ny mpiara-mianatra iray ny mpianatra. Aorian’ny fotoana ampy nandalinana, dia ampidiro anaty vondrona mitokatokana ny mpianatra mba hahafahan’izy ireo mifampianatra. Raha azo atao dia ataovy mandeha tsiroaroa ny mpianatra izay nandalina sahanasa samy hafa.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 20

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome ny mpianatra fahafahana mitadidy toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andianteny manan-danja ao amin’izany ary hanao tsianjery ny andalan-tsoratra masina manontolo mihitsy aza.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hjery ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary hifantina iray (na andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina vitsivitsy) izay tsapan’izy ireo fa hanampy azy ireo ny hitadidy izany. Angataho izy ireo ho tonga efa vonona hizara toe-javatra izay mety hanampian’ny fitadidiana io andalan-tsoratra masina io (na ireo andian-teny ireo) azy ireo sy ny anton’izany.

  • Votoatiny haseho: Ilay tabilaon’ireo toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy ao amin’ny Almà ka hatramin’ny Môrônia

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hevero ny hametraka ny mpianatra ho anatina vondrona mitokatokana mba hanao fanazaran-tena amin’ny fitadidiana soratra masina fifehezana fotopampianarana. Fomba iray ahafahan’izy ireo mizatra ny famerenana ny andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina na ny andalan-tsoratra masina iray manontolo amin’ny alalan’ny fampifandimbiasana ireo teny.

Hamoaka printy