Seminera
3 Nefia 18:1–14: “Ho fahatsiarovana Ahy”


“3 Nefia 18:1–14: -Ho fahatsiarovana Ahy,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 18:1–14,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 18:1–14

“Ho fahatsiarovana Ahy”

Sary
kaopy fandraisana fanasan’ny Tompo sy sombi-mofo

Manana fahafahana tsy tapaka handray ny fanasan’ny Tompo isika. Ao amin’ny 3 Nefia 18, i Jesoa Kristy dia nampianatra ny fomba ahafahan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo mitahy ny fiainantsika sy nampianatra ny fomba fanatanterahana io ôrdônansy io. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiaina zavatra manan-danja amin’ny fahatsiarovana ny Mpamonjy rehefa mandray fanasan’ny Tompo ianao.

Manampy ny mpianatra hahita ny lanjan’ireo fahamarinan’ny filazantsara. Mety manana olana amin’ny fahitana ny fifandraisan’ny filazantsara amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro ny mpianatra sasany. Katsaho am-bavaka ny fomba hanampiana ny mpianatra hahatsapa fa ny zavatra ianaran’izy ireo dia manan-danja sy ilaina amin’ny toe-javatra misy azy ireo sy nyfanontanian’izy ireo ary ny zavatra ilain’izy ireo manokana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hisaintsaina ny lanjan’ny zavatra iainan’izy ireo amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ny mpianatra. Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina izay azon’izy ireo atao mba hanatsarana izany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fifandraisana matanjaka

Ity hevitra manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hieritreritra momba ny hoe miorina amin’ny inona ny fifandraisana matanjaka. Io dingam-pieritreretana io dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Mpamonjy sy handinika ireo fomba hanakaikezana Azy kokoa. Ny fomba iray anaovana izany dia amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

Mieritrereta olona maromaro izay tsapanao fa tena akaiky anao sy anananao fifandraisana matanjaka.

  • Inona no nataonao na nataon’izy ireo mba hanatanjahana ireny fifandraisana ireny?

Eritrereto amin’izay hoe ahoana ny fahatsapanao ny hoe akaiky ny Mpamonjy.

  • Inona araka ny eritreritrao no afaka manampy anao hanatanjaka ny fifandraisanao amin’ny Mpamonjy?

Rehefa mandalina ianao anio, dia asao ny Fanahy Masina hampianatra anao ny fomba hanakaikezana kokoa ny Mpamonjy sy hanatanjahana ny fifandraisanao Aminy.

Nanorina ny fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy

Feno fangorahana ny olona ny Mpamonjy rehefa tsapany ny fanirian’izy ireo mba hijanonany elaela kokoa miaraka amin’izy ireo (jereo ny 3 Nefia 17:1–6). Rehefa avy nitsodrano ny ankizy sy ny marary ary ny ory ny Mpamonjy, dia nanome fomba iray ahafahan’ny olona manana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin’izy ireo Izy.

Vakio ny 3 Nefia 18:1–11 ary tadiavo ny zavatra nataon’ny Mpamonjy.

Manasà vondrona mpianatra iray hamaky ny 3 Nefia 18:1–7 ary vondrona iray hafa hamaky ny 3 Nefia 18:8–11. Asao hieritreritra fanontaniana ananan’izy ireo momba ny hevitr’ireo andininy novakin’izy ireo na ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ny mpianatra.  topics.ChurchofJesusChrist.org

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy amin’ny fifanakalozan-kevitra: Inona, araka ny eritreritrao, no tsapan’ireo olona rehefa nandray ny fanasan’ny Tompo izy ireo? Nahoana? Mety hampiova ny zavatra hiainanao toy ny ahoana raha ny Mpamonjy no nikarakara ny fanasan’ny Tompo ho anao?

  • Inona no nianaranao momba ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo avy amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy?

  • Inona no ampanantenain’ny Mpamonjy ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo raha mahatsiaro Azy mandrakariva isika?

Mety ho azonao heverina ny hanisy marika ny fitsipika ao amin’ny 3 Nefia 18:7, 11 fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo sy mahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy isika, dia hanana ny Fanahiny miaraka amintsika.

Rehefa milaza ny fananantsika ny Fanahiny miaraka amintsika i Jesoa Kristy dia ny fanomezana ny Fanahy Masina no tiany lazaina izay.

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika mahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika isan’andro? Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana mandrakariva ny Mpamonjy manampy antsika hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika?

  • Ahoana no ahafahan’ny fananana ny Fanahy Masina miaraka aminao mitahy ny fiainanao amin’izao fotoana izao?

Ny zavatra iainantsika amin’ny fanasan’ny Tompo

Hevero ny hanoratra ireto fanontaniana ireto amina tsapan-kevitra eny amin’ny solaitrabe na amina ravin-taratasy mitokana. Azon’ny mpianatra atao ny mamaly ilay tsapan-kevitra ao amin’ny diariny; tsy hozaraina ny valintenin’izy ireo.

Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fifandraisanao amin’ny Mpamonjy mihamatanjaka raha miaina zavatra manan-danja kokoa amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ianao. Valio amin’ny hoe “mandrakariva”, “indraindray”, “mahalana” na “tsia mihitsy” ny fanambarana tsirairay.

  1. Maka fotoana hiomanana amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo alohan’ny fotoam-piangonana aho.

  2. Mandritra ny fanasan’ny Tompo dia miezaka mahatsiaro an’i Jesoa Kristy aho.

  3. Ny zavatra iainako amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia miantraika amin’ny fomba anaovako zavatra mandritra ny herinandro.

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny zatovo hamorona fomba manan-danja hahatsiarovana an’i Kristy mandritra ny fanasan’ny Tompo. Apetraho eny amin’ny solaitrabe ity tabilao ity ary asao ny mpianatra hanoratra valiny eo amin’izany. Mety efa manana hevitra amin’ny zavatra manampy azy ireo hahatsiaro ny Mpamonjy ny mpianatra. Angataho ny mpianatra hizara ny zavatra izay efa ataon’izy ireo mba hanampiana amin’ny famoronan-kevitra.

Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mameno tabilao iray ho an’ny tenany manokana ao amin’ny diary fandalinany. Azon’izy ireo atao ny maka sary ny tabilaon’izy ireo rehefa avy eo ho fampahatsiahivana ho azy ireo aminny fotoana handraisan’izy ireo ny fanasan’ny Tompo manaraka.

Zavatra iainana manan-danja kokoa mandritra ny fanasan’ny Tompo

  • Inona no tiako hotsaroana momba an’i Jesoa Kristy?

    Diniho ireto manaraka ireto:

    • Ny zavatra niaretany

    • Ny zavatra nataony ho ahy sy ny olona hafa fantatro

  • Ahoana no ahafahako miomana ho amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo?

  • Inona no azoko atao mandritra ny fanasan’ny Tompo mba hahatsiarovana an’i Jesoa Kristy?

Ireo fampanantenana amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo

Vakio ny 3 Nefia 18:12–14, ary tadiavo ny zavatra nampanantenain’ny Mpamonjy ireo izay mahatsiaro Azy sy mandray ny fanasan’ny Tompo.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe miorina eo ambonin’ny vatolampin’ny Mpamonjy?

    Raha mila fanampiana amin’ny fahatakarana ny dikan’ny hoe miorina eo ambonin’ny vatolampin’ny Mpamonjy ny mpianatra, dia azonao atao ny manazava fa izany dia midika hoe manao fanekempihavanana Aminy sy mitandrina izany isika, mikatsaka ny hanaraka ny ohatra nasehony ary, vokatr’izany, mianoka ireo fitahian’ny famindram-pony sy ny heriny.

  • Ahoana no ahafahan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo manampy antsika hiorina eo amin’ny vatolampin’ny Mpamonjy?

  • Inona no azonao atao mba hahatonga ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo hanan-danja kokoa isan-kerinandro?

Mijoroa ho vavolombelona momba ny fomba ahafahan’ny fanasan’ny Tompo manampy antsika hanorina ny fiainantsika eo ambonin’ny vatolampin’ny Mpamonjy. Hevero ny hizara zavatra iray ataonao mba hahatonga ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo hanan-danja aminao? Angataho ny mpianatra hisaintsaina sy hizara ny hoe inona avy no fitahiana mety horaisin’izy ireo raha mahatsiaro ny Mpamonjy eo am-piomanana ny handray ny fanasan’ny Tompo sy eo am-pandraisana izany izy ireo.

Hamoaka printy