Seminera
3 Nefia 17: “Manana fangorahana anareo Aho”


“3 Nefia 17: -Manana fangorahana anareo Aho,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 17,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 17

“Manana fangorahana anareo Aho”

Sary
I Kristy manasitrana vehivavy iray

Efa lava tamin’ny vahoaka Nefita ny andro vao nanambara ny Mpamonjy fa tonga ny fotoana tokony handehanany. Na izany aza, nikasika ny fony ny ranomaso sy fanirian’ny vahoaka ny hijanonany elaela kokoa. Tamina fihetsika mahafinaritra naneho fangorahana no nanasitranany azy ireo, nivavahany ho azy ireo ary nanomezany tsodrano tsirairay ny zanak’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa ny fangorahan’i Jesoa Kristy anao.

Mampiasa ny horonantsary momba ny Bokin’i Môrmôna. Ny horonantsary momba ny Bokin’i Môrmôna dia natao hanampiana ny mpianatra hiaina zavatra manan-danja amin’ilay lahatsoratra. Ireo horonantsary ireo dia tsy natao hanoloana ny famakiana ny soratra masina. Farito am-pahendrena ny hoe oviana ary amin’ny fomba ahoana no hanatsarana ny zavatra iainan’ny mpianatra amin’ny soratra masina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana nahatsapan’izy ireo famindram-po, fangorahana, na fitiavana avy amin’ Andriamanitra. Afaka miomana hizara ny fomba niantraikan’ireo zavatra niainana ireo tamin’ny fifandraisan’izy ireo Taminy ny mpianatra.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny fahatsapan’ny Mpamonjy

Alaivo sary an-tsaina hoe vao avy nandany andro iray niaraka tamin’ny Mpamonjy ianao ary nanambara Izy fa tonga ny fotoana tokony handehanany.

  • Ahoana no mety ho fahatsapanao eo anatrehan’izany toe-javatra izany?

Ampio hahatsiaro ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny Mpamonjy tao amin’ny 3 Nefia 11–16 ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ny mamerina mijery ny zavatra nosoratan’izy ireo ao amin’ny diarin’izy ireo eo ambanin’ny hoe “Fianarana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny 3 Nefia”.

Alohan’ny hamalian’izy ireo ity fanontaniana manaraka ity dia mety hanampy raha angatahina hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny matoanteny mamaritra ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ny mpianatra.

  • Ahoana no nanehoan’ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ny fitiavany ny Nefita?

Anio ianao dia hamaky misimisy kokoa momba ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ny fangorahany feno fitiavany teo anivon’ny Nefita. Rehefa mandalina ianao dia eritrereto hoe inona no ampianarin’ny zavatra nataony momba ny toetrany. Ifantohy tsara ny fahatsapanao momba Azy.

Mety hanampy ny fahalalana fa ny zava-niseho rehetra voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 11–17 dia nitranga tao anatin’ny indray andro.

Vakio ny 3 Nefia 17:1–6 hitadiavana ny zavatra azonao ianarana momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny teniny sy ny zavatra nataony.

  • Inona avy no hitanao tao amin’ireo andininy ireo?

Mety hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Amin’ny alalan’ny fisaintsainana sy fivavahana amin’ny Ray, isika dia manomana ny saintsika handray fahatakarana lehibe kokoa.

Raha te hanao zavatra misimisy kokoa amin’io fitsipika io ianao, dia jereo ny fizarana hoe “Sahanasa fianarana fanampiny”.

Mety nahita fahamarinana mitovitovy amin’ity manaraka ity ianao: Feno fangorahana ahy i Jesoa Kristy. Hevero ny hirakitra an-tsoratra io fahamarinana io eo akaikin’ny andininy 6.

Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Manan-danja ny mahita fa ireo asa nentanim-pangorahana nataon’i Jesoa dia tsy hoe tsindraindray na noterena, arakaraka ny lisitry ny asa mila vitaina, fa fanehoana amin’ny andavanandrom-piainana ny fisian’ny fitiavany madio ho an’ Andriamanitra sy ireo zanany ary ny faniriany tsy manam-petra ny hanampy azy ireo. (Ulisses Soares, “Ny fangorahana tsy manam-petran’ny Mpamonjy,” Liahona, nôv. 2021)

  • Amin’ny teninao manokana, inona no ampinarin’ny Loholona Soares momba ny fangorahan’ny Mpamonjy?

Ny fangorahan’ny Mpamonjy

Ny ambin’ny 3 Nefia 17 dia maneho ny toetra mangoraka ananan’ny Mpamonjy. Tsarovy fa ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ao amin’ny 3 Nefia 17 dia nitranga satria tsapany ny faniriana marina nananan’ny Nefita ary tena te hiaraka amin’izy ireo sy hitahy azy ireo Izy.

Ny tanjon’ity sahanasa manaraka ity dia ny hanampy ny mpianatra hampivelatra fitiavana lehibe kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fakana sary an-tsaina ny toetra mangoraka ananany. Mety ho efa nampihatra io fahaiza-manao io ny mpianatra teo am-pandalinana ny 3 Nefia 11. Ny famerenana io fahaiza-manao io dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fahaizan’izy ireo manao izany.

Asehoy ireto fanontaniana sy andalan-tsoratra masina manaraka ireto. Asao hifantina ny andalan-tsoratra masina tian’izy ireo hohalalinina ny mpianatra, ary eo am-pandalinana dia angataho hisaintsaina ireo fanontaniana izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny mamaly ireo fanontaniana ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo eo ambanin’ny hoe “Fianarana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny 3 Nefia”.

Hevero ny hamela ny mpianatra hisafidy ny handalina samirery na handalina mangina miaraka amina namana iray.

  • Fotoana inona no mety ho niavaka indrindra taminao? Nahoana?

  • Inona no nanaitra anao momba ny fomba nanompoan’i Jesoa?

  • Ahoana no iantraikan’ny teniny sy ny zavatra nataony amin’ny fahatsapanao momba Azy?

Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto sy hanome fotoana ny mpianatra hieritreritra izany alohan’ny hamaliana.

  • Raha teo ianao, dia inona no mety ho fiantraikan’io zavatra niainanao io teo amin’ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy anao?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no anehoan’i Jesoa Kristy fangorahana amintsika ankehitriny?

  • Voatosika hanao inona ianao mba hanehoana ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy?

Raha misy fotoana dia hevero ny hihira hira ao amin’ny fihirana momba ny fitiavana sy fangorahan’ny Mpamonjy. Ohatra amin’izany ny “O Jésus, quand je pense à toi” (Cantiques, no. 76), sy ny “Divin amour” (Cantiques, no. 59).

Raha mety ny hanaovana izany, dia manasà mpianatra hizara ny zavatra tsapan’izy ireo nandritra ny leson’ny androany. Amporisiho izy ireo hanohy hitady porofon’ny fangorahan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Hamoaka printy