Seminera
3 Nefia 18:15–39; 19:19–29: “Mivavaha mandrakariva”


“3 Nefia 18:15–39; 19:19–29: -Mivavaha mandrakariva,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 18:15–39; 19:19–29,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 18:15–39; 19:19–29

“Mivavaha mandrakariva”

Sary
i Jesoa Kristy nivavaka tany Amerika

Olona maro no mivavaka isan’andro. Ny vavaka sasany dia mety ho vokatry ny fo kokoa noho ny hafa. I Jesoa Kristy dia tsy nampianatra fotsiny ny mpanaradia Azy mba “hivavaka mandrakariva amin’ny Ray” (3 Nefia 18:19), fa naneho tamin’izy ireo ny fomba fivavaka ihany koa Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanaraka ireo fampianarana sy ohatr’i Jesoa Kristy ny hivavaka mandrakariva sy hanao vavaka amin-kitsimpo kokoa.

Mivavaka matetika tsy tapaka ho an’ireo mpianatrao. Fantatry ny Ray any An-danitra ny mpianatrao tsirairay. Rehefa mivavaka Aminy momba ny mpianatrao ianao, dia afaka manampy anao hanavaka ny zavatra ilain’izy ireo sy manome fanentanam-panahy anao ny amin’ny fomba hitondrana ireo zavatra ilaina ireo Izy. Henoy ireo fitaomam-panahy izay mety ho tonga eo am-piomananao hampianatra na mandritra ny lesona.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky na hihaino ny lahateny nataon’ny Filoha M. Russell Ballard “Miambena ka mivavaha mandrakariva” (Liahona, nôv. 2020), hitadiavana fahamarinana izay afaka manampy azy ireo amin’ny vavaky ny tena manokana ataon’izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ohatra

Soraty eny amin’ny solaitrabe ilay fehezanteny etsy ambany miaraka amin’ireo banga , ary avelao hizara ny fomba hamenoan’izy ireo ny banga ny mpianatra maromaro

Mieritrereta talenta na fahaiza-manao na toetra tianao hatsaraina kokoa. Mieritrereta olona fantatrao izay manana izany talenta na fahaiza-manao na toetra izany. , Fenoy amin’ny fomba samihafa vitsivitsy ireto banga manaraka ireto amin’ny alalan’ny fampiasana ireo zavatra nieritreretinao ireo:

  • Raha toa ka te hianatra momba ny aho, dia hanaraka ny ohatra nasehon’i satria .

Avereno izany amin’ny famenoana ny banga voalohany amin’ity fehezanteny manaraka ity amin’ny zavatra iray tianao hianarana amin’ny Mpamonjy sy amin’ny alalan’ny famaliana ny anton’izany eo amin’ilay banga farany.

  • Raha te hianatra momba ny aho, dia hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy satria .

Nandritra ny asa fanompoany tany Amerika, ny Mpamonjy dia nampianatra ny olona tamin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra.

Vakio ny 3 Nefia 18:16, 24 hitadiavana ohatra iray nasehon’i Jesoa.

  • Inona avy no tian’ny Mpamonjy nianaran’ny olona tamin’ny ohatra nasehony?

Azon’ny mpianatra atao ny manombana ny vavak’izy ireo amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fampiasana ity fomba fandrefesana manaraka ity. Ny fanaovana izany dia afaka manasa ny Fanahy Masina hanampy azy ireo hahalala ny fomba ahafahan’ny fampianaran’ny Mpamonjy manampy azy ireo hanatsara ny vavak’izy ireo manokana.

Refeso amin’ny ambaratonga 1 hatramin’ny 5 ireto manaraka ireto, ka ny 5 no ambony indrindra:

  • Mivavaka isan’andro aho.

  • Mifandray amin’ny Ray any An-danitra aho ary mahatsapa ho akaiky Azy rehefa mivavaka.

  • Mahatsapa faniriana hanatsara ny vavaka ataoko manokana aho.

Asao hifanakalo hevitra momba ireo fanamby fahita matetika mahatonga ny vavaka tsy amin-kitsimpo ny mpianatra—ohatra, ny fahitana fotoana hivavahana, ny fahafantarana ny zavatra holazaina, ny fandraisana valiny, na fanamby hafa. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mitady vahaolana rehefa mandalina ny soratra masina izy ireo.

Rehefa manohy mandalina ny 3 Nefia 18 ianao dia katsaho ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahalala ny zavatra azonao atao mba hanatsarana ny vavaka ataonao manokana. Araho ny fampianarana sy ohatra nasehon’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka ny hivoatra ianao.

Ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny vavaka

Vakio ny 3 Nefia 18:15, 18–23 hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny vavaka. Azonao atao ihany koa ny mamaky ny toromariky ny Mpamonjy momba ny vavaka avy amin’ny toriteny nataony tao amin’ny -tempoly ao amin’ny 3 Nefia 13:5–13.

Afaka mameno ity fehezanteny manaraka ity eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra:

  • Izaho dia afaka manaraka ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny vavaka amin’ny alalan’ny …

Makà fotoana ampy hifanakalozan-kevitra momba ireo fampianaran’ny Mpamonjy. Mivonòna hamela ilay fifanakalozan-kevitra handeha amin’izay tsapan’ny mpianatra fa ilain’izy ireo. Ohatra, mety ho azon’ny mpianatra atao ny mandany fotoana miresaka momba ny fomba anampian’ny vavaka antsika hanohitra fakam-panahy, ny fomba itahian’ny vavaka ny fianakaviana, na ny fomba ahafahantsika mangataka fitahiana ao anatin’ny vavaka. Azonao atao ny mandalina misimisy kokoa momba ireo fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ny vavaka ao amin’ny Lioka 11:1–13.

Mety ho azonao atao ihany koa ny mampiasa ny sasany amin’ireo teny nambara ao amin’ny fizarana hoe “Fanamarihana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra.

  • Iza amin’ireo fampianaran’i Jesoa momba ny vavaka no heverinao fa afaka manampy anao indrindra? Nahoana?

Ny ohatra momba ny vavaka nasehon’ny Mpamonjy

Alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana izany mandre an’i Jesoa Kristy mivavaka ho anao izany. Inona araka ny eritreritrao no hivavahany ho anao? Eritrereto ny fahatsapana mety hanananao sy ny fomba mety hahafahan’izany miantraika amin’ny vavakao manokana.

Azonao atao ny mizara ny kilasy ho vondrona kely ary manendry ny vondrona tsirairay ny iray amin’ireto andian’andininy hovakina sy hanaovana tatitra ireto.

Ampio ny mpianatra hahita hoe tamin’iza no nivavahan’i Jesoa, ho an’iza no nivavahany, inona no nivavahany, nahoana no nivavaka Izy, ny toe-tsainy tao amin’ilay vavaka, sy ny maro hafa. Fomba iray anaovana izany ny fanasana ny mpianatra hamaly hoe “Iza?” “Inona?” “Nahoana?” ary “Amin’ny fomba ahoana?”

Rehefa mifanakalo hevitra momba ny hoe nahoana no nivavaka i Jesoa, dia azonao atao ny manampy ny mpianatra hahita fa iray amin’ireo antony nivavahan’i Jesoa ny mba hiray amin’ny Rainy izay tiany.

 ChurchofJesusChrist.org

Asao hameno ity fehezanteny manaraka ity eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra:

  • Izaho dia afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny vavaka amin’ny alalan’ny …

  • Inona no nianaranao momba ny fahatsapan’ny Mpamonjy momba anao?

  • Ahoana, araka ny eritreritrao, no ahafahan’ny fanarahana ny ohatra nasehony hampiova ny vavaka hataonao?

Ny vavaka ataontsika manokana

Ampio hieritreritra zavatra manan-danja niainan’izy ireo tamin’ny vavaka ny mpianatra. Azon’ny mpianatra atao ny mieritreritra ny hoe oviana no mety ho nivavahan’izy ireo mba hanoherana fakam-panahy na hahazoana fanampiana amina zava-tsarotra iray. Azon’izy ireo atao ny mieritreritra hoe oviana no nitahiana ny fianakavian’izy ireo tamin’ny alalan’ny vavaka, oviana no nivavahan’izy ireo ho an’ny olona iray hafa, na oviana no nangatahin’izy ireo fitahiana. Asao hizara ny fomba nitahian’ny vavaka azy ireo ny mpianatra. Ampahatsiahivo ny mpianatra tsy hizara zavatra niainana masina na mahakasika loatra ny tena manokana.

Zarao amin’ny mpianatra ny fomba nitahiana anao rehefa nanaraka ny ohatry ny Mpamonjy sy ny fampianarany momba ny vavaka ianao. Jereo fehezan-teny efa nofenoina eny amin’ny solaitrabe ary ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ny fampianaran’ny Mpamonjy sy ny ohatra nasehony manampy amin’ireo fanamby misy momba ny vavaka voaresaka tany aloha.

Mifantena iray farafahakeliny amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy na zavatra iray nasehony an’ohatra tamin’ny vavaka ka azonao ampidirina amin’ny vavaka ataonao manokana. Mamoròna fampahatsiahivana ary manomboha manao zavatra manoloana izany anio ihany. Rehefa manao izany ianao, dia mariho ny soa hoentin’izany amin’ny vavaka ataonao mba ho amin-kitsimpo kokoa izany sy ny fomba iantraikan’izany amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra.

Azonao atao ny mampiditra ny sasantsasany amin’ny zavatra nianaranao androany ao amin’ny firaketana iray ao amin’ny diarinao izay hatao hoe “Fianarana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny 3 Nefia”.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanampy zavatra ao amin’ilay firaketana ao amin’ny diariny manao hoe “Fianarana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’y 3 Nefia”.

Hamoaka printy