Seminera
3 Nefia 15–16: “Vala iray sy mpiandry iray”


“3 Nefia 15–16: Vala iray sy mpiandry iray,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 15–16,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 15–16

“Vala iray sy mpiandry iray”

Sary
I Kristy mitrotro zanak’ondry am-pitiavana

Rehefa nampianatra ny olona tany amin’ny tanin’i Soafeno i Jesoa Kristy, dia naneho ny fitiavany ho an’ny olona tsirairay. Nasaina ho tonga sy hahatsapa ny fitiavany izy tenany mihitsy ny tsirairay (jereo ny 3 Nefia 11). Avy eo dia nampiany izy ireo hahatakatra fa tsapany ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra io fitiavana io. Irìny ho isan’ny ondriny ny olona rehetra na aiza na aiza misy azy ireo. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa ny fanirian’ny Tompo hanangona anao sy ny olon-drehetra ho ao Aminy.

Manome vahana ny tontolo iray anjakan’ny fanekena sy ny fanajana. Miezaha mamantatra momba ny foto-piavian’ny mpianatra tsirairay sy ny toe-javatra iainan’izy ireo. Afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ho manan-toerana ianao amin’ny alalan’ny fanasanao azy ireo hizara fomba fijery miavaka sy ny famelana azy ireo hahafantatra fa omen-danja ny fandraisan’izy ireo anjara.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba hamalian’izy ireo ity fanontaniana ity: “Inona no porofo hitanao fa te hanangona ny olon-drehetra ho ao Aminy ny Mpamonjy?”

Sahanasa fianarana azo atao

Anarana sy fiantsoana an’i Kristy

Hevero ny hanisy sarin’i Jesoa Kristy anankiray eo afovoan’ny solaitrabe. Asao hiasa anatina vondrona kely ny mpianatra mba hahitana hoe firy ny anarana sy ny fiantsoana Azy isan-karazany azon’izy ireo tadidìna na tadiavina ao anatin’ny roa hatramin’ny telo minitra. Avy eo dia asao hifantina iray amin’ireo anarany na fiantsoana Azy tian’izy ireo hozaraina amin’ny iray kilasy ny vondrona tsirairay. Ohatra vitsy avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireto manaraka ireto.

Fanamarihana: Raha toa ka hahazoan’ny mpianatrao tombony ny fandraisana anjara mavitrika kokoa, dia jereo ny “Fomba hafa azo anombohana ny lesona” ao amin’ny fizaràna hoe “Sahanasa fianarana fanampiny”.

  • Inona no isan’ireo anarana na fiantsoana Azy tianao indrindra? Inona no ampianarin’izany anao momba Azy?

Ny ondrin’ny Mpamonjy

Ao amin’ny 3 Nefia 15–16 i Jesoa dia nanohy nampianatra ny olona teo akaikin’ilay tempoly tany amin’ny tanin’i Soafeno. Rehefa avy nanazava Izy fa notanterahina Taminy ny lalàn’i Mosesy, dia nizara anarana fiantsoana Azy izay afaka manampy antsika hahatakatra ny fifandraisantsika Aminy Izy.

Vakio ny 3 Nefia 15:17 ary hevero ny hanisy marika ny anarana nomen’i Jesoa ny tenany.

Hevero ny hanolo ilay sarin’i Jesoa Kristy eo amin’ny solaitrabe amin’ny sariny amin’ny maha mpiandry ondry Azy, tahaka ilay anankiray any am-piandohan’ity lesona ity. Asao hisaintsaina mangina ny anjara asany amin’ny maha Mpiandry ondry Azy ny mpianatra, amin’ny alalan’ny fampiasana famporisihana tahaka ireo ao amin’ny andiam-pehezan-teny manaraka.

Matetika isika no ampitahaina amin’ny ondry izay matetika no mirenireny miala amin’i Jesoa ary lasa very sy miparitaka. Saintsaino vetivety raha efa nisy fotoana hoe marina teo amin’ny fiainanao izany fampitahana izany. Efa nisy fotoana ve nampaniasia anao tamin’i Jesoa Kristy Mpiandry anao, sa manana olona akaiky anao izay nania ve ianao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny fahatsapan’i Jesoa ho an’ny ondriny nania misy fiantraikany amin’ny fanantenan’ny olona iray hiverina Aminy?

“Ondry hafa”

Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina “vala” iray.

Sary
ondry ao am-bala

Ny mpiandry ondry tamin’ny andron’ny Mpamonjy dia namorona “vala” mihidy tahaka io anankiray eo amin’io sary io, mba hiarovana ny ondrin’izy ireo amin’ny biby mpihaza na loza hafa. Ny Fiangonan’ny Mpamonjy dia ohatra iray amina vala iarovany antsika amin’ny loza eo amin’izao tontolo izao.

Hevero ny hampiseho ireto toko sy andinin-tsoratra masina roa manaraka ireto sy ny fanontaniana manaraka ny tsirairay amin’izy ireo. Azonao atao ny mizara ny mpianatra ho mpiara-miasa hamaky ny andalan-tsoratra masina sy hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana mifandray amin’izany.

Jaona 10:14–16 (I Jesoa niresaka tamin’ny “ondriny” tany Isiraely fahiny)

  • Inona, araka ny eritreritrao, no dikan’ny hoe mahalala ny ondriny i Jesoa ary fantatr’izy ireo Izy?

3 Nefia 15:13–17, 21 (I Jesoa niresaka tamin’ny “ondriny” tany Amerika fahiny)

Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana teo aloha ny mpianatra, dia azonao atao ny mizara azy ireo ho mpiara-miasa hilalao an-tsehatra izany. Azon’izy ireo atao ny maka sary an-tsaina hoe manome Bokin’i Môrmôna ny namana iray avy amina finoana hafa izay vonona hanaiky izy ireo raha toa ka mahavita maneho izy ireo fa ny olon’ny Bokin’i Môrmôna dia voaresaka ao amin’ny Baiboly. Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ny Jaona 10:16 sy ny 3 Nefia 15:21 mba hanazavana fa niresaka ny olon’ny Bokin’i Môrmôna i Jesoa teo am-pampianarany ny mpianany tany Jerosalema. Henoy ny fanazavan’ny mpianatra ary ampio araka izay ilaina izy ireo.

Avy eo dia asehoy ity toko sy andininy sy fanontaniana manaraka ity mba hifanakalozan’ny mpinamana hevitra.

3 Nefia 16:1–3 (Isan’ireo “ondry” ireo “ny foko very amin’i Isiraely” [3 Nefia 17:4].)

  • Inona no ampianarin’ny didin’ny Ray any An-danitra ao amin’ireo andininy ireo anao momba Azy?

Ilay mpiandry tsara

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo toko ireo ny hoe ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia maniry ny hanangona ny olon-drehetra ho ao amin’ny valan’ny Mpamonjy.

  • Inona avy no loza maoderina iarovan’i Jesoa antsika ao amin’ny valany?

Mety ho azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo loza resahin’ny mpianatra.

Vakio ny 1 Nefia 22:25, 28 sy ny 3 Nefia 16:11–13, hitadiavana famaritana ny asa fanangonan’ny Mpiandry antsika amin’izao androntsika izao.

  • Inona avy no teny sy andian-teny mamaritra ny hoe iza no irìn’ny Mpiandry antsika hangonina? Inona no takina amintsika mba hanekena ny fanasany am-pitiavana?

Manangona ao amin’ny valan’ny Mpamonjy

Rehefa mandalina io fizarana io ianao, dia mety hitadidy namana iray izay tsy misitraka ireo fitahiana feno izay omen’ny Mpamonjy ireo izay ao am-balany (ny Fiangonana) amin’izao fotoana izao. Mety ho niala tamin’ny Fiangonana izy ireo, na mety mbola tsy vita batisa.

Vakio ireto andalan-tsoratra masina sy teny nambaran’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ireto. Na azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Ilay Mpiandry tsarantsika,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 3:13 hatramin’ny 4:44. Mitadiava zavatra tianao ho fantatry ny namanao momba ny Mpiandry antsika.

Amin’ny maha-Mpiandry tsara Azy, i Jesoa Kristy dia mijery ny aretina eo amin’ny ondriny ho toy ny toe-javatra mila fitsaboana, fikarakarana ary fangoraham-po. Io mpiandry ondry io, ilay Mpiandry tsarantsika, dia mahita fifaliana amin’ny fahitana ny fivoaran’ireo ondriny marary mankany amin’ny fahasitranana. …

Mamariparitra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany tokoa ny fitiavana sy ny fangorahana ary ny fitserana. Tsy nandeha nianjonanjona teo amin’ireo lalana mamovok’i Galilia sy i Jodia i Jesoa ka nitakemotra rehefa nahita ireo mpanota. Tsy nisintaka tamin’izy ireo tamin’ny rikoriko be Izy. Tsia. Niara-nisakafo tamin’ izy ireo Izy. Nanampy sy nitsodrano Izy, nampitraka sy nankahery, ary nosoloiny fanantenana sy fifaliana ny tahotra sy ny famoizam-po. Amin’ny maha-tena mpiandry tsara Azy dia mitady antsika sy mahita antsika Izy mba hanolotra fanampiana sy fanantenana. (Dale G. Renlund, “Ilay Mpiandry Tsarantsika,” Liahona, mey 2017, 30)

  • Inona no tianao ho fantatry ny namanao momba ny Mpiandry antsika avy amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo sy avy amin’ny teny nambaran’ny Loholona Renlund? Nahoana?

  • Inona no ohatra sasantsasany amin’ny fomba nanangonan’ny Mpamonjy olona ho ao Aminy? (Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny olona fantatrao manokana, olona avy ao amin’ny soratra masina, na mety ho ianao mihitsy aza.)

Hevero ny hamarana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fihirana, fihainoana, na famakiana ny hira anaty fihirana hoe “Au Berger elles sont chères” (Cantiques, no. 142). Asao hieritreritra ny fahatsapan’ny Mpamonjy momba azy ireo ny mpianatra. Avy eo dia asao izy ireo hizara ny fahafantaran’izy ireo fa mampianatra fahamarinana ny tonon’ilay hira anaty fihirana (miainga amin’ny zavatra tsapan’izy ireo, hitan’izy ireo na niainan’izy ireo).

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fanirian’ny Mpamonjy hanangona ny rehetra ho ao Aminy.

Hamoaka printy