Seminera
3 Nefia 12:17–48: “Mba tiako ianareo ho tanteraka”


“3 Nefia 12:17–48: Mba tiako ianareo ho tanteraka,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 12:17–48,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 12:17–48

“Mba tiako ianareo ho tanteraka”

Sary
Sary tapaka nalaina maneho an’i Jesoa Kristy

Nampianatra i Jesoa Kristy fa tokony ho “tanteraka” tahaka Azy sy ny Ray any An-danitra isika (3 Nefia 12:48). Na dia mety ho tsapa ho goavana aza io didy io, dia manome fahatakarana manan-danja ny toetran’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany. Izy io dia mampianatra antsika ihany koa fa afaka ny ho tonga tahaka Azy ireo isika. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ny fahafahanao ho tonga tanteraka tahaka ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Maneho fitiavana sy fanantenana lehibe. Rehefa tena tia ny mpianany ny mpampianatra, dia tena hiraharaha fatratra ny fandrosoana sy ny fahombiazan’ny mpianany izy ireo ka tsy ho afa-po amina ezaka kely fotsiny. Amporisiho am-pitiavana ny mpianatrao mba hanatratra izay azony ahatongavana amin’ny maha-mpianatra sy mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny andiam-pehezan-teny voalohany eo ambanin’ny teny iditra hoe “Tanteraka” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ary ho tonga efa vonona hizara ny zavatra hitan’izy ireo ho manan-danja indrindra momba io famaritana io sy ny anton’izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanamarihana: Na dia miresaka lafiny vitsivitsy amin’ny lalàna ambonimbony kokoa izay ampianarin’i Jesoa ao amin’ny andininy 17–47 aza ity lesona ity dia ny hanampy ny mpianatra hahatakatra ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 3 Nefia 12:48 no tanjona fototr’ity lesona ity. Raha ny mandany fotoana misimisy kokoa amin’ny fandalinana ireo lafin-javatra amin’ilay lalàna ambonimbony kokoa no mety indrindra ho an’ny mpianatrao, dia aza misalasala mandany roa andro handalinana ny votoatin’ity lesona ity sy manolo lesona iray hatao amin’ny manaraka.

Misy hevitra maromaro ao amin’ny fizaràna hoe “Sahanasa fianarana fanampiny” izay afaka manampy amin’ny fampianarana lafin-javatra hafa amin’ilay lalàna ambonimbony kokoa.

Ny hafahahanao ho tonga araka izay tokony hahatongavanao

Asehoy ireto sary manaraka ireto na sary hafa izay maneho zavatra iray izay tsy mbola mitombo tanteraka.

Sary
voan-javatra eo amin’ny tany, alika kely volontany
Sary
zazakely falifaly ao anaty harona
  • Afaka ny ho tonga inona ny tsirairay amin’ireo rehefa mitombo tanteraka?

  • Inona no ilain’izy ireo mba hahafahan’izy ireo ho tonga amin’izay tokony hahatongavany?

  • Afaka ny ho tonga inona ny ankizy tsirairay ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?

  • Manova ny fanapahan-kevitra raisinao amin’ny fomba ahoana ny fahatakaranao ny fahafahanao ho tonga tahaka an’ Andriamanitra? inona no fiantraikan’izany amin’ny zavatra tsapanao momba ny tenanao?

Rehefa mandalina ny lesona anio ianao, dia eritrereto hoe efa nitombo sy nianatra zavatra toy ny ahoana ianao teo amin’ny fiainanao ary inona no mbola azonao ahatongavana miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra.

Ny fanasan’ny Mpamonjy mba hanatratra izay tokony hahatongavana

Ao amin’ny 3 Nefia 12:17–47 i Jesoa dia nizara ohatra maro avy amin’ny lalàn’i Mosesy tamin’ny olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny ohatra tsirairay dia narahiny fanazavana ny lalàna ambonimbony kokoa na fanasana hiaina fahamarinana avo lenta kokoa izay afaka manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny zavatra tian’Izy sy ny Ray any An-danitra hahatongavantsika.

Mba hahitan’ny mpianatra ohatra amin’ny lalàna ambonimbony kokoa izay nampianarin’i Jesoa, dia azonao atao ny mizara ny kilasy ho vondrona telo sy manendry ny vondrona tsirairay hamaky ny iray amin’ireto andian-tsoratra masina ireto: 3 Nefia 12:21–22, 27–29, sy ny 38–42, hitadiavana ireo fomba anasan’ny Mpamonjy antsika handroso ho any amin’izay tokony hahatongavantsika. Asao ny mpianatra hizara ny fomba anasan’ny Mpamonjy antsika ao amin’ireo andininy ireo hiaina fahamarinana avo lenta kokoa. Azonao atao ny manampy ny mpianatra hieritreritra ohatra amin’ny fomba ankatoavana ireo lalàna ireo amin’izao androntsika izao.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo fampianarana ireo manampy antsika ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa?

Vakio ny 3 Nefia 12:48 hitadiavana izay azontsika ahatongavana tanteraka izay fantatr’i Jesoa fa ananantsika tsirairay avy.

Ny 3 Nefia 12:48 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amina fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hizatra hampihatra ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

Io andininy io dia mampianatra fa tian’i Jesoa Kristy ho tonga tanteraka tahaka Azy sy ny Ray any An-danitra isika.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra ny valin’ilay fanontaniana voalohany etsy ambany amina tapaka taratasy ary avy eo dia hamerina ireo tapaka taratasy. Azonao atao ny mamaky ny sasany amin’ny fanontaniana na ny ahiahin’izy ireo any amin’ny fiafaran’ny lesona ary mamela ny mpianatra hamaly amin’ny zavatra nianaran’izy ireo.

  • Inona avy no fanontaniana na ahiahy heverinao fa mety hananan’ny olona momba io fampianarana io? Nahoana?

  • Inona no manome anao fanantenana na fahatokian-tena fa zavatra azo tanterahina ny fahatongavana ho tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no mety hifandraisan’io fahamarinana io amin’ireo sary tany am-piandohan’ny lesona?

Ny fitiavana tonga lafatry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Ny hoe tonga tanteraka dia tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny lalàna ambonimbony kokoa izay ampianarin’i Jesoa ao amin’io toko io dia afaka manampy antsika hahatakatra ny toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa mahatakatra tsara kokoa isika hoe iza Izy ireo, dia afaka miezaka ny ho tonga tahaka Azy ireo sy mahazo fanantenana fa hanampy antsika amim-paharetana Izy ireo rehefa miezaka ny handroso isika.

Vakio ny 3 Nefia 12:43–45 sy ity teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity, hitadiavana ny zavatra ampianarin’izany momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Na izany na tsy izany, dia feno fankasitrahana aho noho ny fahafantarako fa na dia eo aza ny tsy fahalavorariako dia lavorary Andriamanitra farafaharatsiny, ary fahafaratsiny Izy, ohatra, dia afaka mitia ny fahavalony, satria matetika loatra, noho ilay lehilahy sy vehivavy “araka ny nofo” ao anatintsika, dia isika izany fahavalo izany. Tena feno fankasitrahana aho fa farafaharatsiny Andriamanitra dia afaka mitahy izay manisy ratsy Azy satria, noho ny tsy fananantsika faniriana na fikasana hanao toy izany, dia manisy ratsy Azy isika rehetra. (Jeffrey R. Holland, “Aoka ho tanteraka ianareo, amin’ny farany,” Liahona, nôv. 2017, 41)

  • Nahoana no mampahery ny fahalalana fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia tia ny fahavalon’Izy ireo ary mitahy ireo izay manao ratsy Azy ireo?

  • Ahoana no ahafahan’ny fitiavana sy ny fanampiana ary faharetan’Izy ireo manome anao fanantenana fa hahatratra ny fahatanterahana ianao indray andro any?

Ny fahatanterahana dia dingana izay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahana manatanteraka azy

Tsy mahagaga ny manontany tena raha toa ka azo tanterahina izany hoe tonga tanteraka izany. Raha tsy maintsy manatratra ny fahatanterahana samirery isika, na raha tsy maintsy tanterahina mandritra ny fiainantsika etỳ an-tany izany, dia tsy ho azo tanterahina.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:69–70 sy ny Môrônia 10:32–33, mba hitadiavana ny zavatra mahatonga ny fahatanterahantsika ho azo tanterahina. Hevero ny hampifandray ireo andalan-tsoratra masina ireo amin’ny 3 Nefia 12:48.

  • Ahoana no ahafahan’ireo izay tonga tanteraka amin’ny farany manatanteraka izany?

Raha sahirana amin’ny famaliana ny fanontaniana teo aloha ny mpianatra, dia ataovy izay hanazavana fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahantsika ho tonga tanteraka. Tsy azo tanterahina izany raha tsy misy Azy. Rehefa mibebaka isan’andro isika, ary mikatsaka tsy tapaka ny hitombo ara-panahy, dia eo an-dalam-pahatanterahana ao amin’i Kristy isika izay.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:11–13 ary tadiavo ny zavatra ampitomboan’ireo andininy ireo ny fahatakarantsika momba ny fahatanterahan’i Jesoa Kristy.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa na dia ny fahatanterahan’i Jesoa Kristy aza dia dingana?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra izao manaraka izao momba ny famaritana sy dingan’ny fahatanterahana:

Tsara homarihina fa ny teny hoe [tanteraka] dia tsy midika hoe “fahafahana amin’ny fahadisoana.” …

Tsy tokony ho kivy isika raha toa ireo ezaka matotra ataontsika mba ho tanteraka ka toy ny manahirana [sarotra] sy tsy manam-pahataperana amin’izao fotoana izao. Mbola miandry fotoana ny fahatanterahana. Tsy afaka ny ho tonga amin’ny fahafenoany izany raha tsy aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty sy amin’ny alalan’ny Tompo ihany. Miandry ireo rehetra izay tia Azy sy mitandrina ny didiny izany. (Russell M. Nelson, “Perfection Pending,” Ensign, Nov. 1995, 86, 88)

  • Inona no fahatakarana fanampiny azonao avy amin’io teny nambara io mikasika ny fahatanterahana?

Ny fizaràna farany amin’ny lesona dia manome fahafahana ny mpianatra haneho ny fahatakaran’izy ireo ny fahafahantsika ho tonga tanteraka tahaka an’ Andriamanitra.

Fomba iray anaovana izany ny famakiana ny sasany amin’ireo fanontaniana sy ahiahy izay nosoratan’ny mpianatra tany aloha tao amin’ny lesona. Avelao ny mpianatra hizara ny fomba ahafahan’ny zavatra nianaran’izy ireo mihatra amin’ny fanontaniana na ny ahiahy tsirairay.

Alaovy sary an-tsaina hoe angatahina hizara vatsim-panahy mandritra ny roa hatramin’ny telo minitra ianao mandritra ny fiaraha-mientan’ny zatovo manaraka. Mangataka anao hizara ny eritreritrao momba ny antony tokony hanomezan’ilay fampianarana ao amin’ny 3 Nefia 12:48 fanantenana antsika ny mpitarika anareo. Soraty ny eritreritrao. Ampidiro ao anatin’izany ny valin’ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no dikan’izany hoe lasa tanteraka? Tsy midika hoe inona izany?

  • Ahoana no anomezan’ny zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao fanantenana ny ho tonga tahaka Azy Ireo?

Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-izy ny mpianatra tsirairay amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy sy ny fahafahana ananan’izy ireo ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mandeha ny fotoana ary miaraka amin’ny fanampian’Izy ireo.

Hamoaka printy