Seminera
3 Nefia 12:1–16: “Hotahiana ianareo”


“3 Nefia 12:1–16: Hotahiana ianareo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 12:1–16,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 12:1–16

“Hotahiana ianareo”

I Kristy nampianatra tany Amerika fahiny

Te hitahy antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Afaka mahazo antoka isika fa rehefa arahintsika ny torohevitr’Izy ireo, dia handray ny fitahian’Izy ireo araka ny fotoanan’Izy ireo sy ny fomban’Izy ireo isika. Rehefa nampianatra ny Nefita i Jesoa dia nanambara ny maro amin’ireo fitahiana azontsika raisina Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiomana handray ireo fitahiana noresahin’ny Mpamonjy rehefa miezaka manaraka ny toroheviny ianao.

Mifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny maha-loharanon’ny fitahiana antsika Azy ireo. Rehefa mandalina ny soratra masina sy mifanakalo hevitra momba ireo fitahiana nampanantenaina, dia hamafiso fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy no loharanon’ireo fitahiana ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Mba hanampiana amin’ny fanomanana ny fon’ny mpianatra handalina ny toritenin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia, izay tena mitovitovy amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, dia hevero ny hanasa azy ireo hisaintsaina ity teny nambaran’ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972) ity. Nilaza izy fa ny toriteny teo an-tendrombohitra no “[toriteny] lehibe indrindra natao hatramin’izay raha ny fahafantarantsika azy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Fielding Smith [2013], 234).

Sahanasa fianarana azo atao

Sambatra

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny tena dikan’ny hoe sambatra, dia hevero ny hanao sarina fonon-gazetiboky tsotsotra eny amin’ny solaitrabe. Omeo anarana toy ny hoe Gazetibokin’ny fahombiazan’izao tontolo izao ilay gazetiboky ary soraty ho anaran’ny lahatsoratra asongadin’ilay laharana ny hoe “Ny olona dimy voatahy indrindra tamin’ity taona ity.”

Asao ho eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra ka hanoratra fitahiana vitsivitsy eo amin’ny fonon’ilay gazetiboky, izay antenain’izy ireo fa hifantohan’ilay lahatsoratra.

Manaova fonon-gazetiboky mitovy amin’izany miaraka amin’ilay lahatsoratra asongadina eo amin’ny ilan’ilay solaitrabe, saingy amin’ity indray mandeha ity dia omeo anarana hoe Liahona ilay gazetiboky. Asao hanoratra fitahiana vitsivitsy izay antenain’izy ireo fa hifantohan’ny lahatsoratr’ilay gazetibokin’ny Fiangonana ny mpianatra.

  • Inona no fitahiana manokana antenainao fa hifantohan’ilay lahatsoratra mba ho mason-tsivana amin’ny fisafidianana ireo olona?

Alaovy sary an-tsaina amin’izay ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazetiboky Liahona mitovy lohateny amin’izany.

  • Inona no fitahiana manokana antenainao fa horesahin’ilay lahatsoratra ho fitahiana lehibe indrindra azon’ny rehetra raisina?

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no mampianatra antsika hanome lanja ambony indrindra ireo fitahiana tsy mitovy amin’izay katsahin’ny maro eo amin’izao tontolo izao ny Mpamonjy sy ny Fiangonana?

Ao amin’ny 3 Nefia 12–14 i Jesoa Kristy dia nampianatra ny Nefita toriteny iray tena mitovitovy amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nilaza ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972) fa ny toriteny teo an-tendrombohitra no “[toriteny] lehibe indrindra natao hatramin’izay raha ny fahafantarantsika azy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Fielding Smith [2013], 234).

Ankehitriny, rehefa mandalina ny ampahany amin’ny toritenin’ny Mpamonjy nantsoina hoe Fahasambarana ianao, dia hanana fahafahana hahafantatra ireo fomba irìn’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hitahiana anao. Ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) dia niresaka ireo Fahasambarana nozarain’ny Mpamonjy ho “lalàm-panorenana hahazoana fiainana tonga lafatra” ary nanazava fa “tamin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra ny Tompo dia nanome antsika karazana fanambarana ny toetrany manokana, izay tonga lafatra, … ary tamin’ny fanaovana izany dia nanome antsika drafitra ho an’ny fiainantsika manokana” (Decisions for Successful Living [1973], 56–57). Rehefa mandalina ianao, dia saintsaino hoe nahoana ireo fitahiana atolotr’i Kristy ao amin’io toriteny io no manan-danja lehibe kokoa noho ireo fitahiana rehetra azon’izao tontolo izao omena.

Ireo Fahasambarana nambara tany Amerika fahiny

Vakio ny 3 Nefia 12:1–12 ary asio marika ny teny hoe “sambatra” sy ny fitahiana rehetra hitanao notanisain’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo. Mariho fa ny teny hoe “sambatra” ao amin’ireo andininy ireo dia midika hoe faran’izay manam-bitana na mahita fitia amin’ Andriamanitra.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisa hoe impiry izy ireo no nahita ny teny hoe “sambatra” ary hizara ireo fitahiana hitan’izy ireo.

  • Rehefa dinihina ireo fitahiana rehetra notanisain’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo dia inona no lazain’izany aminao momba Azy na ny Rainy?

Fahamarinana iray azontsika ianarana amin’io andalan-tsoratra masina io ny hoe ny Ray any An-danitra sy i Jesoa dia faly tokoa mitahy antsika rehefa miezaka manaraka ny torohevitr’Izy ireo isika.

Vakio ny 3 Nefia 12:1–2 ary hevero ny hanisy marika ny zavatra angatahin’ny Mpamonjy hataontsika raha mikatsaka ireo fitahiana atolotr’Izy sy ny Rainy antsika isika.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo alohan’ny hanasana mpianatra manolo-tena hizara ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mizara amina namana iray na amina vondrona kely.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no mitahy ireo izay “mampandry sofina amin’ny tenin’[ireo] roa ambin’ny folo izay nosafidi[ny]” Andriamanitra? (3 Nefia 12:1).

  • Ahoana no nitahian’ Andriamanitra anao na ny olon-kafa fantatrao noho ny fihainoana ny tenin’ny mpaminany sy ny Apôstôly?

Raha misy fotoana, dia asao ny mpianatra hijery lahateny tamina fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao haingana nataona mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary hizara ireo fomba izay heverin’izy ireo fa itahiana antsika noho ny fihainoana ireo fampianarana manokana izay hitan’izy ireo.

Mikatsaka fitahiana

Alohan’ny hamakian’ny mpianatra ireto andininy manaraka ireto, dia hevero ny hanao tsanganana roa eny amin’ny solaitrabe ahitana ireo fitahiana avy amin’ireo andininy voatanisa ao amin’ny tsanganana iray ary ireo asa na fepetra izay mitarika amin’ny fahazoana ireo fitahiana voatanisa amina filaharana kianjoanjo ao amin’ilay tsanganana hafa ireo. Asao ny mpianatra hiezaka hampifandray ireo fitahiana amin’ireo asa na toe-javatra misy azy ireo tsirairay avy. Avy eo dia azon’izy ireo ampiasaina ny 3 Nefia 12:3–12 mba hanamarinana ny valintenin’izy ireo.

Vakio indray ny 3 Nefia 12:3–12 ka amin’ity indray mandeha ity izany dia hitadiavana ny hoe inona no fepetra nampifandraisin’ny Mpamonjy tamin’ny fitahiana tsirairay. Hevero ny hanisy marika ireo fepetra ireo amin’ny fomba hafa noho ny nanisianao marika ireo fitahiana, toy ny fampiasana loko hafa na ny fanisiana faribolana fa tsy fanasongadinana.

Mba hahitana hevitra hafa amin’ny fampianarana ny Fahasambarana, dia jereo ny sahanasa “tabilaon’ny Fahasambarana” hita ao amin’ny “Sahanasa fianarana fanampiny” ao amin’ity lesona ity.

Misafidiana fitahiana iray avy amin’ireo andininy ireo izay tianao ho azo. Mariho ilay asa na fepetra izay mitarika mankany amin’izany fitahiana izany. Halalino izany asa na fepetra izany, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo loharanom-pitaovana misy toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ny application Médiatheque de l’évangile, na ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy.

Hevero ny hanasa ny mpianatra handehandeha eran’ny trano sy hitady ireo olona hafa izay nandalina andalan-tsoratra masina hafa ary hizara ny valintenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no nianaranao momba ny zavatra takina amin’ireo izay maniry ireo fitahiana nohalalininao?

  • Ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy izany asa na fepetra izany? Ahoana no ahafahan’ny ohatra nasehony manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fomba ahafahanao mikatsaka izany fitahiana izany?

Tsarovy fa noho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika, dia hitahy antsika araka ny fotoany sy amin’ny fombany Izy. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:64.)

Raha tsapanao fa afaka mampiasa fampaherezana fanampiny mba hahatokiana ny Tompo sy ny fotoanany ny mpianatrao, dia mety ho azonao atao ny mizara ny teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny fizaràna hoe “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”.

Rehefa avy nahita fitahiana iray irìnao ianao ary nandalina ny fomba hampidirana izany ho eo amin’ny fiainanao, dia manaova drafitra mikasika ny fomba ahafahanao mikatsaka izany fitahiana izany. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra voafaritra tsara azonao atao mba hikatsahana izany fitahiana izany?

  • Rahoviana ianao no mikasa hanomboka?

  • Inona avy no sakana mety hisy ary ahoana no ahafahanao mandresy azy ireny?

Mety hanampy raha zaraina ny fomba nahitanao ireo fitahiana ireo teo amin’ny fiainanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fanirian’ny Mpamonjy hitahy antsika.