Seminera
3 Nefia 12–16: Topimaso ankapobeny


“3 Nefia 12–16: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 12–16,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 12–16

Topimaso ankapobeny

Rehefa nampianatra ny olona tany amin’ny tanin’i Soafeno i Jesoa, dia nanambara ny maro amin’ireo fitahiana azontsika raisina sy ireo fomba ahafahantsika tonga tahaka Azy kokoa tao anatina toriteny mitovitovy amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra. Avy eo dia nampiany hahatakatra ny fitiavany sy ny faniriany hanangona ny zanak’ Andriamanitra rehetra ny olona.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

3 Nefia 12:1–16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hiomana handray ireo fitahiana noresahin’ny Mpamonjy rehefa miezaka manaraka ny toroheviny izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Mba hanampiana amin’ny fanomanana ny fon’ny mpianatra handalina ny toritenin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia, izay tena mitovitovy amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, dia hevero ny hanasa azy ireo hisaintsaina ity fanambarana avy amin’ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972) ity. Nilaza izy fa ny Toriteny teo an-tendrombohitra no “[toriteny] lehibe indrindra natao hatramin’izay raha ny fahafantarantsika azy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Fielding Smith [2013], 234).

  • Votoatiny haseho: Sary tsotra maneho fonon-gazetiboky alaina sary an-tsaina misy lohateny toy ny hoe Gazetibokin’ny fahombiazan’izao tontolo izao; sary tsotra maneho ny fonon’ny gazetiboky Liahona

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Raha mandalina lahateny nataona mpitarika ao amin’ny Fiangonana tamina fihaonambe ny mpianatra, dia azonao atao ny mamela azy ireo hizara ny efijerin’izy ireo mba hanazavana ampahany manokana amin’ilay lahateny izay nanan-danja tamin’izy ireo.

3 Nefia 12:17–48

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fahafahan’izy ireo ho tonga tanteraka tahaka ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny andiam-pehezan-teny voalohany eo ambanin’ny teny iditra hoe “Tanteraka” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ary ho tonga efa vonona hizara ny zavatra hitan’izy ireo ho manan-danja indrindra momba io famaritana io sy ny anton’izany.

  • Sary haseho: Sarina voa iray, alika kely iray ary zazakely iray

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tapaka taratasy kely hanoratan’ny mpianatra

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Mba hanombohana ny lesona, ankoatra ny fampisehoana ireo sarin’ny voa sy alika kely ary zazakakely, dia azonao atao ny mampiseho sarina hazo maniry efa lehibe, alika efa lehibe ary i Jesoa na ny ray any An-danitra. Rehefa avy mampiseho ny sary telo voalohany, dia azonao atao ny manampy ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe afaka ny ho tonga inona izy ireo amin’ny alalan’ny fampisehoana sary hafa.

Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 12:48

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 12:48, hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hanao tsianjery ny 3 Nefia 12:48 ny mpianatra alohan’ny hahatongavana ao an-dakilasy. Mety ho azonao atao ny manasa azy ireo hizatra hanao tsianjery ilay soratra masina amin’ny olona hafa ao amin’ny kilasy alohan’ny fotoam-pianarana, na mivantana izany, na amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra, na amin’ny fomba hafa.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Antsasaka ravin-taratasy

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Ho an’ny ampahany amin’ny lesona “Hazavao sy ianaro tsianjery” dia azonao atao ny manomana tahirin-kevitra misy ireo andian-teny ao amin’ny soratra masina voasoratra amina zorony samy hafa araka ny voafaritra ao amin’ny lesona. Avy eo dia azonao atao ny mizara ny efijerinao sy manasa ny mpianatra hikasika ireo andian-teny araka ny filaharany. Mamafà andian-teny iray isaky ny mandeha, ary asao ny mpianatra hamerimberina ilay dingan’ny fikasihana ny efijery ary hilaza ireo teny mandra-paha-tsy misy n’inona n’inona eo amin’ilay tahirin-kevitra. Azonao atao ihany koa ny manomana tahirin-kevitra maro miaraka amin’ireo andian-teny ao amin’ny soratra masina voasoratra amina zorony samy hafa ary hampiseho tsirairay ny tahirin-kevitra, ka hanome ny mpianatra fahafahana hitady ny filaharan’ny teny sy hamerina ny andian-teny manan-danja.

3 Nefia 13–14

Tanjon’ny lesona: Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy ny mpianatra hitady fitsipika avy amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy sy hahita ny lanjan’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo ankehitriny.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hitady teny ambara milaza antony sy vokany izay hitan’izy ireo tamin’ny fandalinan’izy ireo soratra masina manokana ary ho tonga ao am-pianarana efa vonona hizara izany. Izany dia azo ambara amin’ny alalan’ny fampiasana ny teny hoe raha sy ny hoe dia, na mety milazalaza fotsiny ilay teny ambara hoe safidy inona no miteraka vokatra inona.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Rehefa avy omena fotoana hampiasana ny fampianaran’ny Mpamonjy mba hamoronana teny ambara milaza antony sy vokany ny mpianatra, dia asao izy ireo hametaka ny teny ambara noforoniny ao amin’ny chat (resadresaka). Izany dia hamela ny mpianatra hahita ireo teny ambara rehetra rehefa mifanakalo hevitra momba ny mbola maha-manan-danja ny fampianaran’ny Mpamonjy ankehitriny izy ireo.

3 Nefia 15–16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fanirian’ny Tompo hanangona azy ireo sy ny olon-drehetra ho ao Aminy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba hamalian’izy ireo ity fanontaniana ity: “Inona no porofo hitanao fa te hanangona ny olon-drehetra ho ao Aminy ny Mpamonjy?”

  • Sary: Sarin’i Kristy anankiroa (ny iray amin’ny maha-mpiandry ondry Azy); sarina valan’ondry iray

  • Votoatiny haseho: Andalan-tsoratra masina ao amin’ny Jaona 10 sy ny 3 Nefia 15, 16 miaraka amin’ireo fanontaniana mifandray amin’izany

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visioconférence: Eo am-panombohan’ny lesona dia hevero ny hanome minitra vitsy ny mpianatra mba hitadiavana ny sarin’ny Mpamonjy tian’izy ireo indrindra amin’ny maha-mpiandry ondry Azy. Avelao hizara ny efijerin’izy ireo ny mpianatra rehefa manazava ny zavatra tiany momba ny sary nosafidiny sy ny zavatra ampianarin’izany momba an’i Kristy izy ireo.

Hamoaka printy