Seminera
3 Nefia 13–14: Ny fampianaran’i Kristy


“3 Nefia 13–14: Ny fampianaran’i Kristy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 13–14,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 13–14

Ny fampianaran’i Kristy

Sary
I Kristy nitsiky tamin’ny olona tany Amerika fahiny

Alaovy sary an-tsaina hoe tsy maintsy ho nanao ahoana izany nihaino ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty nampianatra izany ho an’ny olona tao an-tanin’i Soafeno. Voatahy isika fa manana ampahany tamin’ny hafany voarakitra an-tsoratra ao amin’ny 3 Nefia 13–14. Ireo toko ireo dia feno fitsipika izay manan-danja ankehitriny tahaka ny fananan’izany lanja tamin’ny olona izay nanatrika teo tamin’ny fotoana nanambarany izany. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hitady fitsipika avy amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy sy hahita lanjan’izany amin’ny fiainanao ankehitriny.

Ampio hahita fotopampianarana sy fitsipika ny mpianatra. Afaka mahazo tombony amin’ny fanohizana mampihatra ny mpianatra rehefa mianatra mamantatra fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny filazantsara. Mitadiava andalan-tsoratra masina izay mampianatra fitsipika maro, ary omeo fotoana hitadiavana izany fahamarinana izany ny mpianatra. Ampio ny mpianatra hilaza mazava ny fahamarinana hitan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hitady teny ambara milaza antony sy vokany izay hitan’izy ireo tamin’ny fandalinan’izy ireo soratra masina manokana ary ho tonga ao am-pianarana efa vonona hizara izany. Izany dia azo ambara amin’ny alalan’ny fampiasana ny teny hoe raha sy ny hoe dia, na mety milazalaza fotsiny ilay teny ambara hoe safidy inona no miteraka vokatra inona.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no torohevitra homenao?

Hevero ny hanasa mpianatra iray hanazava na hamaritra fohifohy amin’ny iray kilasy ny fahaiza-manao iray nampivelariny. Na azonao atao ny manasa ny mpianatra rehetra handany iray minitra hamaritana amina namana iray ny fahaiza-manao iray ananan’izy ireo.

Mieritrereta fahaiza-manao iray izay nampivelarinao tamin’ny alalana traikefa. Mety ho fanatanjahantena, fialamboly, na taranja any am-pianarana izany na fahaiza-manao toy ny familiana fiara, fahandroana sakafo miavaka, na fikarakarana biby namana an-trano.

Alaovy sary an-tsaina hoe rehefa avy manazava fohifohy ny fahaiza-manao anananao amin’ny olona iray ianao, dia mampiseho fahalianana hanandrana izany izy.

Mieritrereta torohevitra iray azonao omena azy avy amin’ny traikefanao. Mety ho torohevitra izay mety ho ela vao ho azony izany, na mety hanampy azy hiala amin’ny fahadisoana ataon’ny olona matetika amin’ny fianarana ny fahaiza-manao anananao.

Fintino amina teny ambara tsotra misy antony sy vokany ny torohevitrao. (Ohatra, raha hazakazaka lavitra ezaka ilay fahaiza-manao, dia mety hilaza toy izao ianao, “Raha mijanona ho ampy rano ianao, dia hiverina amin’ny laoniny haingana kokoa ny hozatrao.”)

Hevero ny hanasa mpianatra maromaro hizara ny teny ambara misy antony sy vokany izay noforonin’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Tahaka ny ahafahan’ny fahalalanao sy ny torohevitrao manampy olona iray izay mianatra ny fahaiza-manao anananao mba hahomby sy hisoroka fahadisoana tsy ilaina, ny torohevitr’i Jesoa Kristy koa dia afaka mitahy sy miaro anao amin’ny fahadisoana.

Anio ianao dia ho voatahy amin’ny fandalinana ny 3 Nefia 13–14, izay tohin’ny toriteny tsy manam-paharoan’ny Mpamonjy izay hita ao amin’ny Matio 5–7. Nanohy nampianatra ny lalàna ambonimbony kokoa izay manampy antsika hiomana hiaina ny fanatrehan’ Andriamanitra i Jesoa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:21–22). Rehefa mandalina ny toroheviny ianao, dia tadiavo ny fomba ifandraisan’ny fampianarany amin’ny zava-misy atrehinao. Miatoa matetika mba hisaintsainana ireo fitsipika hitanao ary raketo an-tsoratra ny fomba hanomanan’ny fanarahana ireo fahamarinana nampianariny anao mba hiverina ho eo anatrehany.

Teny ambara misy antony sy vokany ao amin’ny soratra masina

Fomba mahomby iray andalinana ny fampianaran’ny Tompo ny fitadiavana fifandraisana misy antony sy vokany. Matetika ireny teny ambara ireny no manomboka amin’ny teny hoe raha. Ireo teny ambara ireo dia afaka manampy anao hahita mazava hoe safidy inona no miteraka vokany inona. Raha niresaka momba ny teny ambara misy antony sy vokany (na misy fepetra), ny Loholona Kevin S. Hamilton ao amin’ny Fitopololahy, dia nanambara toy izao:

Ny Tompo ihany koa dia mampiasa fepetra: fepetran’ny finoana, fepetran’ny fahamarinana, fepetran’ny fibebahana. Maro ireo ohatra ahitana toromarika misy fepetra avy amin’ Andriamanitra, toy ny hoe: …

Raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, [dia] haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina” (Môrônia 10:4). …

Raha mitandrina ny didiko hianareo, [dia] hitoetra amin’ny fitiavako” (Jaona 15:10). (Kevin S. Hamilton, “Hataoko tonga matanjaka ny zavatra malemy,” Liahona, mey 2022, 50, fononteny sy fanamafisana ao amin’ilay lahatsoratra niandohana)

Mariho ao amin’ny ohatry ny Loholona Hamilton fa ny teny hoe raha dia mandeha alohan’ny asa takina amintsika. Avy eo dia voafaritra ny vokany na valin’ny zavatra ataontsika.

Rehefa nampianatra ny olona tany amin’ny tanin’i Soafeno i Jesoa Kristy, ny sasany tamin’ireo fitsipika manan-danja nampianariny dia nambara tamina fifandraisana misy antony sy vokany izay nahitana ny teny hoe raha. Ohatra, vakio ny 3 Nefia 13:14–15 ary hevero ny hanisy marika ny teny hoe raha ao amin’ny andininy tsirairay.

Mariho fa ao amin’ny ohatry ny Loholona Hamilton, dia nanatsofoka ny teny hoe dia ao amin’ny teny nambara tsirairay izy mba hanamafisana ny vokatry ny safidintsika. Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ny teny hoe dia ao amin’ny soratra masinao ao amin’izay heverinao fa ahatafidirany ao amin’ny andininy 14–15.

Manasà mpianatra manolo-tena hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo teny nambara misy antony sy vokany hitan’izy ireo ao amin’io andalan-tsoratra masina io. Izany dia afaka manomboka lisitra ahitana teny manambara fahamarinana izay hampidirin’ny mpianatra mandritra ny lesona.

Mamerina milaza ny fampianaran’ny Mpamonjy amina teny ambara misy antony sy vokany

Ny sasany amin’ireo fampianaran’i Jesoa dia tsy ahitana ny teny hoe raha. Na izany aza, rehefa mieritreritra tsara omban’ny fanampian’ny Fanahy Masina ianao, dia afaka mahita fifandraisana misy antony sy vokany izay manazava fitsipika nampianariny. Vakio farafahakeliny ny telo amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ary manorata teny ambara misy antony sy vokany ho an’ny andalan-tsoratra masina tsirairay izay maneho ny torohevitry ny Mpamonjy.

Azonao atao ny mamerina milaza ny zavatra nampianariny amina teny nambara mampiasa “raha-dia”. Ohatra: Rehefa avy mandalina ny 3 Nefia 13:1–4, dia mety hanoratra toy izao ny olona iray, “Raha mifanaraka amin’ny fanahin’i Kristy ny antony anampiantsika ny mahantra, dia ho tonga avy any amin’ny Ray any An-danitra ny valisoantsika.” Azontsika ianarana avy amin’io andalan-tsoratra masina io fa ny antony manosika antsika hanao asa marina dia zava-dehibe amin’ny Raintsika any An-danitra, izay tia mitahy ireo izay mihalasa tahaka an’i Jesoa Kristy Zanany kokoa.

Azon’ny mpianatra atao ny mamita io sahanasa io anatina vondrona kely, ka ny mpianatra tsirairay dia mandalina andininy samy hafa sy mizara ireo teny nambara izay noforoniny. Azonao atao ny mampiseho ny rehetra amin’ireto safidy manaraka ireto, na azonao ferana amin’ireo izay tsapanao fa ilain’ny mpianatrao indrindra izany.

Manasà mpianatra maro hanoratra ny teny ambara misy antony sy vokany noforonin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe, ary hevero ny hametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hahita hoe toy ny ahoana no ifandraisan’ny fampianaran’ny Mpamonjy amin’izao tontolo izao ankehitriny.

Fomba iray hafa anampiana azy ireo hahita izany fifandraisana izany ny fanasana ny mpianatra hiasa anatina vondrona kely maromaro mba hieritreritra ireo toe-java-misy ahafahan’ireo fitsipika voafaritra tsara eny amin’ny solaitrabe manampy zatovo iray amin’ireo sehatra sasany toy ireto manaraka ireto: (1) any an-trano, (2) any an-tsekoly, na (3) amin’ny fiainan’izy ireo ho avy rehefa ampy taona. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo vondrona dia asao hizara ny hevitr’izy ireo amin’ny vondrona iray eo akaikin’izy ireo.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no tian’ny Mpamonjy ho fantatry ny olona ankehitriny ny zavatra nampianariny ao amin’ireo toko ireo? Inona amin’ireo fampianarany no heverinao fa ilaina indrindra amin’izao androntsika izao?

  • Ahoana no ahafahan’ny zatovo iray mampihatra ny iray amin’ireo fitsipika ahitana antony sy vokany noforoninao avy amin’ireo toko ireo any an-trano? any an-tsekoly? amin’ny fiainan’izy ireo ho avy rehefa feno taona? Ahoana no ahafahan’izany manampy azy?

    Mety ho azonao atao ny mizara fotoana iray nihainoanao ny iray amin’ireo fitsipika nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo toko ireo sy ny fomba nitahian’izany ny fiainanao.

    Avy eo dia hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hisaintsainana sy hanoratana ny eritreritr’izy ireo momba ireto manaraka ireto:

  • Iza amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ireo toko ireo no mifandray indrindra amin’ny zava-misy atrehinao eo amin’ny fiainanao? Ahoana, araka ny eritreritrao, no hanasany anao hampiasa ny torohevitra nomeny?

Hamoaka printy