Seminera
3 Nefia 11:18–41: Manambara ny fotopampianarany i Jesoa Kristy


“3 Nefia 11:18–41: Manambara ny fotopampianarany i Jesoa Kristy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 11:18–41,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 11:18–41

Manambara ny fotopampianarany i Jesoa Kristy

Sary
I Kristy nampianatra tany Amerika fahiny

Efa noeritreretinao ve ny momba ny hoe inona avy no fahamarinana zarain’ny misiônera amin’ireo izay ampianarin’izy ireo? Ny iray amin’ireo hafatr’izy ireo manan-danja indrindra dia mifandray amin’ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay. Io hafatra io indraindray dia antsoina hoe fotopampianaran’i Kristy (jereo ny 2 Nefia 31:21). Ny Mpamonjy dia nampianatra io fotopampianarana io tamin’ny Nefita fotoana fohy taorian’ny nisehoany tamin’izy ireo tao amin’ny tempoly. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa sy hanazava ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy.

Mamporisika ny mpianatra hiomana hianatra. Rehefa miomana hianatra ny mpianatra, dia manomana ny fon’izy ireo handray ny Fanahy Masina. Azon’ny mpianatra atao ny miomana amin’ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny famakiana andian-tsoratra masina maromaro, ny fisaintsainana fanontaniana iray, na ny fieritreretana zavatra niainana mba hozaraina. Asao ny mpianatra hiomana, ary avy eo dia mamoròna fotoana ahafahan’ny mpianatra mahatakatra ny fiantraikan’ny fiomanan’izy ireo amin’ny fianaran’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hianatra momba ny fotopampianaran’i Kristy alohan’ny fotoam-pianarana. Azon’izy ireo atao ny mandalina ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 11:31–41 na mamakafaka ny “fotopampianaran’i Kristy” ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile na ChurchofJesusChrist.org.

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo sahanasa fandalinana ao amin’ity lesona ity dia mifantoka voalohany indrindra amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy izay ampianarina ao amin’ny 3 Nefia 11:31–41. Raha ilaina dia ampiasao ny fizaràna hoe “Sahanasa fianarana fanampiny” mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fampianarana fanampiny nomen’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 11 momba ny fifandirana ary ihany koa ny fomba mety hanaovana batisa ny olona iray.

Tonga mpanara-dia an’i Jesoa Kristy

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hilalao an-tsehatra ity rafi-tantara manaraka ity eo anoloan’ny kilasy. Mba hanomezana fahafahana ny mpianatra maromaro kokoa hizara ny heviny, dia hevero ny hizara azy ireo ho vondrona kely maromaro sy hanasa azy ireo hifandimby hizara ny valintenin’izy ireo.

Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana iray izay lasa liana amin’ny Fiangonana ianao. Milaza aminao ilay namanao fa tsara ny zavatra tsapany mikasika ny zavatra nianarany sy niainany hareto. Tiany ho fantatra ny hoe inona no tokony hataony manaraka mba hanarahana ny Mpamonjy feno kokoa.

  • Inona no mety hasainao ataon’ilay namanao? Nahoana?

“Izao no fotopampianarako”

Fotoana fohy taorian’ny nisehoan’ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty tamin’ny Nefita tany amin’ny tanin’i Soafeno, dia nampianatra ny fotopampianarany Izy. Io fotopampianarana izay indraindray antsoina hoe “fotopampianaran’i Kristy” io (2 Nefia 31:21), dia manampy antsika hahatakatra ny fomba ahafahantsika manara-dia an’i Jesoa Kristy sy mandray ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay. Anio ianao dia hanana fahafahana hahatakatra tsara kokoa ny fotopampianaran’i Kristy sy hanazava izany amin’ny teninao manokana.

Ampahafantaro ny mpianatra fa izy ireo dia hanana fahafahana hanomana sy hampianatra lesona iray momba ny fotopampianaran’i Kristy amina vondrona kely ahitana mpiara-mianatra aminy. Asehoy ireto toromarika manaraka ireto mba hahafahan’ny mpianatra mijery izany eo am-panomanan’izy ireo ny leson’izy ireo.

  1. Halalino ireo fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fotopampianarany ao amin’ny 3 Nefia 11:31–41.

  2. Raha tianao dia mandalìna fampianarana hafa momba ny fotopampianarana na ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, toy ny 2 Nefia 31:17–21 na ny 3 Nefia 27:19–22. Azonao atao ihany koa ny mamakafaka ny “fotopampianaran’i Kristy” ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile na ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  3. Manomàna lesona telo hatramin’ny dimy minitra momba ny fotopampianaran’i Kristy. Ampiasao ny lamina omena eo ambany mba hanampy anao hanomana ny rindran-damina ho ampiasainao. Azonao atao ny maka sary an-tsaina hoe misiônera ianao ary manomana io lesona io ho an’ny olona iray ampianarinao. Na azonao atao ny mieritreritra olona iray fantatrao ary miomana toy ny handeha hizara ny lesona aminy.

Mizarà tahadikan’ny taratasy zaraina misy ny lamin’ny lesona amin’ny mpianatra. Omeo fotoana ampy izy ireo mba hanomanany ny lesony.

Alaovy antoka fa omena zavatra hafa azo ampifanoloina amin’izany ny mpianatra izay mety ho mitebiteby loatra ny hampianatra amin’ny feo mafy. Isan’ireo safidy ny fanomezana ny rindran-damin’ny leson’izy ireo na ny fiasana miaraka amina namana iray izay mahazo aina rehefa mampianatra na manana traikefa kokoa amin’ny fampianarana. Mety hanampy ny mpianatra raha manao môdely fohifohy amin’ny fomba fanomanana lesona fohy ianao.

Drafitry ny lesona Ny fotopampianaran’i Kristy

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—“3 Nefia 11:18–41: Manambara ny fotopampianarany i Jesoa Kristy”

  1. Manorata, avy amin’ny zavatra nianaranao sy nohalalininao, famintinana ny fotopampianaran’i Kristy.

  2. Mitanisà fanontaniana roa na telo azonao apetraka mba hanampiana ireo izay ampianarinao hahatakatra sy hieritreritra lalina kokoa momba ny fotopampianaran’i Kristy.

  3. Farito hoe nahoana no tsapanao fa manan-danja ny manaraka ireo fampianaran’ny Mpamonjy ireo. Raha azo atao dia mampidira zavatra niainanao ka maneho ny fomba nitahian’ireo fampianarana ireo ny fiainanao.

  4. Mitanisà fanasana iray na roa azonao omena mba hanampiana ireo izay ampianarinao hampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny fotopampianaran’i Kristy.

  5. (Tsy voatery atao) Mieritrereta zavatra na sahanasa iray mba hanampiana ireo izay ampianarinao hahatakatra tsara kokoa ny fotopampianaran’i Kristy.

Rehefa avy nomena fotoana ampy iomanana ny mpianatra, dia omeo fahafahana hampianatra ny leson’izy ireo amina mpianatra mara-miasa na vondrona kely izy ireo. Mitadrema mba tsy hanery ny mpianatra izay mitebiteby loatra ka tsy afaka mampianatra ny leson’izy ireo amin’ny feo mafy. Azonao atao ny manasa mpianatra vonona vitsivitsy hampianatra ny kilasy iray manontolo.

Rehefa vitan’ny mpianatra ny fampianarana, dia mety hisy fotoana hifanakalozana hevitra momba ny zavatra nianaran’izy ireo. Hevero ny hanoratra ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra, isika dia tsy maintsy manaraka ny fotopampianaran’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny finoana Azy, ny fibebahana, ny fanaovana batisa, ny fandraisana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany.

Afaka mampiasa fanontaniana toy ireto manaraka ireto ianao mandritra ny fifanakalozanareo hevitra:

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no tao anatin’ireo zavatra voalohany nampianarin’ny Mpamonjy ny Nefita io fotopampianarana io?

  • Nahoana ianao no mahatsapa fa tsy maintsy ilaina ireo fitsipika sy ôrdônansy ireo mba handovana ny fanjakan’ Andriamanitra?

  • Inona no azonao atao mba hahatonga ireo fitsipika sy ôrdônansy ireo ho ampahany manan-danja kokoa amin’ny fiainanao?

Fanombanan-tena

Raha misy fotoana aorian’ny fizaràn’ny mpianatra ny leson’izy ireo, dia azon’izy ireo atao ny misaintsaina fomba hampiharana ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro. Hevero ny hizara ity fanombanana manaraka ity sy hanome fotoana ny mpianatra hanombana mangina ny tenan’zy ireo:

Rehefa mamarana ny lesona ianao, dia makà fotoana hisaintsainana ny fomba ahafahanao mampihatra ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainanao isan’andro. Ity fanombanan-tena manaraka ity dia afaka manampy anao hamantatra ny fomba iainanao ny fotopampianaran’ny Mpamonjy amin’izao fotoana izao, ary ihany koa ny fomba ahafahanao manatsara izany.

Valio amin’ny anankiray amin’ireto valiny ireto ny tsirairay amin’ireto teny ambara manaraka ireto: “tsy tapaka,” “indraindray,” na “mahalana.”

  1. Izaho dia mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fiezahana mitandrina ny didy ary matoky fa afaka manampy ahy handresy ny zava-tsarotra atrehiko Izy.

  2. Mibebaka isan’andro amin’ny fahadisoako aho ary mikatsaka ny herin’ny Mpamonjy hanampy ahy ho tonga tahaka Azy kokoa.

  3. Miezaka mitandrina ny fanekempihavanana nataoko tamin’ny batisa aho ary manavao isan-kerinandro izany ezaka izany amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo am-pahamendrehana.

  4. Manasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainako amin’ny alalan’ny vavaka tsy tapaka ataoko amin’ny Ray any An-danitra aho ary mikatsaka ny hanao asa araka ny bitsiky ny Fanahy.

Amporisiho ny mpianatra hamaritra lafiny iray amin’ny fotopampianaran’ny Mpamonjy izay azon’izy ireo omena sehatra kokoa eo amin’ny fiainan’izy ireo ary avy eo dia hanao drafitra hanaovana izany. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra. Amporisiho hitady fahafahana hizara ireo fampianarana ireo amin’ny hafa ny mpianatra.

Hamoaka printy